2014
Ny Pejintsika
Oktobra 2014


Ny Pejintsika

Indray andro, fotoana fohy talohan’ny hanaovana batisa ahy, dia tao an-tranon’ny renibeko aho rehefa nandeha tao amin’ny lakavy izy mba haka zavatra. Tafintohina izy dia nianjera ka tsy afaka nitsangana. Niantso ahy izy saingy nijery fahitalavitra aho ka tsy naheno azy. Rehefa afaka 10 minitra teo dia nahare ny anarako voatonona tamin’ny feo tony aho hoe “Tom!” Nandeha nitady azy aho dia nahita azy nitsirara teo amin’ny tany. Tsy mbola nanana ny tanjaka hanampiana azy hiarina aho ka dia nandeha nihazakazaka nankany an-tranon’ny mpifanolobodirindrina taminy. Tonga izy ka nanampy an’i Bebe mba hitsangana.

Hoy i Bebe tamiko hoe “Tom a! ny Fanahy Masina izany renao izany. Nifanalavitra loatra ny toerana nisy antsika ka tsy ho renao mihitsy aho.

Fantatro fa ny Fanahy Masina no nibitsika tamiko. Ankehitriny aho dia vita batisa ary faly aho fa manana ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Tom R., 8 taona, Allemagne

Natalia A., 10 taona, Colombie

I Olivia I., izay 8 taona avy any Roumanie dia tia manampy ny reniny manadio trano. Ampianarin’ny reniny izy sy ny 13 amin’ny namany, ka rehefa maka rivotra izy ireo dia tiany ny mody manao mpampianatra. Tia manao dia lavitra miaraka amin’ny ray aman-dreniny sy miaraka amin’ny ray aman-drenibeny izy. Nahatsapa ho tena akaiky ny Ray any an-danitra izy rehefa natao batisa ary feno fankasitrahana izy fa afaka manana ny Fanahy Masina hanampy azy handray fanapahan-kevitra. Ny hiran’ny Kilonga tiany indrindra dia ny “Suis les prophètes” (Chants pour les Enfants, 58).

Liu C., 7 taona, Équateur

I Thierry M., izay 7 taona avy ao Brésil dia tia manatrika ao amin’ny Kilonga sy mihira ny fihirana. Fantany fa tranon’ny Tompo ny tempoly.

Tiako ny mandeha miangona miaraka amin’ny fianakaviako sy mianatra momba an’i Jesoa Kristy. Tiako ny mamaky sy mianatra momba ireo tantara ao amin’ny soratra masina ary mihira ny hira ao amin’ny fihirana sy manao kilalao any an-trano mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Mitahy ny fianakaviako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary mitondra fifaliana ho ahy. Notolorako Bokin’i Môrmôna ny telo tamin’ireo mpampianatro tany am-pianarako ary ny fianakavian’i Miguel izay namako akaiky indrindra.

Martim P., 6 taona, Portugal