2014
Ekipam-pianakaviana
Oktobra 2014


Ekipam-pianakaviana

Mipetraka any Alberta, Canada ny mpanoratra.

Mora kokoa ny mandresy rehefa miara-miasa ny tsirairay.

“Nous aidons tous avec joie” (Chants pour les enfants, 108).

Nisento i Ammon rehefa nandao ny lalao baolina kitra izy sy ny rainy. “Tsy azoko mihitsy,” hoy izy. “Manana mpilalao maro tena mahay izahay. Fa maninona izahay no tsy mahafaty baolina mihitsy?”

Mpilalao baolina kitra mahay i Dada. Mety afaka hanampy izy.

“Raha ny hevitro dia tokony hianatra ny hiara-hiasa ho toy ny ekipa iray ianareo,” hoy i Dada. “Samy te hamono baolina avokoa ianareo, sa tsy izany?”

“Eny,” hoy i Ammon. “Saingy tsy afaka ny ho ilay iray hamono baolina avokoa izahay rehetra. Izay ve no tianao holazaina?”

Nanaiky i Dada. “Tsy afaka mamono baolina samirery ianao. Voalohany dia mila maka ilay baolina any amin’ilay ekipa hafa ny vodilaharana, sa tsy izany?”

Nihomehy i Ammon. “Ho sarotra tokoa ny hamono baolina raha tsy eny aminao ilay baolina.”

“Marina izany,” hoy i Dada. “Dia omen’ny vodilaharana ny olona iray izay afaka mamono baolina izany avy eo. Tsy misy afaka manao izany samirery.”

“Izay mihitsy,” hoy i Ammon.

Rehefa tonga tany an-trano izy ireo dia nitrotro ilay zazakely i Neny teo am-pandrahoany ny sakafo hariva. “Nanao ahoana ny lalao?” hoy izy nanontany.

“Resy indray izahay,” hoy i Ammon. “Fa hanao tsaratsara kokoa izahay amin’ny manaraka.”

“Fihetsika tsara izany,’ hoy i Neny.

“Noana mafy aho izany!” hoy i Miguel nivazavaza rehefa nihazakazaka niditra ny trano izy sy i Samuel ary i Lucas.

“Afaka manampy ahy hanomana ny latabatra ve ianareo ry zanako lahy ary mampirina ireo kilalao? Hoy i Neny nanontany.

Nimenomenona avokoa izy efa-dahy.

“Ka tsy izaho no nilalao an’ireo kilalao ireo,” hoy i Samuel.

“Ela be izany vao ho vita ka!” hoy i Miguel nivazavaza.

Nihomehy i Dada. “Manana olana tahaka ny an’ny ekipan’i Ammon ny fianakaviantsika.”

“Inona izany?” hoy i Samuel nanontany.

“Tsy miara-miasa isika,” hoy i Ammon. “Samy te hamono baolina amin’ny fihinanan-kanina daholo isika rehetra. Kanefa asaintsika ataon’i Neny daholo izany.”

“Marina izany!” hoy i Dada. “Ahoana no ahafahantsika miasa toy ny ekipa iray?”

Nahita hevitra i Ammon. “Maninona moa raha omaninay sy Samuel ny latabatra? Dia afaka manangona ireo kilalao ny hafa.”

“Hevitra tsara izany!” hoy i Dada.

Vetivety dia vonona ny sakafo hariva. Namoritra ny tanany i Ammon mba hivavaka. Faly izy fa niara-niasa toy ny ekipa ny fianakaviany. Niriany raha mba afaka nanao toy izany koa ny ekipany amin’ny lalao baolina kitra.

Sary nataon’i Mark Jarman