2014
Fahasahiana Hisafidy ny Fahamaotinana
Oktobra 2014


Fahasahiana Hisafidy ny Fahamaotinana

Avy amin’ny lahateny iray natao tamin’ny 02 Mey 2013, tao Brigham Young University nandritra ny Fihaonamben’ny Vehivavy.

Inona no azontsika ampianarina ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika mba hanampiana azy ireo hisafidy ny fahamaotinana ao anatin’ity izao tontolo izao izay hanaraby azy ireo noho ireo safidy tsara ataon’izy ireo ity?

Sary
Youth walking on Temple Square.

Nahoana no zava-dehibe ny fahamaotinana? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny Tompo ny halavan’ny zipo sy ny vozon’akanjo na ny T-shirt anaovana? Renim-pianakaviana manan-janaka roa vavy sy roa lahy aho ary azonareo an-tsaina fa nisy ny fotoana niresahana mikasika ny fahamaotinana tao an-tokantranonay. Saingy rehefa nandeha teny ny taona dia nianatra aho fa tafita tsara ny fampianarana momba ny fahamaotinana amin’ny alalan’ny fampianarana fotopampianarana sy ny fanehoana ohatra tsara. Ny fotopampianarana dia hanampy ny zanatsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahamaotinana ary ny ohatra asehontsika dia hampiseho amin’ny fomba mahafinaritra ireo fitahiana avy amin’ny fahamaotinana.

Inona no atao hoe Fahamaotinana?

Ny fahamaotinana dia fitsipika iray nomen’Andriamanitra mba hanampiana antsika hianatra ny fomba fampiasana ny vatantsika araka ny tokony ho izy eto amin’ity fiainana an-tany ity. Ny famaritana ny hoe fahamaotinana ao anatin’ny Ancrés dans la Foi (Miorim-paka ao amin’ny Finoana) dia “toetra maneho fanetrentena ary fanaovana fitafiana mendrika sy ny fanehoana fiteny sy fitondrantena mendrika.”1 Ny fahamaotinana dia tsy ahitana fieboeboana sy fizahozahoana. Ny olona maotina dia tsy mampiasa ny vatany na ny fitondrantenany mba hitadiavana sitraka avy amin’izao tontolo izao na mba hampiderana ny zava-bitany marina na izay zavatra heverina ho vitany na hampiderana ireo toetra mampitsiriritra.

Aoka ho tsaroantsika fa ireo fitsipiky ny fahamaotinana zaraina eto dia sady miantefa amin’ny lehilahy no miantefa amin’ny vehivavy sy ny zanakalahy ary ny zanakavavy ary tsarovy fa na dia mampianatra ny fahamaotinana na mampiseho izany amin’ny alalan’ny ohatra aza isika, dia tsy manameloka velively ireo izay nisafidy ny hanao zipo fohy na nisafidy ny “volo miloko maro sy ny fanaovana peratra maro eny amin’ny orony sy ny sofiny.”2 Maneho fangorahana ary fitiavana tahaka ny an’i Kristy foana amin’ilay olona isika fa kosa mitoetra ho mahatoky amin’ireo fitsipika napetraky ny Tompo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo safidy izay ataontsika mba ho maotina ety ivelany ary mba hanana fitondrantena maotina dia mampita hafatra mahery vaika hoe takatsika fa zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra isika ary nisafidy ny hijoro amin’ny toerana masina isika.

Tiako ity soratra masina ity: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? … fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany” (1 Kôrintiana 3:16–17). Ny vatantsika no tempolin’ny fanahintsika. Ao anatin’ity vatana tempoly ity no anasantsika ny Fanahy Masina mba ho namana. Izaho dia mino fa rehefa misafidy ny hanao fitafiana maotina sy hanana fitondrantena maotina isika, dia mitafy sy miaina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Ray any an-danitra sy ny zanany Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny bikantsika ety ivelany isika fa mpianatr’i Kristy ary miaina ny filazantsara.

Nahoana no Zava-dehibe ny Fahamaotinana?

Miaina ao anaty tontolo iray ahitana ny tsara sy ny ratsy isika ary ny vatana dia sady azo ampiasaina hanaovana zavatra ratsy no azo ampiasaina hanaovana zavatra tsara. Saingy fantatsika fa ilay vatantsika sarobidy dia fanomezana avy amin’Andriamanitra mba ho antsika tsirairay. Masina izy io. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ho an’ireo izay mahafantatra sy mahatakatra ny drafitry ny famonjena, dia fihetsika maneho fikomiana ny fandotoana ny vatana [jereo ny Môsià 2:36–37] sy ny fandavana ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra marina antsika.”3 Misafidy ny hikarakara sy hiaro ny vatantsika isika mba hahafahantsika ho fitaovana eo am-pelantanan’Andriamanitra mba hanatanteraka ireo asany lehibe (jereo ny Almà 26:3). Raha toa ka maniry ny hijoro ho an’ny Mpamonjy isika hanao ny asany dia tsy maintsy manontany ny tenantsika isika hoe, raha toa ka mijoro eo akaikintsika ny Mpamonjy moa ve isika hahazo aina amin’ny akanjo hanaovantsika?

