Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Apôkalipsy 12


DJS, Apôkalipsy 12:1–17. Ampitahao amin’ny Apôkalipsy 12:1–17

Hazavain’i Jaona hoe tandindon’ny inona ilay vehivavy, ilay zaza, ny tehim-by, ny dragona ary i Mikaela. Ilay ady izay nanomboka tany an-danitra dia mitohy ety an-tany. Jereo ilay fanovana ireo andininy mifanesy ao amin’ny DJS.

1 Ary nisy famantarana lehibe niseho tany an-danitra, nanam-pitoviana tamin’ny zavatra ety an-tany; dia vehivavy iray notafiana masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ny tongony ary eo ambonin’ny lohany ny satroboninahitra nisy kintana roa ambin’ny folo.

2 Ary bevohoka ravehivavy ka mitaraina fa mihetsi-jaza sady marary efa hiteraka.

3 Ary izy dia niteraka zazalahy izay hanapaka ny firenena rehetra amin’ny tehim-by; ary ny zanany dia nakarina ho any amin’ Andriamanitra sy ny sezafiandrianany.

4 Ary nisy famantarana iray hafa niseho teny amin’ny lanitra; ary indro, ny dragona mena lehibe nanana loha fito sy tandroka folo ary satroboninahitra fito teo amin’ny lohany. Ary nisarika ny ampahatelon’ny kintana amin’ny lanitra ny rambony ka nanjera ireny tamin’ny tany. Ary ilay dragona dia nijoro teo anoloan-dravehivavy izay efa teraka, vonona ny handrapaka ny zanany taorian’ny nahaterahany.

5 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-tany foana, fa tany izy no nanana toerana efa nomanin’ Andriamanitra mba hameloman’izy ireo azy mandritra ny enimpolo amby roanjato sy arivo taona.

6 Ary nisy ady tany an-danitra; niady tamin’ilay dragona i Mikaela sy ny anjeliny; ary ilay dragona sy ny anjeliny niady tamin’i Mikaela;

7 Ary ilay dragona dia tsy naharesy an’i Mikaela, na ilay zaza, na ravehivavy izay fiangonan’ Andriamanitra, izay efa nafahana tamin’ny fanaintainany ary niteraka ny fanjakan’ Andriamanitra sy i Kristiny.

8 Ary tsy nisy toerana tany an-danitra ho an’ilay dragona lehibe izay noroahina hiala; ilay menarana ela atao hoe ny devoly ary atao koa hoe i Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; nazera tamin’ny tany izy ary niara-nazera taminy ny anjeliny.

9 Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Tonga ankehitriny ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakan’ Andriamanitsika sy ny fahefan’i Kristy;

10 Fa ilay mpiampanga ny rahalahintsika dia efa voazera, izay niampanga azy ireo andro aman’alina teo anoloan’ Andriamanitsika.

11 Fa izy ireo dia efa nandresy azy tamin’ny ran’ny Zanakondry sy tamin’ny tenin’ny tenivavolombelony; fa tsy nankamamy ny ainy izy ireo fa nitandrina kosa ny tenivavolombelona na dia hatrany amin’ny fahafatesana aza. Koa mifalia Ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy.

12 Ary taorian’ireo zavatra ireo, dia nandre feo iray hafa aho nanao hoe: Lozan’ny mponin’ny tany, eny, sy ireo izay monina eo amin’ireo nosin-dranomasina! fa nidina ho eo aminareo ny devoly izay manana fisafoahana lehibe, satria fantany fa tsy manana afa-tsy fotoana fohy izy.

13 Fa nony nahita ilay dragona fa efa voazera tamin’ny tany izy, dia nenjehiny ilay vehivavy izay niteraka zazalahy.

14 Koa ravehivavy dia nomena ny ela-droan’ny voromahery mba hahazoany mandositra ny tavan’ilay menarana ka hankanesany any an’efitra, any amin’ny toerany izay amelomana azy mandritra ny fotoana iray sy fotoana roa ary antsasa-potoana.

15 Ary ilay menarana dia namoaka rano tamin’ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy mba hahatonga azy hindaosin’ny riaka.

16 Dia nanampy an-dravehivavy ny tany, ary nanokatra ny vavany ny tany ka nitelina ny riaka izay navoakan’ny vavan’ilay dragona tamin’ny vavany.

17 Koa nisafoaka tamin-dravehivavy ilay dragona ka nandeha niady tamin’ny taranany sisa izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy manana ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy.