Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93


Fizarana 93

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio ny 6 mey 1833.

1–5, Ireo rehetra izay mahatoky dia hahita ny Tompo; 6–18, Vavolombelona nanambara i Jaona fa ny Zanak’ Andriamanitra dia nitombo tao amin’ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray; 19–20, Ireo olona mahatoky izay mitombo ao amin’ny fahasoavana miampy fahasoavana dia handray koa amin’ny fahafenoany; 21–22, Ireo izay ateraka amin’ny alalan’i Kristy no Fiangonan’ny Lahimatoa; 23–28, Nandray ny fahafenoan’ny fahamarinana rehetra i Kristy, ary afaka manao toy izany ny olona amin’ny alalan’ny fankatoavana; 29–32, Niaraka tamin’ Andriamanitra ny olona tany am-piandohana; 33–35, Ny singa dia maharitra mandrakizay ary afaka handray ny fahafenoan’ny fifaliana ny olona amin’ny Fitsanganana amin’ny maty; 36–37, Ny voninahitr’ Andriamanitra dia faharanitan-tsaina; 38–40, Tsy manan-tsiny eo anoloan’ Andriamanitra ny ankizy noho ny fanavotan’i Kristy; 41–53, Fandidiana ireo rahalahy mpitarika handaminany ny fianakaviany.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: Izao no hitranga, ny olona tsirairay, izay mahafoy ny fahotany ka manatona Ahy ary miantso ny anarako sy mankatò ny feoko ary mitandrina ny didiko, dia hahita ny tavako ary hahafantatra fa Izy Aho;

2 Ary hahafantatra fa Izaho no fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao;

3 Ary Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko ary ny Ray sy Izaho dia iray—

4 Ny Ray, satria nomeny tamin’ny fahafenoany Aho, ary ny Zanaka, satria teo amin’izao tontolo izao Aho ary nanao ny nofo ho tabernakeliko sy nitoetra teo anivon’ny zanak’olombelona.

5 Teo amin’izao tontolo izao Aho ary nandray avy tamin’ny Raiko, ary niharihary mazava tsara ny asany.

6 Ary i Jaona dia nahita ary vavolombelona nanambara ny amin’ny fahafenoan’ny voninahitro, ary ny fahafenoan’ny rakitsoratr’i Jaona dia hambara rahatrizay.

7 Ary izy dia vavolombelona nanambara, nanao hoe: Nahita ny voninahiny Aho, fa Izy dia tany am-piandohana, talohan’ny nahariana izao tontolo izao;

8 Koa tany am-piandohana dia nisy ny Teny, fa Izy no Teny, dia ny iraky ny famonjena—

9 Ny fahazavana sy ny Mpanavotra izao tontolo izao; ny Fanahin’ny fahamarinana izay tonga teo amin’izao tontolo izao, satria Izy no nanaovana izao tontolo izao, ary tao Aminy no nisian’ny fiainan’ny olona sy ny fahazavan’ny olona.

10 Izy no nanaovana ireo tontolo; Izy no nanaovana ny olona; tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no nanaovana ny zava-drehetra.

11 Ary izaho Jaona dia vavolombelona manambara fa hitako ny voninahiny, toy ny voninahitry ny Lahitokan’ny Ray, feno fahasoavana sy fahamarinana, dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay tonga sy nonina tao amin’ny nofo ary nonina teo anivontsika:

12 Ary izaho Jaona dia nahita fa tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana Izy fa nandray fahasoavana niampy fahasoavana;

13 Ary tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana Izy fa nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana;

14 Ary dia toy izany no niantsoana Azy ho Zanak’ Andriamanitra, satria tsy nandray ny fahafenoana hatramin’ny voalohany Izy.

15 Ary izaho Jaona dia vavolombelona manambara, ary indro, nisokatra ny lanitra ary ny Fanahy Masina dia nidina teo Aminy tamin’ny endriky ny voromahailala ary nitoetra teo Aminy, ary nisy feo nivoaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako.

16 Ary izaho Jaona dia vavolombelona manambara fa nandray ny fahafenoan’ny voninahitry ny Ray Izy;

17 Ary nandray ny hery rehetra Izy na any an-danitra na ety an-tany, ary ny voninahitry ny Ray dia nomba Azy, satria nitoetra tao Aminy Izy.

18 Ary izao no zavatra hitranga fa raha mahatoky ianareo dia handray ny fahafenoan’ny rakitsoratr’i Jaona.

19 Omeko anareo ireo teny ireo hahazoanareo mahatakatra sy mahafantatra ny fomba ivavahanareo sy izay ivavahanareo, mba hahazoanareo manatona ny Ray amin’ny anarako ary mandray amin’ny fahafenoany amin’ny fotoana mahamety izany.

20 Fa raha mitandrina ny didiko ianareo dia handray amin’ny fahafenoany ary hankalazaina ao Amiko, tahaka Ahy ao amin’ny Ray; koa lazaiko aminareo, handray fahasoavana miampy fahasoavana ianareo.

21 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, Izaho dia niaraka tamin ny Ray tany am-piandohana sady ny Lahimatoa;

22 Ary ireo rehetra izay ateraka amin’ny alalako dia mpandray anjara amin’ny voninahitro ary isan’ny fiangonan’ny Lahimatoa.

23 Ianareo dia niaraka koa tamin’ny Ray tany am-piandohana, dia Fanahy, ny Fanahin’ny fahamarinana;

24 Ary ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy;

25 Ary izay rehetra mihoatra na latsaka izany dia fanahin’ilay ratsy izay mpandainga hatrany am-piandohana.

26 Ny Fanahin’ny fahamarinana dia avy amin’ Andriamanitra. Izaho no fanahin’ny fahamarinana ary i Jaona dia vavolombelona nanambara Ahy, nanao hoe: Izy dia nandray ny fahafenoan’ny fahamarinana, eny, ny fahamarinana rehetra;

27 Ary tsy nisy olona nandray ny fahafenoana, raha tsy mitandrina ny didiny izy.

28 Izay mitandrina ny didiny dia mandray fahamarinana sy fahazavana ambara-pahatonga azy hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.

