Tahirim-pitaovana
Matokia an’i Jehovah


“Matokia an’i Jehovah,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
lehilahy sy vehivavy miara-mandohalika mivavaka

Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany

Matokia ny Tompo

Rehefa misy namana na olona akaikin’ny fo manatona antsika miaraka amin’ny fanahian’izy ireo momba ny finoany dia mety hitaintaina na hikorapaka mihitsy aza isika amin’ny voalohany. Mety hitarika anao hametraka fanontaniana saro-baliana ny fanahian’izy ireo: “Hidika inona ho an’ny fianakaviako izany?” “Nisy zavatra tsy nety nataoko ve?”

Rehefa manana fisalasalana ny amin’ny zavatra inoany ny olona iray akaiky anao dia tsy midika akory izany fa tsy nanampy azy ireo araka ny tokony ho izy ianao. Mety ho sarotra ny anton’ny fanahian’izy ireo. Tokony hanao izay vitantsika isika mba hampiana azy ireo, kanefa tokony hatoky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ihany koa isika. Tian’Izy Ireo ny olona manana fanontaniana. Ireto misy zavatra vitsivitsy azonao atao mba hihazonana fiadanana ao am-ponao sy ao an-tsainao eo am-panohananao ny hafa:

  • Matokia fa mahalala Andriamanitra. Maniry ny fitomboana sy ny fahasambaran’ny olombelona rehetra ny Tompo. Mamporisika ny hananantsika fanontaniana amin-kitsim-po Izy. Mahalala ny ady atrehantsika Izy ary mitomany noho ny fahoriantsika. Hanohy hanolotra ny fitiavany sy ny fanampiana an’ireo olona izay miady mafy na miala amin’ny Fiangonana Izy.

  • Asao handray anjara ao anatin’ilay dingana ny Tompo. Na dia ireo loharanom-pitaovana tsara indrindra sy ireo hafatra voahevitra tsara aza dia mety tsy hahomby raha ampiasaina amin’ny fotoana na lazaina amin’ny lantom-peo tsy maha-mety azy. Mivavaha mba hanampian’ny Tompo anao hanompo. Ny Fanahy dia afaka ny hanampy anao hahatakatra ny filàn’ny olona iray manokana sy hamantra ny fotoana hitsidihana sy hiainoana toy izay hiresahana na hampianarana. Afaka manampy anao koa Izy hamantatra ny fomba sy ny fotoana hizarana ny fijoroanao ho vavolombelona na hanasana ny hafa hanao dinganana hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra.

  • Manàna fomba fijery lavitra. Matetika no miovaova araka ny fotoana ny finoan’ny olona sy ny fahatsapany momba an’ Andriamanitra. Ary mbola mila mianatra sy mivoatra isika rehetra aorian’ny hankanesantsika any amin’ny fiainan-koavy. Afaka ny hanana fanantenana ianao rehefa mahita ny olana atrehan’ny olona akaikin’ny fo iray amin’ny fananana io fomba fijery mivelatra kokoa io. Manohiza mamboly voa amim-paharetana, omban’ny fahafantarana fa eo an-tananan’ Andriamanitra ny fotoana ho an’ny fijinjana.

  • Mahazoa fanantenana ao amin’ny fahafantarana ny toetran’ Andriamanitra. Voafetra ny fomba fijerintsika eto amin’ity fiainana ity. Fantatsika tokoa fa hendry sy manam-paharetana ary be fitiavana Andriamanitra. Izy no nanome antsika tsirairay avy ny fahafahantsika misafidy. Fantany fa hiatrika fanamby sy fitsapana avokoa ny rehetra. Ary nanome Mpamonjy izay manana ny hery hitaomana antsika hiverina hankany Aminy Izy.

Soratra masina manan-danja: Ohabolana 3:5–6; Isaia 55:8–9; 2 Timoty 1:7–8; Almà 26:11–12