Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Apôkalipsy 2


DJS, Apôkalipsy 2:22. Ampitahao amin’ny Apôkalipsy 2:22

Atsipy any amin’ny helo ny olon-dratsy.

22 Indro, Izaho hanipy azy any amin’ny helo, ary ireo izay nijangajanga taminy any amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy mibebaka amin’ny ataony izy ireo.

DJS, Apôkalipsy 2:26–27. Ampitahao amin’ny Apôkalipsy 2:26–27

Ireo izay mandresy an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’i Kristy dia hitondra fanjakana amim-pinoana sy araka ny hitsiny sy ny rariny any amin’ny tontolo ho avy.

26 Ary izay maharesy, sy mitandrina ny didiko hatramin’ny farany, dia homeko fahefana amin’ny fanjakana maro;

27 Ary hitondra azy ireo amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra izy; ary ho eo an-tanany izy ireo toy ny vilany tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ary hitondra azy ireo amin’ny finoana, amin’ny rariny sy hitsiny izy, toy ny nandraisako avy tamin’ny Raiko.