29 Niaraka tamin’ Andriamanitra koa ny olombelona tany am-piandohana. Ny faharanitan-tsaina na ny fahazavan’ny fahamarinana dia tsy nohariana na natao sady tsy mety ho izany marina tokoa.

30 Ny fahamarinana rehetra dia mahaleo tena ao amin’ilay sehatra efa nametrahan’ Andriamanitra azy mba hihetsika ho azy, toy izany koa ny faharanitan-tsaina rehetra; fa raha tsy izany dia tsy misy ny fisiana.

31 Indro, izany no fahafaha-misafidy ho an’ny olona ary izany no fanamelohana ny olona; satria izay nisy hatrany am-piandohana dia aseho azy mazava tsara, ary tsy mandray ny fahazavana izy.

32 Ary ny olona rehetra izay tsy mandray ny fahazavana ny fanahiny dia eo ambany fanamelohana.

33 Fa ny olona dia fanahy. Ireo singa dia mandrakizay, ka ny fanahy sy ny singa mifamatotra tsy azo sarahina dia mandray ny fahafenoan’ny fifaliana;

34 Fa rehefa misaraka kosa izany, dia tsy afaka ny handray ny fahafenoan’ny fifaliana ny olona.

35 Ireo singa no tabernakelin’ Andriamanitra; eny, ny olona no tabernakelin’ Andriamanitra, dia tempoly; ary rehefa mety ho tempoly ka voaloto, dia horavan’ Andriamanitra izany tempoly izany.

36 Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina, na amin’ny teny hafa, fahazavana sy fahamarinana.

37 Ny fahazavana sy ny fahamarinana dia mahafoy ny ratsy.

38 Ny fanahin’ny olona rehetra dia tsy nanan-tsiny tany am-piandohana; ary rehefa nanavotra ny olona tamin’ny fahalavoana Andriamanitra dia niverina indray tany amin’ny toetry ny fahazazany ny olona, tsy nanan-tsiny teo anoloan’ Andriamanitra.

39 Ary tonga ilay ratsy ka manaisotra amin’ny zanak’olombelona ny fahazavana sy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny tsy fankatoavana sy noho ny fomban-drazany.

40 Saingy efa nodidiako ianareo hitaiza ny zanakareo ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana.

41 Nefa lazaiko aminao marina tokoa ry Frederick G. Williams mpanompoko, efa nitozo teo ambanin’izany fanamelohana izany ianao;

42 Tsy nampianarinao fahazavana sy fahamarinana araka ny didy ny zanakao; ary ilay ratsy dia mbola manana hery aminao, ary izany no anton’ny fahorianao.

43 Ary ankehitriny, dia omeko didy ianao—raha tianao ny ho afaka dia handamin’ny ny ankohonanao ianao, satria misy zavatra maro izay tsy marina ao amin’ny ankohonanao.

44 Lazaiko marina tokoa amin’i Sidney Rigdon mpanompoko fa tamin’ny zavatra sasany dia tsy nitandrina ny didy momba ny zanany izy; koa alamino aloha ny ao amin’ny ankohonanao.

45 Lazaiko marina tokoa amin’i Joseph Smith zanany mpanompoko, na amin’ny teny hafa hantsoiko hoe sakaiza ianareo, satria ianareo no sakaizako ary hanana lova miaraka Amiko—

46 Nantsoiko hoe mpanompo ianareo noho ny amin’izao tontolo izao ary mpanompony ianareo noho ny Amiko—

47 Ary ankehitriny dia lazaiko amin’i Joseph Smith zanany marina tokoa—Tsy nitandrina ny didy ianao ary tsy maintsy ilaina ny fananarana anao eo anoloan’ny Tompo;

48 Tsy maintsy mibebaka ny fianakavianao ka mahafoy ireo zavatra sasany ary mampandry sofina bebe kokoa amin’ny teninao fa raha tsy izany dia esorina hiala eo amin’ny toerany.

49 Izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra; mivavaha mandrakariva fandrao hanana hery aminareo ilay ratsy ka hanaisotra anareo hiala amin’ny toeranareo.

50 Newel K. Whitney mpanompoko sady evekan’ny fiangonako dia tokony hanarina sy handamin’ny ny ankohonany koa ka hanao izay hahatonga azy ireo hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano ary hivavaka mandrakariva fa raha tsy izany dia hoesorina hiala amin’ny toerany izy ireo.

51 Ankehitriny dia lazaiko aminareo ry sakaizako, aoka i Sidney Rigdon mpanompoko hanezaka ny diany sy hiolomay ary hanambara koa ny taom-pankasitrahan’ny Tompo sy ny filazantsaran’ny famonjena araka izay hanomezako vava azy; ary amin’ny fivavaky ny finoana izay hataonareo amin’ny fo miray no hanohanako azy.

52 Ary aoka ny mpanompoko isany, i Joseph Smith zanany sy i Frederick G. Williams hiolomay koa, ary homena izy ireo araka ny fivavaky ny finoana; ary raha mitandrina ny teniko ianareo dia tsy hangaihay na eo amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy.

53 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, fa sitrako ny hanafaingananareo ny fandikana ny soratra masina sy ny hahazoana fahalalana momba ny tantara sy ireo tany ary fanjakana, ny lalàn’ Andriamanitra sy ny olona, ary izany rehetra izany dia ho famonjena an’i Ziona. Amena.