2014
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
Oktobra 2014


Fanovozan-kevitra ho an’ny Takarivan’ny Mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

“Tantaram-pianakaviana—Manao Izany Aho,” pejy 58: Manaova fiaraha-mientana iray izay hanoratana ao anaty diary! Amporisiho ny olona ao anatin’ny fianakaviana mba hirakitra an-tsoratra izay zavatra mikasika ny fiainany—ireo fahatsiarovana izay niseho taona maro lasa na zavatra nitranga tamin’izy ireo tamin’izany andro izany. Ampio ny fianakavianao mba hahatakatra fa misy fomba maro hanaovana ny diary. Azony atao soratanana na soratana amin’ny alalan’ny solosaina na ataony sary ny zavatra tiany horaketina na azony raketina amin’ny alalan’ny vata fandraisam-peo ny feony eo am-pitantarana tantara. Amporisiho ny fianakavianao mba hanohy hirakitra zavatra matetika ao amin’ny diariny.

“Mianatra bebe kokoa Mikasika ny Zavatra Miandry,” pejy 64: Manaova fiaraha-mientana mba hiomanana amin’ny asa fitoriana toy ny nataon’ilay paroasy tany Norvège. Azonao ampianarina ireo zavatra izay nampianarin’izy ireo—toy ny hoe ahoana no hanombohana resadresaka momba ny filazantsara na ahoana no fomba fipasohana lobaka fotsy—na azonao atao ny mifantoka amin’ny fahaiza-manao hafa izay eritreretinao fa ho tombontsoan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao rehefa any amin’ny sahan’ny misiona.

Amin’ny fiteninao

Ny Liahona sy ny fitaovan’ny Fiangonana hafa dia misy amin’ny fiteny maro ao amin’ny languages.lds.org.