2022
Mandray ny tsodranon’ny patriarika anao
Aogositra 2022


Ny lalan’ny fanekempihavanako

Mandray ny tsodranon’ny patriarika anao

Miandry anao ny Liahona anao manokana!

Hoy ny filoha Thomas S. Monson (1927–2018), “Ahitana ara-bakiteny an’ireo toko avy ao amin’ny boky momba ireo zavatra azonao tratrarina any amin’ny mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika. . . .

“Natao ho vakina izany . . . sy ho tiavina . . . ary ho arahina. Natao ho Liahona anao manokana izany . . . Hitarika anao mandritra ireo zava-mampidi-doza eo amin’ny fiainana. Izany no hanampy anao rehefa anatin’ny alina maizin-kitroka iny ianao . . .

“Izany no pasipaoro ahitanao fiadanam-po eto amin’ity fiainana ity.”1

Ny mpikambana tsirairay izay mendrika sy vita batisa dia manan-jo ary tokony hahazo tsodranon’ny patriarika. Masina sy mandrakizay ny tsodranonao. Fanambarana natao ho anao mihitsy izany. Izany koa dia mampahafantatra ny fanambarana ny rohim-pirazanana misy anao ao amin’ny fokon’Isiraely.

Omen’ny olona iray mpihazona fisoronana izay voafidy manokana sy notendrena ho amin’io antso masina io ny tsodranon’ny patriarika. Ny andraikiny dia ny mihaino ny Ray any An-danitra sy manome anao ny tsodrano natao ho anao manokana rehefa vonona ianao. Andraikitrao ny mianatra momba ny tsodranon’ny patriarika, sy ny mamantatra ny fotoana maha-vonona anao handray izany tsodrano izany, ary ny manontany ny Filohan’ny Sampana na ny Evekanao ny fomba hahazoanao ny tsodranonao manokana.

Afaka manampy anao sy mitarika anao isan’andro ny tsodranon’ny patriarika. Enga anie hitaona ny fanahinao ireto fijoroana ho vavolombelona ireto:

Rehefa nanao dinidinika an’i Amina Inot avy ao amin’ny Sampana Kabiria, Tsatòkan’i Nairobi Kenya Andrefana aho dia nitsiky tamim-pitoniana izy sady niteny hoe, “Oh! Teo am-pieritreretana mikasika ny tsodranon’ny patriarikako mihitsy aho! Tsy dia nandroso loatra tamin’ny tanjoko sasantsasany izay napetrako aho ka namaky ny tsodranon’ny patriarikako mba hamerenana ny fifantohako indray. Mampahatsiaro ahy ireo zavatra izay sarobidy sy manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako izany. Lasa hitako avy eo ny fomba handrosoana. Nampanantenaina fitahiana mahafinaritra maro aho raha toa ka manao ny anjarako. Toa tahaka ny Liahona ho ahy ny tsodranoko.”

I Heritier Bukasa avy any amin’ny Sampana Mangungu, Tsatòkan’i Ngaliema Kinshasa, RDC, dia nilaza hoe: “Taorian’ny nahazoako ny tsodranoko dia nanjary lasa mpitarika ny fiainako izany. Hitako tsikelikely teny ireo fitahiana sy fampanantenana nandalo teo amin’ny fiainako sy ny fiainan’ny fianakaviana kely vao naoriko. Tena feno fankasitrahana aho!”

I Haron Kamto avy ao amin’ny Sampana Kayole Voalohany, Tsatòkan’i Gast Nairobi, Kenya, dia nandray ny tsodranony tamin’izy efa lehibe tamin’ny 2012. “Nandray ny tsodranon’ny patriarikako aho ho isan’ny fiomanako ho any amin’ny tempoly. Tsapako nivaivay ny Fanahy tamin’izany fotoana izany, ary isaky ny mamaky izany aho handray torohevitra, fankaherezana, famporisihana, fampiononana sy fitarihana dia tsapako foana izany Fanahy matanjaka izany ary mijoro ho vavolombelona fa izany no tenin’ny Tompo sy fampanantenana ho ahy.”

Manana tsodrano manokana ho antsika tsirairay ny Ray any An-danitra, izay hanampy antsika eto amin’ny fiainana an-tany. Anjarako sy anjaranao ny miomana sy mikatsaka izany tsodrano izany. Mila ny Liahonantsika manokana isika tsirairay avy.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Your Patriarchal Blessing”, Ensign, Oct. 1986, 66, 67.