2014
Ahoana no Hahazoana Tanjaka sy Fahombiazana
Oktobra 2014


Ahoana no Hahazoana Tanjaka sy Fahombiazana

Notsongaina tao amin’ny takariva amorom-patana tao Brigham Young University izay natao tamin’ny 2 Martsa 1997.

Ny sasany aminareo dia mahafantatra izay tianareo hahatongavana sy ny tianareo hatao mandritra ny fiainanareo, ary ny sasany aminareo dia tsy mahafantatra izany. Ny sasany aminareo dia toa manana fitahiana marobe sy safidy tena tsara marobe manoloana anareo. Ny sasany aminareo dia mahatsapa, ao anatin’ny fotoana fohy sy noho ny antony na inona izany na inona, ho niangaran’ny vintana ary vitsy kokoa ny lalana mahasarika izay mitomandavana avy hatrany eo anoloanareo.

Kanefa na iza ianareo na iza ary na aiza na aiza no misy anareo eo am-pikatsahanareo ny lalanareo eo amin’ny fiainana dia manolotra ho anareo ny “lalana sy fahamarinana ary fiainana” aho (Jaona 14:6). Na aiza na aiza ny toerana heverinareo fa handehananareo dia mangataka anareo aho mba ny “hankany Aminy” (jereo ny Matio 11:28–30) no ho ilay dingana voalohany tsy maintsy atao hahatongavana any, amin’ny fitadiavana ny fahasambaranareo sy ny tanjakareo ary ny fahombiazan’ny tenanareo manokana.

Tamin’ny fotoana nandrenesan’i Andrea sy i Filipo an’i Kristy niteny voalohany dia nihetsi-po tokoa izy ireo, talanjona tsy nisy toy izany ka dia nanaraka Azy izy ireo rehefa nandao ny vahoaka Izy. Rehefa nahatsapa i Kristy fa nisy nanaraka dia nitodika Izy ary nanontany ireo lehilahy roa nanao hoe “Inona no tadiavinareo?” (Jaona 1:38).

Namaly izy ireo hoe “Aiza Hianao no mitoetra?” na “Aiza Hianao no mipetraka?”

Dia hoy i Kristy hoe “Avia fa ho hitanareo.” Fotoana fohy monja taorian’izay Izy dia niantso tamin’ny fomba ôfisialy an’i Petera sy ny sasany tamin’ireo Apôstôly vaovao hafa tamin’ny fanasana mitovy manao hoe “Andeha hanaraka Ahy” (jereo ny Matio 4:19).

Amiko dia toy ny hoe afaka ny ho hita ao amin’ireo zavatra roa fohy ao anatin’ireo trangan-javatra fanombohana ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany ireo ny lanja fototry ny fiainantsika. Ny zavatra iray dia ilay fanontaniana ho antsika tsirairay avy hoe “Inona no tadiavinareo?” Ny faharoa dia ny valinteniny mahakasika ny fomba hahazoana izany. Na iza isika na iza, ary na inona na inona ireo olantsika dia mitovy hatrany ny valinteniny mandrakizay: “Andeha hanaraka Ahy.” Andao jereo ny zavatra ataoko sy ny fomba handaniako ny fotoako. Mianara Amiko, araho Aho, ary ao anatin’izany dingana izany dia hovaliako ny vavakareo ary omeko fitsaharana ny fanahinareo.

Ry namana sy zandry malalako, tsy mahafantatra lalana hafa aho izay hahombiazanareo na hahasambatra anareo na hiarovana anareo amin’ny loza. Tsy mahafantatra lalana hafa aho izay hahafahanareo mitondra ny enta-mavesatrareo na hahitana ilay nantsoin’i Jakôba hoe “fahasambarana izay efa voaomana ho an’ny olomasina” (2 Nefia 9:43). Izay no antony hanaovantsika fanekempihavanana matotra mifototra amin’ny sorompanavotan’i Kristy, ary izay no antony hitondrantsika ny Anarany eo amintsika.

I Jesoa no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra Velona. Ity no Fiangonany marina sy velona. Maniry antsika ho any Aminy Izy, hanaraka Azy mba hampiononiny. Dia maniry antsika hampionona ny hafa Izy avy eo. Enga anie isika ka hanana finoana ampy mba hanaiky ny hatsaran’Andriamanitra sy ny famindram-pon’ny Zanany Lahitokana. Enga anie isika ka hanatona Azy sy ny Filazantsarany dia ho sitrana.