Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11


Fizarana 11

Fanambarana nomena, tamin’ny alalan’i Joseph Smith mpaminany ho an’i Hyrum Smith rahalahiny tao Harmony, Pennsylvania, ny volana mey 1829. Noraisina tamin’ny alalan’ny Orima sy Tomima ity fanambarana ity ho valin’ny fitalahoana sy ny fanontanian’i Joseph. Araka ny tantaran’i Joseph Smith dia noraisina taorian’ny famerenana indray ny Fisoronana Aharôna ity fanambarana ity.

1–6, Hahazo ny famonjena ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka; 7–14, Mikatsaha fahendrena, mitoria fibebahana, matokia ny Fanahy; 15–22, Tandremo ireo didy ary diniho ny tenin’ny Tompo; 23–27, Aza mandà ny fanahin’ny fanambarana sy ny an’ny faminaniana; 28–30, ireo izay mandray an’i Kristy dia tonga zanak’ Andriamanitra.

1 Asa iray lehibe sy mahatalanjona no efa akaiky hitranga eo anivon’ny zanak’olombelona.

2 Indro, Izaho no Andriamanitra; mampandria sofina amin’ny teniko izay mailaka sy mahery, maranitra kokoa noho ny sabatra roa lela ka manasaraka ny famavany sy ny tsoka; koa mampandria sofina amin’ny teniko.

3 Indro, efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina; koa na zovy na zovy no maniry hijinja, dia aoka izy handroso ny antsimbilony amin’ny heriny ary hijinja raha mbola maharitra ny andro, mba hahazoany mirakitra famonjena maharitra mandrakizay ho an’ny fanahiny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

4 Eny, na zovy na zovy no handroso ny antsimbilony sy hijinja, dia izy no antsoin’ Andriamanitra.

5 Koa raha mangataka Amiko ianareo dia hahazo; raha mandondona ianareo dia hovohana.

6 Ankehitriny, satria efa nangataka ianareo, dia indro, lazaiko aminareo, tandremo ny didiko ary katsaho ny hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona.

7 Aza mikatsaka harena fa fahendrena kosa, dia indro, hovelarina aminareo ny misterin’ Andriamanitra ary amin’izany dia hatao manan-karena ianareo. Indro, izay manana ny fiainana mandrakizay no manan-karena.

8 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, hatao aminareo araka izay irinareo Amiko; ary raha irinareo, dia ianareo no ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be amin’ity taranaka ity.

9 Aza milaza na inona na inona afa-tsy fibebahana amin’ity taranaka ity. Tandremo ny didiko, ary ampio mba hiroborobo ny asako, araka ny didiko, dia hotahina ianareo.

10 Indro, manana fanomezam-pahasoavana ianao, na koa hahazo fanomezam-pahasoavana ianao raha maniry izany Amiko amin’ny finoana, omban’ny fahitsian’ny fo sy finoana ny herin’i Jesoa Kristy, dia ny heriko izay miteny aminao;

11 Fa indro, Izaho no miteny; indro Izaho no hazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina, ary amin’ny heriko no anomezako anao ireto teny ireto.

12 Ary ankehitriny, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao—eny, hanao araka ny hitsiny, handeha amim-panetren-tena, hitsara araka ny rariny; ary izany no Fanahiko.

13 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao;

14 Ary amin’izay no hahafantaranao, na amin’ny alalan ’izany no hahafantaranao ny zavatra rehetra irianao Amiko, izay mikasika ny zavatry ny fahamarinana, amin’ny finoana rehefa mino Ahy fa handray izany.

15 Indro, mandidy anao Aho ny tsy tokony hiheveranao fa antsoina ianao hitory, raha tsy efa antsoina ianao.

16 Mahandrasa kely ambara-panananao ny teniko, ny vatolampiko, ny fiangonako ary ny filazantsarako, mba hahafantaranao marina tokoa ny fotopampianarako.

17 Ary amin’izay, indro, araka ny fanirianao, eny, dia hotovina aminao izany araka ny finoanao.

18 Tandremo ny didiko; aoka hangina; miantsoa ny Fanahiko;

19 Eny, mifikira Amiko amin’ny fonao rehetra mba hahazoanao manampy amin’ny fitondrana ho amin’ny hazavana ireo zavatra izay efa voateny ireo—eny, ny fandikana ny asako; mahareta ambara-pahatontosanao izany.

20 Indro izao no asanao, ny mitandrina ny didiko, eny, amin’ny herinao rehetra, ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra.

21 Aza mikatsaka ny hitory ny teniko, fa katsaho aloha ny hahazo ny teniko, ary amin’izay dia hovahana ny lelanao; amin’izay raha irinao, dia hanana ny Fanahiko sy ny teniko ianao, eny, ny herin’ Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona.

22 Nefa ankehitriny dia aoka hangina; diniho ny teniko izay efa lasa any anivon’ny zanak’olombelona, ary koa diniho ny teniko izay ho tonga any anivon’ny zanak’olombelona, na izay adika ankehitriny, eny, ambara-pahazoanao izay rehetra homeko ny zanak’olombelona ao amin’ity taranaka ity, ary amin’izay dia hanampy ho an’izany ny zavatra rehetra.

23 Indro ianao no Hyrum, zanako lahy; katsaho ny fanjakan’ Andriamanitra, dia hanampy ho anao, araka izay rariny, ny zava-drehetra.

24 Manorena eo ambonin’ny vatolampiko, dia ny filazantsarako;

25 Aza mandà ny fanahin’ny fanambarana, na ny fanahin’ny faminaniana, fa lozan’izay mandà ireo zavatra ireo;

26 Koa miraketa ao am-ponao ambara-pahatongan’ny fotoana izay hivoahanareo araka ny fahendreko.

27 Indro, miteny amin’ireo rehetra izay manana faniriana tsara Aho, ary efa nandroso ny antsimbilony mba hijinja.

28 Indro, Izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. Izaho no fiainana sy fahazavan’izao tontolo izao.

29 Izaho ihany no Ilay tonga tany amin’ny Ahy ary ny Ahy tsy nandray Ahy.

30 Nefa lazaiko aminao marina dia marina tokoa, izay rehetra mandray Ahy, ireo no homeko hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia ireo izay mino ny anarako. Amena.