2014
Barbara no Anarako, avy any Chili Aho
Oktobra 2014


Ireo Namana Manerana Izao Tontolo izao

Bárbara no Anarako, avy any Chili Aho

¡Hola, amigos!*

Monina ao Chili i Bárbara, izay firenena any amin’ny morontsiraka andrefan’i Amerika Atsimo. Lavalava sy kely velarana ary manana endrika lamba kely lavalava izany. Migaingaina sy maina ny faritra sasany (toy ny Tany Foanan’i Atacama), ary mafana be sy mando ny sasany (toy ny Île de Pâques). Mipetraka ao amin’ny renivohitr’i Chili ao Santiago izy.Mipetraka any Utah, Etazonia ny mpanoratra

  • “Manahoana ry namako!” amin’ny teny Espaniôla

Izaho no hany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny kilasiko any an-tsekoly. Izany dia manome ahy fahafahana hiresaka amin’ireo namako mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Bokin’i Môrmôna. Indray andro dia nangataka ahy ny namako akaiky indrindra mba hampianatra azy ny fomba fivavahana. Dia nataoko izany. Dia niara-nivavaka izahay tamin’ny sakafo atoandro tany am-pianarana.

Sivy taona aho ary manana zandrilahy roa. Miezaka ny ho zokivavy tsara aho ary manampy amin’ny fikarakarana azy ireo sy miara-milalao amin’izy ireo. Tia mikarakara ankizy aho. Te ho lasa mpampianatra aho rehefa lehibe.

Feno valo taona aho tamin’ny 2013 ary natao batisa sy nametrahan’ny raiko tanana mba horaisina ho mpikambana. Feno fientanentanana tokoa aho! Traikefa miavaka izay hotsaroako mandrakariva izany.

Mankalaza andro tsy fiasana mahafinaritra izahay eto Chili. Andron’ny Fahaleovantena ny 18 Septambra ary Andron’ny Tafika ny 19 Septambra. Mandritra ireo andro roa ireo dia manao ny dihim-pirenenay izahay, izay antsoina hoe “La Cueca” ary mihinana chausson matsiro misy hena antsoina hoe empanadas.

Mandritra ny faran’ny herinandro dia tia mihanika sy mitondra quad eny amin’ireo tendrombohitra eo akaikin’ny tranonay ny fianakaviako. Tia mankany amoron-dranomasina koa izahay.

Manana sakafo manokana fanao rehefa Krismasy izahay—voatabiha voasesika trondro lamàtra. Aty Chili dia tena tonga amin’ny misasakalin’ny andro alohan’ny Krismasy mihitsy i Dadabe Noely. Miaritra tsy matory mihitsy aza izahay mandra-pahatongany!

Ankavanana: sarina kitapo nataon’i Thomas S. Child