Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50


Fizarana 50

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 9 mey 1831. Milaza ny tantaran’i Joseph Smith fa ny sasany tamin’ireo loholona dia tsy nahatakatra ny fisehoan’ireo fanahy samy hafa miely patrana eto an-tany, ka nomena ity fanambarana ity ho setrin’ny fanontaniany manokana ny amin’izany toe-javatra izany. Ireo fitrangana lazaina fa ara-panahy dia tsy vitsy teo anivon’ny mpikambana, izay nihambo ho nahazo fahitana sy fanambarana ny sasany taminy.

1–5, Miely patrana eto an-tany ireo fanahy sandoka maro; 6–9, Lozan’ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo izay sarahina hiala amin’ny Fiangonana; 10–14, Tokony hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy ireo loholona; 15–22, Samy ilaina hohazavaina amin’ny alalan’ny Fanahy na ny mpitory na ny mpihaino; 23–25, Izay tsy mampiorina dia tsy avy amin’ Andriamanitra; 26–28, Ireo mahatoky no tompon’ny zava-drehetra; 29–36, Valiana ny vavak’ireo nodiovina; 37–46, Kristy no Mpiandry Tsara sy Vatolampin’i Isiraely.

1 Mihainoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako ary mampandria sofina amin’ny feon’ilay Andriamanitra velona; ary tandremo ny teny fahendrena izay homena anareo, izay efa nangatahinareo sy nifanekenareo momba ny fiangonana sy ireo fanahy izay efa niely patrana ety an-tany.

2 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa, fa misy ireo fanahy maro izay fanahy sandoka, izay efa naely patrana ety an-tany, mamitaka izao tontolo izao.

3 Ary i Satana koa dia efa nikatsaka ny hamitaka anareo mba hahazoany mandresy anareo.

4 Indro, Izaho Tompo dia efa nizaha anareo ary efa nahita fahavetavetana ao amin’ny fiangonana izay mitondra ny anarako.

5 Nefa sambatra izay mahatoky sy maharitra, na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana, fa handova ny fiainana mandrakizay izy.

6 Fa lozan’ireo izay mpamitaka sy mpihatsaravelatsihy, fa izao no lazain’i Tompo, Izaho hitondra azy ho amin’ny fitsarana.

7 Indro lazaiko aminareo marina tokoa, misy mpihatsaravelatsihy eo anivonareo izay efa namitaka ny sasany, izay efa nanome hery ny fahavalo; nefa indro haverina ireo;

8 Nefa haharihary ny mpihatsaravelatsihy ka hosarahina hiala na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana, araka ny sitrapoko; ary lozan’ireo izay hosarahina hiala amin’ny fiangonako, fa ireo dia resin’izao tontolo izao.

9 Koa aoka ny olona tsirairay hitandrina fandrao izy hanao izay tsy araka ny rariny sy ny hitsiny eo anoloako.

10 Ary ankehitriny avia hoy ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy, amin’ireo loholon’ny fiangonany, ary aoka hifandahatra isika mba hahatakaranareo;

11 Aoka hifandahatra isika dia tahaka ny lehilahy iray mifandahatra amin’ny iray hafa, mifanatrika.

12 Ankehitriny, rehefa mandahatra ny lehilahy iray, dia azon’ny olona izy satria mandahatra tahaka ny olona; dia toy izany koa no handaharako Izaho Tompo aminareo mba hahatakaranareo.

13 Koa Izaho Tompo no manao aminareo izao fanontaniana izao—ho amin’ny inona no efa nanokanana anareo?

14 Mba hitory ny filazantsarako, amin’ny alalan’ny Fanahy, dia ilay Mpampionona izay nalefa hampianatra ny fahamarinana.

15 Ary avy eo dia nandray fanahy izay tsy hainareo fantarina ianareo ary noraisinareo ho avy tamin’ Andriamanitra ireny; ary amin’izany moa va voamarina ianareo?

16 Indro, ny tenanareo ihany no hamaly izany fanontaniana izany; kanefa dia ho feno famindram-po aminareo Aho; izay osa ao aminareo dia hohatanjahina rahatrizay.

17 Lazaiko aminareo marina tokoa, izay voatokako ary irahin’ny Mpampionona hitory ny tenin’ny fahamarinana araka ny Fanahin’ny fahamarinana, moa mitory izany amin’ny Fanahin’ny fahamarinana va izy sa amin’ny fomba hafa?

18 Raha amin’ny fomba hafa, dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

19 Ary ankoatra izany, izay mandray ny tenin’ny fahamarinana, moa va izy mandray izany amin’ny Fanahin’ny fahamarinana sa amin’ny fomba hafa?

