Tahirim-pitaovana
Mamalia am-pitiavana


“Mamalia am-pitiavana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
Raim-pianakaviana any Orogoay, mamihina an-janany lahy

Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany

Mamalia am-pitiavana

Rehefa misy olona akaikin’ny fonao mizara ny fanontaniana na ny olan’izy ireo aminao momba ny Fiangonana dia ara-dalàna raha mahatsapa ho matahotra na mitaintaina ianao. Ezaho ny tsy hifantoka amin’ireny fihetseham-po ireny ka mamalia amin-katsaram-panahy sy amim-pangorahana. Mety tsy ho takatrao tanteraka ny zavatra iainan’ny olon-kafa, saingy afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ianao ary maneho fitiavana lalandava.

Misalasala ny olona indraindray hizara ny olana manjo azy noho ny tahotra fa mety ho tapaka ny fifandraisany amin’ireo olona akaiky azy ireo. Mitady ny fanampianao ny olona matoa manatona anao. Mamalia am-pitiavana na dia tsy fantatrao aza izay hatao na holazaina. Mitadiava fomba hanehoana fangorahana sy hatsaram-panahy, eny fa na dia manao safidy izay tsy ekenao aza izy ireo.

Ireto misy fitsipika vitsivitsy izay hanampy anao haneho fitiavana aman’olona rehefa mizara ny fanontaniany aminao izy ireo:

  • Mitenena amim-pitiavana. Miresaha amim-panetrentena, amin-katsaram-panahy ary amin-kitsim-po. Tsy dia ilaina firy noho ny fanehoana fitiavana tahaka ny an’i Kristy ny teny tsara lahatra sy ny hevitra feno hakingan-tsaina. Asehoy am-pahatsorana sy amin-kitsim-po ary ombieny ombieny ny fitiavanao. Araka izay itarihan’ny Fanahy, dia tadiavo ny fotoana sy ny fomba mety hanomezana ny “anton’ny fanantenana ao anati[nao].”1

  • Manompoa azy ireo amin’ny fomba manan-danja. Mitadiava fomba hanehoana ny fitiavanao sy ny fanolorantenanao. Anontanio azy ireo ny zavatra izay ahafahan’izy ireo mahatsapa ho omen-danja sy ny fomba azonao anohanana azy ireo. Hevero avy eo ny fomba azonao atao mba hanaovana asa mifanaraka amin’izay zavatra ianaranao. Ny asa fanompoana ataonao dia hanamafy ny teny feno fitiavana atolotrao sy hanome toky ilay olona fa miraharaha ianao.

  • Tandrovy ny fifandraisanareo. Manan-danja kokoa ny mamboly fifandraisana omban’ny fitiavana sy fitokisana noho ny fanomezana valim-panontaniana maika. Tanjona tsara iray ny fanohizana fotsiny ny fifampiresahana. Ny fikolokoloana ny fifandraisanao aman’olona sady mitandrina ihany ireo fanekempihavananao no fomba tsara indrindra hanohizana mitarika amin’ny tsara.

  • Miezaha mijery azy ireo amin’ny fomba ahitan’ny Tompo azy ireo. Nampianatra ny Loholona G. Renlund fa “Tsy afaka ny hotanterahintsika feno ilay fanekempihavanana nataontsika mba hiara-malahelo amin’izay malahelo sy hampionona ireo izay mila fampiononana raha tsy mijery azy ireny amin’ny fijerin’ Andriamanitra isika.”2 Zanak’ Andriamanitra manana fahafahana ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra ny namanao na ny olona akaiky ny fonao. Miatrika ireo fitsapana izay nolazain’ny Apôstôly Petera fa tokony tsy hahagaga antsika eo amin’ny fiainana izy ireo.3 Mandidy ny mpianany i Jesoa Kristy mba hitia ny hafa tahaka ny itiavany azy ireo.4 Mivavaha mba hanana fomba fijery hahafahana mahita azy ireo tahaka ny hahitany azy ireo.

  • Tiavo tsy misy tambiny izy ireo. Rehefa misy olona tiantsika manapa-kevitra ny tsy hitovy zavatra inoana amintsika na mandray fanapahan-kevitra izay tsy takatsika dia tokony hanaja ny fahafahan’izy ireo misafidy isika ary manohy mitia azy ireo. Afaka manao izany isika kanefa tsy manary ireo zavatra inoantsika izay manan-danja amintsika. Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Afaka mifankatia isika kanefa tsy mampandefitra ireo fenitra masina lalaintsika manokana. Ary afaka miresaka momba ireny fenitra tratrarina ireny isika kanefa tsy manilikilika ny hafa.”5

Soratra masina manan-danja: Ohabolana 15:1; Jaona 13:34–35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 52:16; 121:41–42