Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Apôkalipsy 1


DJS, Apôkalipsy 1:1–8. Ampitahao amin’ny Apôkalipsy 1:1–8

Nandray ireo faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsy i Jaona Apôstôly. Novangian’i Jesoa Kristy sy ny anjely iray izy.

1 Ny fanambarana noraisin’i Jaona, mpanompon’ Andriamanitra, izay nomen’i Jesoa Kristy azy, hanehoana amin’ireo mpanompony ny zavatra izay tsy maintsy hitranga tsy ho ela, fa Izy dia nampaniraka sy nampahafantatra tamin’ny alalan’ny anjeliny ho an’i Jaona mpanompony,

2 Izay vavolombelona nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy ary ny zavatra rehetra izay hitany.

3 Sambatra ireo izay mamaky sy ireo izay mihaino ary mahazo ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina ireo zavatra izay voasoratra ao, fa ny fotoan’ny fiavian’ny Tompo dia manakaiky.

4 Ankehitriny dia izao no tenivavolombelon’i Jaona ho an’ny mpanompo fito izay manerana ny fiangonana fito any Azia. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay misy sy nisy ary ho avy; izay efa naniraka ny anjeliny avy teo anoloan’ny seza fiandrianany mba ho vavolombelona hanambara amin’ireo izay mpanompo fito manerana ny fiangonana fito.

5 Noho izany, izaho Jaona, vavolombelona mahatoky, dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra nambaran’ny anjely tamiko, sy avy tamin’i Jesoa Kristy ilay lahimatoa amin’ny maty ary ny Mpanjakan’ny mpanjaka amin’ny tany.

6 Ary voninahitra anie ho an’ilay tia antsika; ilay nanasa ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra Rainy. Ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.

7 Fa indro Izy avy amin’ny rahona miaraka amin’ny olomasiny an’aliny ao amin’ny fanjakana, mitafy ny voninahitry ny Rainy. Ary ny maso rehetra hahita Azy; ary ireo izay nandefona Azy sy ny firenena rehetra dia hitomany Azy. Izany tokoa. Amena.

8 Fa hoy izy: Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, ny Tompo, ilay ankehitriny sy ilay taloha ary ilay ho avy, dia ny Tsitoha.