Fanampiana amin’ny fandalinana
Faneken’ny Rehetra


Faneken’ny Rehetra

Fitsipika izay anohanan’ny mpikambana amin’ny Fiangonana an’ireo voantso hanompo ao amin’ny Fiangonana, mbamin’ireo fanapahan-kevitra hafa an’ny Fiangonana ka mila ny fanohanany ary aseho araka ny mahazatra amin’ny fananganana ny tanana ankavanana.

Jesoa Kristy no mijoro ho lohan’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina no itantanany an’ireo mpitondra ny Fiangonana amin’ny asa na fanapahan-kevitra lehibe. Ny mpikambana rehetra anefa dia manana zo sy tombontsoa hanohana na tsia ny asa sy ny fanapahan-kevitr’ireo mpitondra azy.