Fanampiana amin’ny fandalinana
Atokana


Atokana

Fidiana sy atokana ho an’ny tanjona masina. Io fanendrena io dia mikasika fanompoana iray manokana ao amin’ny lamin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ny olona izay manana ny fahefana ara-dalàna. Ireo miadidy ny kôlejin’ny fisoronana ihany no mandray fanalahidy rehefa atokana. Ny olona izay atokana amin’ny fanompoana ivelan’ny fiadidiana ny kôlejin’ny fisoronana dia afaka mandray tsodranon’ny fisoronana saingy tsy misy fanalahidy atolotra miaraka amin’izany tsodrano izany.