Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58


Fizarana 58

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Ziona, Fivondronan’i Jackson, Missouri, ny 1 aogositra 1831. Ny maraindrainan’ny Sabata voalohany nanaraka ny fahatongavan’ny Mpaminany sy ireo mpiara-dia taminy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia nisy fanompoam-pivavahana natao ary natao batisa ny mpikambana roa. Nandritra io herinandro io no nahatongavan’ny sasany tamin’ireo Olomasin’i Colesville, avy ao amin’ny Sampan’i Thompson mbamin’ireo hafa (jereo fizarana 54). Liana ny maro ny hianatra ny sitrapon’ny Tompo momba azy ireo eo amin’ny toerana vaovao hiangonana.

1–5, Ireo izay maharitra fahoriana dia hosatrohina voninahitra; 6–12, Tokony hiomana ho amin’ny fampakarambadin’ny Zanakondry sy ny fanasana hataon’ny Tompo ny Olomasina; 13–18, Mpitsara amin’i Isiraely ny eveka; 19–23, Tokony hankatò ny lalàn’ny tany ny Olomasina; 24–29, Tokony hampiasa ny safidiny hanaovana ny tsara ny olona; 30–33, Mandidy sy manafoana ny Tompo; 34–43, Tsy maintsy mibaboka sy mahafoy ny fahotany ny olona rehefa mibebaka; 44–58, Tokony hividy ny lovany ny Olomasina ary hiangona ao Missouri; 59–65, Tsy maintsy toriana amin’ny olona rehetra ny filazantsara.

1 Mihainoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako ary mampandria sofina amin’ny teniko, ary ianaro Amiko izay sitrako momba anareo, ary koa ny momba ity tany ity izay efa nandefasako anareo.

2 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, sambatra izay mitandrina ny didiko, na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana; ary izay mahatoky amin’ny fahoriana, dia lehibe kokoa ny valisoany ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

3 Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’ Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny fahoriana be.

4 Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana. Koa avy ny andro izay hampisatrohina anareo voninahitra be; tsy mbola izao ny ora, fa efa akaiky sahady izany.

5 Tsarovy izany, izay lazaiko anareo mialoha mba hahazoanareo mametraka izany ao am-po sy mandray izao manaraka izao.

6 Indro, lazaiko aminareo marina tokoa fa izao no antony efa nandefasako anareo—mba hahatonga anareo ho mpankatò ary hahazoana manomana ny fonareo hijoro ho vavolombelon’ny zavatra izay ho avy;

7 Ary koa mba hahazoanareo voninahitra amin’ny fandatsahana ny fototra sy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny tany izay eo aminy no haorina i Zionan’ Andriamanitra;

8 Ary koa mba hahazoana manomana fanasana amin’ny hanim-py ho an’ny mahantra; eny, fanasana amin’ny zavatra matavy, amin’ny divay miaraka amin’ny faikany nefa voadio tsara, mba hahafantaran’ny tany fa tsy ho diso ny vavan’ny mpaminany;

9 Eny, nahandro ao an-tranon’ny Tompo, voaomana tsara, izay hanasana ny firenen-drehetra.

10 Voalohany ny mpanankarena sy ny mahay, ny hendry sy ny andriana;

11 Ary aorian’izany dia avy ny andron’ny heriko; amin’izay dia hiditra ao amin’ny fampakarambadin’ny Zanakondry ny mahantra, ny mandringa ary ny jamba sy ny marenina ka handray anjara amin’ny nahandron’ny Tompo, voaomana ho an’ny andro lehibe izay ho avy.

12 Indro, Izaho Tompo no efa niteny izany.

13 Ary mba hahazoan’ny tenivavolombelona miainga avy ao Ziona, eny, avy amin’ny vavan’ny tanànan’ny lova avy amin’ Andriamanitra—

14 Eny, noho izany antony izany no efa nandefasako anareo etoana, ary efa nifantenako an’i Edward Partridge mpanompoko, ka efa nanendreko ny asa fitoriana azy eo amin’ity tany ity.

15 Nefa raha tsy mibebaka amin’ny fahotany izy, izay tsy finoana sy fahajamban’ny fo, dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo.

16 Indro omena azy ny asa fitoriana ary tsy homena azy indray izany.

17 Ary na zovy na zovy no manana ity asa fitoriana ity dia voatendry ho mpitsara amin’i Isiraely, tahaka ny tamin’ny andro fahiny mba hizara ny tany izay lova avy amin’ Andriamanitra amin’ireo zanany;

18 Ary mba hitsara ny olony amin’ny alalan’ny tenivavolombelon’ny olo-marina sy amin’ny alalan’ny fanampian’ireo mpanolotsainy, araka ny lalàn’ny fanjakana, izay omen’ireo mpamin’nynin’ Andriamanitra.

