2014
Poizina Tena Mahasarika
Oktobra 2014


Poizina Tena Mahasarika

Alison L. Randall, Utah, Etazonia

Sary
illustration of ants in a garden

Raha nivoaka ny varavarana fidirana aho mba haka gazety dia nahita zavatra tsy dia tsara jerena loatra. Nisy angongona vitsika mpandoro niloko mena niforona efa hatramin’ny alina izay nivoaka avy tao anatin’ilay faritra tresaka teo anelanelan’ny bozaka sy ny sisin-dalana.

Na dia tsy nipetraka ela tany Texas, Etazonia aza izaho sy ny vadiko dia fantatro tamin’ny alalan’ny zavatra niseho izay naharary ahy fa ny kaikitr’ireo vitsika ireo fa tsy ny lokony akory no nahazoan’izy ireo ilay anaram-bosotra nomena azy ireo. Nandeha nankany amin’ny garazy aho izay toerana nametrahanay ny pesticide. Dia novakiko tsara ny toromarika nipetraka teo amin’izany.

Nisoratra teo amin’izany hoe “Tena mahasarika ny vitsika mpandoro [ity pesticide] ity.” “Hoentin’izy ireo eo amin’ilay angongona vitsika izany ary hampihinanany izany ilay mpanjakavaviny dia ho faty ilay andiam-bitsika.” Nanome torolalana ahy ilay soratra teo amin’izany mba hamafy voa bitika vitsivitsy eo ambonin’ilay angongo sy manodidina izany. Dia ny vitsika no hanao ny ambiny.

Niroahan-tsaina aho. Toa fetsifetsy ny fahitako ireo vitsika mpandoro ka afaka ny manorina angongo avo ao anatin’ny iray alina monja izy ireo. Tsy natoky aho hoe ho sodokan’ny poizina miafina izy ireo kanefa nafafiko ihany anefa izany.

Fotoana fohy taty aoriana dia hitako fa somokotra niasa ilay angongo. Nanalavitra izany aho saingy niondrika nijery ny zava-niseho. Tena ravoravo izy ireo toy ireny hoe nisy mana nirotsaka avy any an-danitra ireny. Nentin’izy ireo tamin’ireo tanana keliny ireo voa fotsy madinika ary nifandondona izy ireo noho ny fahamaizana hitondra ilay poizina eo amin’ilay angongony.

Nihoron-koditra aho nijery izany. Vonona nitondra poizina nankany an-tranony izy ireo. Raha ny marina dia tsy diso tafahoatra mihitsy akory ilay teny hoe “tena mahasarika.” Vitan’ilay orinasa mpanao pesticide tamin’ny fomba tsy hay loatra ny nanamboatra zavatra ratsy iray—izay mahafaty mihitsy aza—hanana endrika faran’izay tsara.

Tsy nahita velively ohatra tena nanaitra bebe kokoa izay ahafahana manome endrika tsara ny zavatra ratsy noho izany aho. Nahatonga ahy hieritreritra ny fanaovan’i Satana zavatra mitovy amin’izany aho. Nahazo fampaherezana aho rehefa nahatsapa fa na dia afaka mamafy ny poizina miafiny manodidina ny tranoko aza izy dia tsy afaka mampiditra izany ao anatiny—raha tsy hoe avelako izy hanao izany. Ahoana ary no ahafahako manao izay hijanonan’izany any ivelany?

Tonga tao an-tsaiko ny iray tamin’ireo soratra masina tiako indrindra: “Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy.” Nanazava i Môrmôna fa amin’ny alalan’io Fanahy io dia “azontsika fantarina amin’ny fahalalana tanteraka” na avy amin’Andriamanitra na avy amin’i Satana ny zavatra iray (Môrônia 7:16).

Ny fahafahana nijery ireo vitsika izay ho faty ireo dia nahafeno fankasitrahana ahy noho izaho sy ny vadiko afaka mandanjalanja sy mahafantatra tsara raha tokony havela hiditra ao an-tokantranonay ny zavatra iray. Ny asanay dia ny mampianatra ny zanakay mba hanaraka ny Fanahin’i Kristy mba hahafahan’izy ireo mahafantatra koa ny poizina rehefa hitan’izy ireo izany.

Rehefa niondrika nijery ireo bibikely nitatitra ny voa madinika farany rehetra teny amin’ilay angongony aho dia nianiana fa hanao izay azoko atao mba tsy hidiran’ny poizina ny tokantranoko.

Nanome torolalana ahy ilay soratra teo amin’izany mba hamafy voa bitika vitsivitsy eo ambonin’ilay angongo sy manodidina izany. Dia ny vitsika no hanao ny ambiny.