2022
Brazzaville: ‘Tsy tonga lafatra ny finoanay, kanefa nahatsiaro anay ny Tompo’
Aogositra 2022


Vaovao eo an-toerana

Brazzaville: ‘Tsy tonga lafatra ny finoanay, kanefa nahatsiaro anay ny Tompo’

Naneho ny fihetseham-pony ny Olomasina ao amin’ny Repoblikan’i Kongo noho ilay vaovao mahafaly fa hisy tempoly haorina ao amin’ny firenen’izy ireo.

Ny 3 aprily 2022 dia nivory tao an-tokantranony ireo olomasina mahatoky manerana izao tontolo izao mba hijery ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Tao amin’ny Repoblikan’i Kongo dia isan’ireo olomasina an-tapitrisany ‘nanangana ny lainy nitodika tany amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe’ i Belle-Vie Gayouele filohan’ny tsatòka ao Brazzaville sy ny fianakaviany teo am-panarahan’izy ireo tamim-panajana fatratra ireo fivoriana tamin’ny alalan’ny fampitana mivantana, rehefa nanao filazana ny Filoha Russell M. Nelson fa hisy tempoly haorina ao Brazzaville!

Hoy ny Filoha Belle-vie Gayouele mahakasika io zavatra niainana masina io hoe: “Tsy dia nanantena ny hanambarana tempoly tamin’ity fihaonambe farany ity izahay. Na izany aza dia nanaraka ny lahateny famaranana nataon’ny Mpaminany nomban’ny tara-panantenana ireo olomasina manerana an’i Brazzaville sy i Pointe-Noire (tanàna roa ao amin’ilay firenena). Rehefa nanambara tamin’ny fomba tsy nampoizina ny fanorenana tempoly ao Brazzaville ny mpaminany dia nahatalanjona ny fiantraikan’izany. Ny vadiko, ohatra, dia nihiakam-pifaliana, nisy fankalazana lehibe tany rehetra tany, maro ireo antso tamin’ny alalan’ny video sy tamin’ny finday voaray, ary tsy nahita tory izahay tamin’io alina io! Nandohalika tamim-panetren-tena izaho sy ny fianakaviako mba hanolotra vavaka fankasitrahana.”

Milaza Rahavavy Estelle Vianney, izay mpikambana ao amin’ny Paroasin’i Massa ao amin’ny Tsatòkan’i Brazzaville, fa velom-pankasitrahana izy. “Tena velom-pankasitrahana aho androany fa nambaran’ny Raintsika any An-danitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany velony ny vaovao mahatalanjona fa haorina ato amin’ny fireneko ny tranony masina,” hoy izy. “Tsapako fa tena mahafantatra sy mahatsiaro anay Olomasina eto Brazzaville tokoa ny Tompo. Feno fifaliana ny foko.” Manana fahatsapana toy izany koa Rahavavy Bibicha Kitombo ao amin’ny Paroasy voalohany ao Mpaka, ao amin’ny Tsatòkan’i Pontre-Noitre, sy Rahalahy Van Sambala ao amin’ny Paroasy Aeroport ao amin’ny Tsatòkan’i Aeroport ka nilaza fa mifandray amim-piraisan-kina sy fitiavana ny fon’ireo Olomasina.

“Ahitana karazam-pifaliana maneho fahafaham-po eny amin’ny endrik’ireo mpikambana eto Brazzaville androany. Tsapa tokoa fa misy fiadanana lalina sy fanoloran-tena bebe kokoa hanao ireo ôrdônansin’ny tempoly, ary mbola tsy mino ilay izy ny olona sasany, lehibe ny fifaliana ary lalina ny fankasitrahana noho ny hatsaram-pon’ny Tompo,” hoy ny Filoha Belle-Vie Gayouele.

Ao Kinshasa RDC ny tempoly akaiky indrindra ho an’ireo olomasina ao Brazzaville amin’izao fotoana izao. Tsy mora foana ny fankanesana any.

“Nikarakara dia ho an’olona maro nankany amin’ny tempolin’i Kinshasa izahay, ary izany dia tsy maintsy niatrehanay tamin-kerim-po ny fanamby hiampita ilay renirano misamboaravoara niaraka tamin’ny fianakavianay,” hoy ny Filoha Belle-Vie Gayouele. “Nandritra ny fotoana nandalovan’ny firenenay fihemorana lehibe ara-toekarena ihany koa izany. Tena nahantra ireo fianakaviana, kanefa mba hanaovana ireo dia ireo dia nanao fahafoizan-tena goavana ireo mpikambana mba hividianana ireo tapakila hiampitana ilay renirano sy ny sakafo ary ny trano hivantanana. Marobe izahay no nandeha nankany amin’ny tempoly ka matetika be no tsy nisy toerana azonay nipetrahana tao amin’ny tempolin’i Kinshasa. Voatery nijanona tany ivelan’ny tempoly ny rahalahy sy ny anabavy sasany ary niandry ny anjaran’izy ireo. Fotoan’ny fisedrana ny finoana sy fahatapahan-kevitra hanao ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo dia ireo. Taty aoriana ireo dia ireo dia namela anay hitondra ny Fanahin’ny tempoly ho ao am-pon’ireo mpikamban’ny Fiangonana,” hoy izy.

Nampian’ny Rahavavy Bibicha Kitombo hoe: “Loharano lehibe nahazoana fanohanana sy famporisihana ireo mpitarika, indrindra fa ho an’ny zatovo sy ny tanora tokan-tena tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo hifantoka tamin’ny tempoly. Milaza i Van Sambala fa izany dia namela azy ireo hivavaka sy hifady hanina matetika ary tsy ho mahatoky tamin’ny fitandremana ny didy.

Mampahatsiahy an’ireo olomasina Rahavavy Estelle Vianney fa tsy maintsy miomana ny olomasina tsirairay amin’izao mba handray ireo fitahian’ny tempoly. Mizara teny nolazain’ny Filoha Richard G. Scott izy izay milaza hoe: “Fepetra ilaina hahazoana ireo fitahian’ny tempoly ny fahamendrehan’ny tena manokana”.1 Tsotra ny fijoroana ho vavolombelona nataony: tranon’Andriamanitra ny tempoly, ary mitana andraikitra lehibe amin’ny fampatanjahana ny finoana sy ny fahaizana miarina ara-panahy izany.

Manoro hevitra ny Filoha Belle-Vie Gayouele hoe: “Amin’izao fotoana izao dia fantatray fa tsy tonga lafatra ny finoanay tamin’izany, tsy tena hoe lehibe ny fahafoizan-tena nataonay, kanefa feno fankasitrahana izahay fa nahatsiaro anay ny Tompo.

“Hitahy ity firenena ity sy ny vahoakany ny tempoly, na ireo mpikambana na ireo tsy mpikambana. Ho fitahiana ho anay sy ireo zanakay io tempoly io. Hoentina hivoaka ny haizina ny Fiangonana ary hitondra ny Fanahin’Andriamanitra manerana ny firenenay izany.”

Fanamarihana

  1. Richard G. Scott, “Receive the Temple Blessings,” Ensign, May 1999, 25.