Tahirim-pitaovana
Ampio izy ireo mandritra ny diany


“Ampio izy ireo mandritra ny diany,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)

Sary
raim-pianakaviana sy ny zanany lahy miara-mandehandeha

Fanampiana ny hafa amin’ny famaliana ny fanontaniany

Ampio izy ireo mandritra ny diany

Ny sasany amin’ireo olona sahirana amin’ny famaliana fanontaniana momba ny finoan’izy ireo dia mahita vahaolana haingana amin’ireo olan’izy ireo ary miroso. Maharitra ela ny olana ho an’ny maro. Afaka manampy azy ireo hahazo fanantenana ny fitiavanao sy ny fankaherezanao ary ny fahavononanao hiray dia amin’izy ireo.

Tohizo ny fiainana ny filazantsara eo am-panampianao ny namanao na ireo olona akaikin’ny fonao mandritra ny dian’izy ireo. Mety hifamatotra ireo lalana samihafa diavinareo ka hanampy anareo hifandray izany fa tsy hampisara-bazana anareo. “An’ny tena manokana ny diantsika eto an-tany,” hoy ny nampianarin’ny Loholona Gerrit W. Gong, “saingy afaka miverina any amin’ Andriamanitra Raintsika sy ny Zanany Malalany isika amin’ny alalan’ny fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny fifampatokiantsika samy isika, ary ny fahatokiana ny tenantsika.”27 Ireto misy fitsipika vitsivitsy hanohanana sy hankaherezana ny hafa:

  • Aoka ianao ho loharano azo antoka azo hiresahina. Rehefa misy namana na olona ao amin’ny fianakaviana mametraka fanontanian’izy ireo aminao dia mety tsy olona afaka ny hamaha ilay olana no tadiaviny fa olona akaikin’ny fo izay vonona ny hiara-dalana amin’izy ireo mandritry ny diany. Manàna fangorahana. Ampahafantaro azy ireo fa hanohy hikarakara azy ireo ianao na inona na inona olana sy safidin’izy ireo.

  • Ampio izy ireo hitady valiny. Fomba iray mety hanampy angamba ny fizarana ireo fitsipika resahina ao amin’ny fizaranana “Fitadiavana valiny ho an’ny fanontanianao” ato amin’ity loharanom-pahalalana ity. Ampio ny namanao na ny olona ao amin’ny fianakavianao hahita ireo fitaovana navoakan’ny Fiangonana mahakasika ireo fanontaniana be mpametraka, ary mivonòna hiresaka momba ireo loharanom-pitaovana ireo amin’izy ireo. Amporisiho izy ireo hanao ireo fomba fijery mahatoky momba ny fanontaniana saro-bahana ho ampahany ifantohan’ny fandalinan’izy ireo. Rehefa taomin’ny Fanahy ianao dia ampatsiahivo azy ireo ireo soratra masina manampy ary amporisiho izy ireo hanohy hivavaka.

  • Aoka ianao ho ohatra tahaka an’i Kristy. Iray amin’ireo fomba tsara indindrina izarana ny filazantsara ny mampiseho fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy manana fiainana feno hatsarana. Rehefa mijanona ho mahatoky sy mitandrina ireo fanekempihavananao ianao dia mampiseho ny hafaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsara amin’ireo olona ampianao. Mety hisafidy ny tsy hihaino ny torohevitrao na ny fijoroana ho vavolombelona zarainao izy ireo kanefa ho voasariky ny ohatra asehonao amin’ny fitiavana amin-kitsim-po sy amim-pahatokiana izy ireo.

  • Manorena marimaritra iraisana. Azonao atao ny mihazona ny fifandraisanareo ho matanjaka amin’ny alalan’ny fanorenana izany amin’ireo zavatra inoana sy ny zava-mahaliana iraisanareo. Aza avela ho lasa zavatra ifantohan’ny fifaneraseranareo rehetra ny fanontanian’izy ireo. Tsy hoe satria sahirana amin’ny zavatra sasantsasany izy ireo dia midika izany fa nolavin’izy ireo ny zava-drehetra. Tohizo ny fiarahana mankafy amin’izy ireo ireo zavatra fanaonareo taloha. Mety hahita zava-baovao hiarahana mamantatra sy zaraina ianareo ao anatin’izany.

  • Mitadiava fomba hiarahana manao zavatsoa. Asao ny namanao na ny olona ao amin’ny fianakavianao hiaraka aminao rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay mitondra fifaliana ho anao ianao. Azonao angatahina izy ireo hiaraka hanompo ny hafa miaraka aminao, handray anjara amina fiaraha-mientana mankahery, na hiaraka hanamafy orina ny fiaraha-monina misy anareo. Samy te hanatsara ny tontolo manodidina anareo ianareo, na dia eo aza ny fanontanian’izy ireo momba ny finoana.

  • Ekeo fa mety hitaky fotoana izany. Rehefa misy olona akaikin’ny fontsika manana olana na fanontaniana momba ny finoan’izy ireo dia mety hanantena isika fa afaka ny hamaha ny zava-drehetra haingana ny teny mandresy lahatra na ny fijoroana ho vavolombelona vokatry ny fo. Tsarovy fa tsy misy vahaolana haingana foana ho an’ireo olana na fanontaniana ara-panahy. Mivonòna hiara-dia mandritra ny fotoana elaela miaraka amin’izy ireo. Omeo fotoana sy sehatra hivoarana izy ireo. Fantaro fa mety ho hafa aminao mihoatra noho ny teo aloha ny fomba anehoan’izy ireo ny finoany, ary tsy maninona izany.

Soratra masina manan-danja: Isaia 35:3–4; Galatiana 6:2; 1 Petera 3:15; Môzià 18:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21

Fanamarihana

  1. Gerrit W. Gong, “Matokia indray,” Liahona, nôv. 2021, 99.