19 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, hotandremana eo amin’ity tany ity ny lalàko.

20 Aoka tsy hisy olona hihevitra fa izy no mpanapaka; fa aoka kosa Andriamanitra no hanapaka izay mitsara, araka ny torohevitry ny sitrapony, na amin’ny teny hafa, izay manoro hevitra na izay mipetraka eo amin’ny toeram-pitsarana.

21 Aoka tsy hisy olona handika ny lalàn’ny tany, fa izay mitandrina ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy tokony handika ny lalàn’ny tany.

22 Koa manoava ny hery izay misy ambara-panjakany, Ilay manan-jo hanjaka, ka mampanaiky ny fahavalo rehetra eo ambanin’ny tongony.

23 Indro, ny lalàna izay efa noraisinareo tamin’ny tanako dia ny lalàn’ny fiangonana, ary ao amin’izany hazavana izany no hiheveranareo azy. Indro, izany no fahendrena.

24 Ary ankehitriny, toy izay noteneniko momba an’i Edward Partridge mpanompoko, ity tany ity dia tany fonenany sy an’ireo izay efa notendreny ho mpanolotsainy; ary koa tany fonenan’ilay efa notendreko mba hitana ny trano fitehirizako;

25 Koa, aoka izy ireo hitondra ny fianakaviany ho eo amin’ity tany ity, araka izay hifandinihan’izy ireo Amiko.

26 Fa indro, tsy mety ny hibaikoako amin’ny zava-drehetra; fa izay terena amin’ny zava-drehetra dia mpanompo kamo sady tsy hendry; koa tsy mandray valisoa izy.

27 Lazaiko marina tokoa, fa ny olona dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ka hahatonga fahamarinana fatratra;

28 Fa ao aminy ny hery izay ahafahany manao safidy ho an’ny tenany. Ary raha manao soa ny olona, dia tsy hamery mihitsy ny valisoany izy.

29 Fa izay tsy manao na inona na inona raha tsy baikoana ary mandray baiko amin’ny fo feno fisalasalana ka manatanteraka izany ao amin’ny hakamoana, dia voaheloka.

30 Zovy moa Izaho izay nanao ny olombelona, hoy ny Tompo, no hihevitra izay tsy mankatò ny didiko ho tsisy tsiny?

31 Zovy moa Izaho, hoy ny Tompo, izay efa nampanantena nefa tsy nahatanteraka?

32 Mandidy Aho nefa tsy mankatò ny olona; manafoana Aho ka tsy raisiny ny fitahiana.

33 Amin’izany dia hoy izy anakampo: Tsy asan’ny Tompo ity, satria tsy tanteraka ny fampanantenany. Nefa lozan’ny toy izany fa mamitsaka any ambany ny valisoany fa tsy avy any ambony.

34 Ary ankehitriny dia omeko anareo ireo toromarika hafa momba ity tany ity.

35 Fahendrena ao Amiko ny haha-fakatahaka an’i Martin Harris ho an’ny fiangonana, amin’ny fametrahany ny volany eo anoloan’ny evekan’ny fiangonana.

36 Ary izany koa dia lalàna ho an’ny olona tsirairay izay tonga eo amin’ity tany ity mba handray lova; ary izy dia hanao amin’ny volany araka izay andidian’ny lalàna.

37 Ary fahendrena koa ny tokony hividianana tany ao Independence, ho toerana ho an’ny trano fitehirizana, ary koa ho an’ny trano fanontana printy.

38 Ary ireo toromarika hafa momba an’i Martin Harris mpanompoko dia homen’ny Fanahy azy, mba hahazoany mandray ny lovany araka izay heveriny ho tsara;

39 Ary aoka izy hibebaka amin’ny fahotany, fa mitady ny fideran’izao tontolo izao izy.

40 Ary aoka koa i William W. Phelps mpanompoko hanefa ny anjara fanompoana izay efa nanendreko azy ary handray ny lovany amin’ny tany;

41 Ary mila mibebaka koa izy, satria Izaho Tompo dia tsy mankasitraka azy fa mitady ny ho ambony izy, ary tsy ampy ny fanetrentenany eo anoloako.

42 Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.

43 Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany.

44 Ary ankehitriny, lazaiko marina tokoa, momba ny ambiny amin’ireo loholon’ny fiangonako, dia tsy mbola tonga ho azy ireo ny fotoana handraisany ny lovany amin’ity tany ity alohan’ny taona maro, raha tsy hoe maniry izany amin’ny alalan’ny fivavaky ny finoana izy ireo, ary araka izay hanendren’ny Tompo izany amin’izy ireo.

