2014
Ahoana no hahafahako manampy amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana?
Oktobra 2014


Vavolombelona Manokana

Ahoana no hahafahako manampy amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

Notsongaina tao amin’ny “Faka sy Sampana,” Liahona, Mey 2014, 47.

Vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Nanoro hevitra ny hanaovana fivoriana mikasika ny Family Tree ny Loholona Cook. Toy izao izany!

Mahaliana tokoa ny mianatra mikasika ny fiainan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana—avy aiza izy ireo ary ahoana no fomba niainany.

Angataho ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao mba hitondra tantaram-pianakaviana sy tantara ary sary. Ento ihany koa ireo fananana niavaka nananan’ireo ray aman-drenibenao sy ireo ray aman-dreninao.

Manampia amin’ny fanaovana scan sy ny fampidirana ireo tantara sy sary ireo ao amin’ny Family Tree ao amin’ny FamilySearch.org.

Fantaro ireo ôrdônansin’ny tempoly tokony mbola hatao ary zarao ny andraikitra hanaovana ny asa any amin’ny tempoly.

Sary nataon’i Jared Beckstrand