2014
Mitrakà
Oktobra 2014


Mitrakà

Notsongaina avy ao amin’ny “Mitrakà,” Liahona, Nôv. 2013, 102.

“Fa miambena ka mivavaha mandrakariva” (Lioka 21:36).

Tamin’izaho valo taona, dia nirahina ho any amin’ny tanàna teo akaikinay izaho sy ny zanaka roa lahin’ny nenitoako mba hividy sakafo. Rehefa manao jery todika izany zavatra niainako izany aho dia gaga tamin’ny fahatokiana nananan’ny renibeko sy ny nenitoako ary ny dadatoako taminay. Nazava sy namirapiratra ny lanitry ny maraina raha nanainga hanao dia izahay niaraka tamin’ny soavaly telo.

Rehefa teny afovoan’ny tanety rakotr’ahitra izahay, dia nanapa-kevitra hidina ny soavaly ka hilalao kanety. Variana fatratra tamin’ilay kilalao nataonay izahay hany ka tsy nitraka mba hijery ireo rahona mainty nandrakotra ny lanitra. Tamin’ny fotoana nahitanay fa nitatao ny oram-baratra dia tsy nanana fotoana akory izahay hitaingenana ny soavalinay. Namely mafy anay ny oram-be sy ny havandra hany ka ny sisa azonay natao dia ny nanala ny laselin’ireo soavaly ary nialoka tao ambanin’ireo bodofotsy teo amin’ny lasely.

Nanomboka nandeha mafy araka izay vitanay ho any amin’ny tanàna teo akaiky teo izahay, tsy nisy soavaly sady lena no nangatsiaka. Efa alina ny andro tamin’ny fotoana nahitanay trano iray ka nandondona ny varavarana izahay. Ilay fianakaviana tao no nanamaina anay, nampihinana anay tsaramaso matsiro ary nanome fandriana ho anay tao amin’ny efitrano iray nisy gorodona nihosom-bovoka.

Nifoha tao anatin’ny maraina nisy masoandro nibaliaka sy lanitra kanto izaho sy ireo zanaky ny nenitoako. Nisy lehilahy iray nandondòna tao am-baravarana hitady ankizilahy telo very. Tsy ho adinoko mihitsy ny zavatra hitanay teny amin’ny lalanay nody—olona marobe izay nitady anay nandritra ny alina. Teo alohan’izy ireo ny renibeko sy ny dadatoako ary ny nenitoako feno fitiavana. Namihina anay izy ireo ary nitomany, diboky ny hafaliana noho ny nahitany ireo zanany very.

Mahafantatra antsika ny Raintsika any an-danitra. Tsy andriny izay hodiantsika. Misy famantarana ny oram-baratra ara-panahy manodidina antsika. Aoka isika hitraka sy hanomana ny tenantsika amin’ny alalan’ny fampatanjahana isan’andro ny fijoroantsika ho vavolombelona.

Sary nataon’i Shawna Tenney