45 Fa indro, izy ireo no hanosika ny olona miaraka avy any am-paran’ny tany.

46 Koa miaraha mivory ianareo; ary ireo izay tsy voatendry ny hijanona eo amin’ity tany ity, dia aoka izy ireo hitory ny filazantsara amin’ny faritra manodidina; ary rehefa izany, dia aoka izy ireo hiverina any an-tokantranony.

47 Aoka izy ireo hitory eny an-dalana ary ho vavolombelona hanambara ny fahamarinana amin’ireo toerana rehetra ka hiantso ny manan-karena, ny ambony sy ny ambany ary ny mahantra hibebaka.

48 Ary aoka izy ireo hanorina fiangonana arakaraka ny hibebahan’ny mponin’ny tany.

49 Ary aoka hisy mpandraharaha iray hotendrena amin’ny alalan’ny feon’ny fiangonana ho an’ny fiangonana ao Ohio, mba handray ny vola hividianana ny tany ao i Ziona.

50 Ary omeko an’i Sidney Rigdon mpanompoko ny didy hanoratany filazalazana momba ny tanin’i Ziona sy lahatsoratra iray momba ny sitrapon’ Andriamanitra, araka izay hampahafantarin’ny Fanahy azy;

51 Ary koa ny taratasy fandrotsaham-bola haseho ny fiangonana rehetra hahazoam-bola hatao eo an-tanan’ny eveka, na ny tenany ihany na ny mpandraharaha, araka izay heveriny fa tsara na araka izay torohevitra homeny, mba hividianana tany ho lovan’ireo zanak’ Andriamanitra.

52 Fa indro, lazaiko aminareo marina tokoa, tian’ny Tompo ny hanokafan’ireo mpianatra sy ny zanak’olombelona ny fon’izy ireo, mba hividy ity faritra manontolo amin’ny tany ity raha vantany vao mamela izany ny fotoana.

53 Indro, eto ny fahendrena. Aoka izy ireo hanao izany fandrao tsy handray lova izy ireo raha tsy amin’ny fandatsahan-dra.

54 Ary ankoatra izany, raha misy tany azo, dia aoka hisy mpiasa isan-karazany halefa eo amin’izany tany izany mba hiasa ho an’ny olomasin’ Andriamanitra.

55 Aoka ireo zavatra rehetra ireo hatao amim-pilaminana; ary aoka ny tombontsoa momba ny tany hampahafantarin’ny eveka na ny mpandraharahan’ny fiangonana ombieny ombieny.

56 Ary aoka ny asa momba ny fanangonana tsy hatao ao amin’ny firotorotoana, na ny fandosirana; fa aoka izany hatao araka izay hatoron’ireo loholon’ny fiangonana amin’ny fihaonambe, araka ny fahalalana izay raisiny ombieny ombieny.

57 Ary aoka i Sidney Rigdon mpanompoko hanokana sy hanendry ity tany ity sy ny faritra ho an’ny tempoly, ho an’ny Tompo.

58 Ary aoka hatao ny fivorian’ny fihaonambe; ary aorian’izany dia aoka ny mpanompoko isany, i Sidney Rigdon sy i Joseph Smith zanany hiverina, ary hiaraka amin’izy ireo koa i Oliver Cowdery, mba hamita ny ambiny amin’ny asa izay efa notendreko ho azy ireo any amin’ny taniny ihany, ary ny ambiny araka izay hanapahan’ny fihaonambe azy.

59 Ary aoka tsy hisy olona hiverina avy amin’ity tany ity raha tsy efa mijoro ho vavolombelon’izay fantany ary tena inoany marina tokoa eny an-dalana.

60 Aoka izay efa natolotra an’i Ziba Peterson halaina aminy; ary aoka izy hijanona ho mpikambana amin’ny fiangonana ary hiasa amin’ny tanany ihany miaraka amin’ireo rahalahy ambara-pahampy ny famaizana azy noho ny fahotany rehetra; fa tsy mibaboka izany izy ary mihevitra ny hanafina izany.

61 Aoka ny ambiny amin’ireo loholon’ity fiangonana ity, izay tonga eo amin’ity tany ity, izay ny sasany aminy dia tahina mihoa-pampana, hanao fihaonambe koa eo amin’ity tany ity.

62 Ary aoka i Edward Partridge mpanompoko hitarika ny fivoriana izay hataon’izy ireo.

63 Ary aoka hiverina koa izy ireo, sady hitory ny filazantsara eny an-dalana no hijoro ho vavolombelon’ireo zavatra ambara amin’izy ireo.

64 Satria marina tokoa fa tsy maintsy miala avy eo amin’ity toerana ity ny feo ka mankany amin’izao tontolo izao ary hatrany amin’ny faran’ny tany—tsy maintsy toriana amin’ny olona rehetra ny filazantsara, miaraka amin’ireo famantarana izay hanaraka izay mino.

65 Ary indro avy ny Zanak’Olona. Amena.