20 Raha amin’ny fomba hafa, dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

21 Koa nahoana no tsy hainareo takarina sy fantarina fa izay mandray ny teny amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia mandray izany araka izay itorian’ny Fanahin’ny fahamarinana izany?

22 Koa izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly.

23 Ary izay tsy mankahery dia tsy avy amin’ Andriamanitra, sady haizina.

24 Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.

25 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, ary lazaiko izao mba hahafantaranareo ny marina ka hahazoanareo mandroaka ny haizina avy eo anivonareo;

26 Izay voatokan’ Andriamanitra ary irahina, dia izy no voatendry ho lehibe indrindra, na dia izy aza no kely indrindra sy mpanompon’ny rehetra.

27 Koa tompon’ny zava-drehetra izy; fa manoa azy ny zava-drehetra, na any an-danitra na ety an-tany, ny fiainana sy ny fahazavana, ny Fanahy sy ny hery, izay alefan’ny sitrapon’ny Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany.

28 Saingy tsy misy olona tompon’ny zava-drehetra raha tsy efa nodiovina sy nosasana tamin’ny fahotana rehetra izy.

29 Ary raha voadio sy voasasa amin’ny fahotana rehetra ianareo dia hangataka izay rehetra tianareo amin’ny anaran’i Jesoa, ary ho to izany.

30 Fa izao no fantaro, homena anareo izay hangatahinareo; ary satria voatendry ho lohany ianareo, dia hanoa anareo ireo fanahy.

31 Koa izao no zavatra hitranga fa raha mahita fanahy iray maneho ny tenany izay tsy hainareo ianareo, ary tsy raisinareo io fanahy io, dia hangataka ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa ianareo; ary raha tsy omeny anareo io fanahy io, dia hahafantatra ianareo fa tsy avy amin’ Andriamanitra izany.

32 Ary homeny anareo ny hery handresy io fanahy io; ary holazainareo amin’ny feo mafy, hanoherana io fanahy io, fa tsy avy amin’ Andriamanitra izany—

33 Tsy amin’ny fiampangana manevateva mba tsy ho resy ianareo, sady tsy amin’ny fireharehana na amin’ny fifaliana, fandrao dia ho azony ianareo.

34 Izay mandray avy amin’ Andriamanitra, dia aoka izy hihevitra izany ho avy amin’ Andriamanitra; ary aoka izy hifaly fa isain’ Andriamanitra ho mendrika ny handray.

35 Ary amin’ny fitandremana sy ny fanaovana ireto zavatra izay efa noraisinareo ireto sy izay horaisinareo rahatrizay—ary omen’ny Ray anareo ny fanjakana ary koa ny hery handresena ny zavatra rehetra izay tsy voatendriny—

36 Ary indro, lazaiko aminareo marina tokoa, sambatra ianareo izay mandre ankehitriny ireto teny ireto izay Ahy avy amin’ny vavan’ny mpanompoko, fa voavela ny fahotanareo.

37 Aoka i Joseph Wakefield mpanompoko izay tena ankasitrahako sy i Parley P. Pratt mpanompoko handeha any anivon’ny fiangonana ka hampahery azy ireny amin’ny teny fanentanana;

38 Ary koa i John Corrill mpanompoko, na rehefa mety ho mpanompoko ka efa voatokana ho amin’ity anjara fanompoana ity, ary aoka izy ireo hiasa ao amin’ny tanimboliko; ary aoka tsy hisy olona hisakana ny fanaovan’izy ireo izay efa voatendriko ho azy ireo—

39 Koa amin’ity zavatra ity dia tsy manana ny marina i Edward Partridge mpanompoko; kanefa aoka izy hibebaka dia ho voavela.

40 Indro, ianareo dia ankizy madinika ka tsy mahazaka ny zavatra rehetra ankehitriny; tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahasoavana sy ao amin’ny fahalalana ny marina ianareo.

41 Aza matahotra rankizy madinika, fa Ahy ianareo, ary Izaho efa naharesy izao tontolo izao, ary ianareo dia avy amin’ireo izay efa nomen’ny Raiko ho Ahy;

42 Ary tsy hisy ho very ireo izay efa nomen’ny Raiko ho Ahy.

43 Ary ny Raiko sy Izaho dia iray. Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko, ary raha efa nandray Ahy ianareo, dia ianareo ato Amiko ary Izaho ao aminareo.

44 Koa eo afovoanareo Aho, ary Izaho no mpiandry tsara sy vatolampin’i Isiraely. Izay manorina eo ambonin’ity vatolampy ity dia tsy hianjera na oviana na oviana.

45 Ary avy ny andro izay handrenesanareo ny feoko sy hahitanareo Ahy ary hahafantaranareo fa Izy Aho.

46 Koa miambena mba ho vonona ianareo. Izany tokoa. Amena.