Tahirim-pitaovana
Mihainoa amim-panetrentena


“Mihainoa amim-panetrentena,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Lehilahy sy vehivavy mipetraka eo amin’ny sezalava ao amin’ny valan-javaboary iray ary mihaino ralehilahy ary miteny kosa ravehivavy

Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany

Mihainoa amim-panetrentena

Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland nampatsiahy: “Nilaza tamiko ny [Filoha Russell M. Nelson] indray mandeha fa iray amin’ireo fitsipika voalohany amin’ny fanontaniana apetraky ny mpitsabo ny -Manontany ny marary hoe aiza no maharary azy. Ilay marary,- hoy izy no -ho mpitarika tsara indrindra mitondra anao mankany amin’ny famantarana aretina sy ny fanafana tena mety amin’ny farany.-”1 Rehefa manatona anao ny namana na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana noho ny fanontaniana sarotra na olana ananan’izy ireo momba ny Fiangonana dia makà fotoana hihainoana. Manatona anao izy ireo satria atokisany ianao. Valio soa izany fitokisana izany amin’ny alalan’ny fikatsahana ny hahatakatra ny zavatra ilain’izy ireo aloha.

Sarotra ny mihainoa amim-panetrentena. Mitaky fifantohana sy faharetana izany. Kanefa fahaiza-manao azontsika ianarana izany. Mety hanasitrana olona izay mizara ny zavatra mamparefo azy na ny fanontaniana ananany ny fihainoana amim-pahavitrihana sy ny fanorenana fifandraisana marina. Andramo ny sasany amin’ireto fanazaran-tena amin’ny fihainoana mba hahafahana mihaino sy mahatakatra tsara kokoa ireo olona akaikin’ny fonao ireto:

  • Katsaho aloha ny hahatakatra. Matetika isika no mieritreritra fa fantatsika ny fomba hamahana ny olan’ny hafa. Te hamaly ny fanontanian’izy ireo fotsiny isika ary hilaza amin’izy ireo mba tsy hanahy intsony. Matetika io fironana io no mifantoka amintsika fa tsy amin’ny filan’izy ireo. Makà fotoana hihainoana ny tantara mikasika ny fomba nahatongavan’izy ireo eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny. Makà antoka fa takatrao ny fanontanian’izy ireo. Manehoa fanajana raha fantatrao fa mifanohitra amin’ny anao ny fomba fijeriny. Alaviro ny fitsikerana azy ireo na ny manome tsiny azy ireo. Rehefa mailaka ny hanome valiny manatsotsotra zavatra isika dia mety hahatsapa izy ireo fa toy ny hamavainintsika ny zava-manjo azy ireo. Ny fikatsahana ny hahatakatra ny fomba fijerin’izy ireo fa tsy ny fiezahana manova izany no toerana tsara indrindra hanombohana.

  • Ekeo ny zavatra niainan’izy ireo. Na dia mety tsy ho takatsika na tsy ekentsika aza ny fanahian’ny olon-kafa dia azontsika atao ny manaiky ny hitsim-pon’izy ireo sy ny fanaintainana mety ho tsapan’izy ireo. Ampitahaintsika amin’ny zavatra niainantsika indraindray ny zava-manjo azy ireo rehefa miezaka ny haneho fahaiza-miombom-pihetseham-po isika. Manan-danja ny mahatsiaro fa samy hafa ny zavatra iainan’ny olon-drehetra. Mety tsara kokoa ny miteny zavatra toy hoe: “Tsy azoko sary an-tsaina mihitsy ny zavatra tsapanao,” na “Ampio aho hahatakatra.”

  • Alaviro ny fanilikilihana sy ny fitsaratsarana. Mandra-panapahan’ny namana na olona akaikin’ny fo iray hevitra ny hiresaka aminao momba ny fanontaniany dia tsy azo ihodivirana ny mety ho nandanian’izy ireo fotoana nanao fikarohana manokana sy nisaintsainana. Mitandrema ndrao hampitsahatra ny fifampiresahana ianao amin’ny tsy firaharahiana ny fanontanian’izy ireo na ny fitsaratsarana. Mety handratra azy ireo sy hisy fiantraikany ratsy amin’ny fahafahanao manampy izany. Mendrika ny ezaka ataonao amin-kitsim-po mba hihaino azy ny fanontaniana amin-kitsim-po apetrak’izy ireo.

  • Fehezo ny fihetseham-ponao. Rariny raha matahotra na mitaintaina ianao rehefa misy olona akaikin’ny fo iray manatona anao mba hametraka fanontaniana mahakasika ny finoany. Ezaho ny tsy hamela ireo fihetseham-po ireo hanembantsembana ny fifampiresahana mitondra vokatra tsara. Raha mahatsapa ho tezitra ianao dia tsara kokoa angamba ny manontany raha afaka miato kely ianareo dia manohy ny fifampiresahana rehefa afaka kelikely. Nananatra antsika ny Mpamonjy mba hanalavitra ny fifandirana sy ny fahatezerana.2 Afaka mianatra maneho tsy fiombonan-kevitra isika kanefa tsy manao zavatra mahasosotra.3

  • Mametraha fanontaniana tsy mitaky valiny eny na tsia. Mamporisika ny hafa hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany ary ny zavatra niainany ny fanontaniana tsy mitaky valiny eny na tsia. Tsy voatery ho marina na diso ny valin’izy ireny. Ohatra: “Azonao hazavaina amiko bebe kokoa ve?” “Inona no tsapanao momba izany?” “Afaka manampy ahy hahatakatra ve ianao?” “Inona no azoko atao mba hanampiana?” Mampiseho ny firaharahianao ny fametrahana fanontaniana tsara ary manampy anao hisoroka fifandisoan-dresaka.

  • Ekeo fa misy fetra ny fahatakaranao. Mety ho nandany fotoana betsaka lavitra noho ianao tamin’ny fandalinana ny fanontanian’izy ireo ny namana sy ireo olona akaikin’ny fonao izay manatona anao. Tsy maninona raha tsy manana valim-panontaniana vonona ianao na raha izany no fotoana voalohany nahafantaranao momba ana zavatra iray. Aza matahotra ny hametraka fanontaniana mba hanazavana ny zavatra izay tsy takatrao. Mety tsy hiombon-kevitra amin’ny tsoakevitr’izy ireo ianao, kanefa miezaha miombon-kevitra amin’izay azonao ekena kanefa tsy mandainga amin’ny tenanao. Azonao atao koa ny mangataka fotoana handalinanao manokana ilay lohahevitra ka manohy ny resaka avy eo rehefa manana fampahalalana misimisy kokoa ianao.

Soratra masina manan-danja: Efesiana 4:29; Môzià 18:21; 3 Nefia 11:29

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Witnesses unto Me,” Ensign, May 2001, 15.

  2. Jereo ny 3 Nefia 11:29.

  3. Jereo ny “Comment être en désaccord sans pour autant être désagréable,” ao amin’ny Répondre à mes questions sur l’Évangile (2022), 36–37.