Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25


Fizarana 25

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony Pennsylvania ny volana jolay 1830. (jereo ny sasin-teny ho an’ny fizarana 24). Maneho ny sitrapon’ny Tompo ho an’i Emma Smith, vadin’ny Mpaminany, ity fanambarana ity.

1–6, Emma Smith, izay vehivavy nofinidy, dia nantsoina hanampy sy hampahery ny vadiny; 7–11, Nantsoina koa izy hanoratra, hamelabelatra ny soratra masina ary hifantina ireo hira; 12–14, Vavaka atao amin’ny Tompo ny hiran’ny olo-marina; 15–16, Azo ampiharina amin’ny rehetra ireo fitsipiky ny fankatoavana ato anatin’ity fanambarana ity.

1 Henoy ny feon’ny tompo Andriamanitrao, raha mbola miteny aminao Aho ry Emma Smith zanako vavy; fa lazaiko aminao marina tokoa, ireo rehetra izay mandray ny filazantsarako dia zanako lahy sy zanako vavy ao amin’ny fanjakako.

2 Fanambarana iray no omeko anao momba ny sitrapoko; ary raha mahatoky sy mandeha amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra eo anoloako ianao, dia harovako ny ainao, ary handray lova ao Ziona ianao.

3 Indro, voavela ny fahotanao, ary ianao dia vehivavy nofinidy izay efa nantsoiko.

4 Aza mimonomonona noho ireo zavatra izay tsy hitanao, satria notanana tsy ho hitanao sy tsy ho hitan’izao tontolo izao ireny, izay fahendrena ato Amiko ho amin’ny fotoana ho avy.

5 Ary ny anjara fanompoana amin’ny antso anananao dia ny mampahery an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sady vadinao amin’ny fahoriany, amin’ny teny fankaherezana, amin’ny fanahin’ny fahamorana.

6 Ary ianao dia handeha hiaraka aminy amin’ny fotoana handehanany, ary ho mpitantsoratra ho azy ianao raha mbola tsy misy mpitantsoratra ho azy, mba hahazoako mandefa an’i Oliver Cowdery mpanompoko, na aiza na aiza sitrako.

7 Ary ianao dia hatokana amin’ny alalan’ny fametrahany tanana mba hamelabelatra ny soratra masina sy hanentana ny fiangonana araka izay homen’ny Fanahiko anao.

8 Fa hametra-tanana aminao izy, dia horaisinao ny Fanahy Masina, ary ianao dia handany ny fotoanao amin’ny fanoratana sy ny fianarana betsaka.

9 Ary tsy tokony hatahotra ianao, satria hanohana anao ao amin’ny fiangonana ny vadinao; fa ho azy ireo ny antso ananany, mba hahazoana manambara amin’izy ireo ny zava-drehetra, na inona na inona sitrako araka ny finoan’izy ireo.

10 Ary lazaiko aminao marina tokoa fa hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ianao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa.

11 Ary homena anao koa, izay zavatra ankasitrahako, ny hifantina araka izay hanentanan’ny Fanahy anao ireo hira masina mba hatao ao amin’ny fiangonako.

12 Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko; eny, ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy ary hovaliana amin’ny fitahiana eo ambony lohany izany.

13 Koa asandrato ny fonao ary mifalia sy mifikira amin’ny fanekempihavanana izay efa nataonao.

14 Mitozoa ao amin’ny fanahin’ny fahamorana ary mitandrema amin’ny avonavona. Aoka ny fanahinao ho finaritra amin’ny vadinao sy amin’ny voninahitra izay ho tonga aminy.

15 Tandremo lalandava ny didiko dia handray ny satroboninahitry ny fahamarinana ianao. Ary raha tsy manao izany ianao dia tsy afaka mankany amin’izay misy Ahy.

16 Ary lazaiko aminao marina dia marina tokoa, izao no feoko ho an’ny rehetra. Amena.