Ny fahamaotinana eo amin’ny akanjo sy ny bika ety ivelany sy ny eritreritra ary ny fitondrantena dia porofo iray fa mahatakatra ireo fanekempihavanana nataontsika isika izay mitahy sy miaro antsika ary manome hery antsika eo amin’ny fiomanantsika hiverina eo anatrehany. Rehefa natao batisa isika dia niala tao amin’izao tontolo izao ary niditra tao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy maintsy hoe miova ny zavatra rehetra. Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa misafidy ny ho ao amin’ny fanjakany isika dia manasaraka—fa tsy mampitoka-monina—ny tenantsika amin’izao tontolo izao. Lasa maotina ny akanjontsika ary madio ny eritreritsika sy ny fitenintsika.”4

Ny fahamaotinana dia fitsipika iray izay hiaro antsika hatrany eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana rehefa mandroso mba ho eo anoloan’Andriamanitra isika. Ny fahamaotinana eo amin’ny akanjo sy ny bika ety ivelany ary ny fahamaotinana eo amin’ny eritrireritra sy ny fitondrantena dia manampy antsika hiomana hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly. Mba hitahiana sy hiarovana an’i Adama sy Eva dia nomen’Andriamanitra akanjo hoditra izy ireo mba hanafiana azy ireo talohan’ny nandroahany azy ireo hivoaka ny saha. Torak’izany koa, isika dia nomen’Andriamantira fitaovana entina miaro ireo fanekempihavanana eto an-tany izay aseho amin’ny alalan’ny garmenta masin’ny tempoly.

Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny Fahamaotinana?

Inona no azontsika ampianarina ireo zanakalahy sy zanakavavintsika mba hanampiana azy ireo hanana fahasahiana hisafidy ny fahamaotinana eto amin’ity izao tontolo izao ity izay hanaraby sy hankahala azy ireo noho ireo safidy madio sy tsara ataon’izy ireo? Hitan’izy ireo ve isika fa mampiasa ny vatantsika mba hisarihana ny sain’ny hafa sa mba hanomezana voninahitra an’Andriamanitra?

Sary
A smiling family standing on a lawn. Shot in Australia.

Ny fahamaotinana eo amin’ny eritreritra sy ny fiteny ary eo amin’ny bika ety ivelany sy ny fitondrantena dia manampy antsika hahazo fitahiana telo izay manome hery sy maha-olom-banona.

1. Ny fahamaotinana dia manome fahafahana ny hanana ny Fanahy Masina ho namana lalandava. Nampianatra ny Loholona Hales hoe: “Ny fahamaotinana dia tena manan-danja mba hahamendrika ny tena hanana ny Fanahy.”5

Ndeha isika hanampy ny zanatsika mba hahatakatra fa tsy hanao na inona na inona izay mety hanakana azy ireo tsy hahazo “ilay fanomezana tsy hay lazaina ny Fanahy Masina” (F&F 121:26). Ampio izy ireo mba hahafantatra fa misy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sarobidy sy mahery vaika miaraka amin’io finamanana masina aminy io. Nampanantena Andriamanitra hoe: “Hanomezako amin’ny Fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao; … Amin’ny alalan’izany no hahafantaranao ny zavatra rehetra irianao Amiko, izay mikasika ny zavatry ny fahamarinana, amin’ny finoana rehefa mino Ahy fa handray izany” (F&F 11:13–14). Fahalalana, fahendrena, fijoroana ho vavolombelona, fifaliana, fiadanana ary fahasambarana—ireo ny sasany amin’ireo fitahiana lehibe izay azontsika ampanantenaina ny zanatsika rehefa manasa azy ireo hiaina amim-pahamaotinana sy ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina isika.

Ny iray amin’ireo fanamby amin’ny fanaovana fitafiana maotina dia ny fiovaovana tsy tapaka eo amin’ny lamaody sy ny fitondrantena eken’ny fiaraha-monina. Ireo fitsipiky ny Tompo anefa dia tsy miova velively. Ampianaro ny zatovolahy sy zatovovavy mba hahay hihaino ny Fanahy rehefa manao safidy mikasika ny zavatra hanaovana sy holazaina ary hatao izy ireo. Rehefa miaina akaikin’ny Fanahy izy ireo dia tsy mila mitovy amin’izao tontolo izao.

Efa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ny zanatsika ary mandeha eny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo izay mitondra mankany amin’ny tempoly ary hiverina eo anatrehan’Andriamanitra. Ilain’izy ireo isika mba hanome toky azy ireo sy hampiseho azy ireo amin’ny alalan’ny ohatra fa hahazo fitarihana, fiarovana sy fampaherezana ary ho voadio izy ireo rehefa manana fiainana mendrika ny hananana ny Fanahy Masina.

2. Afaka mampianatra ireo zanakalahintsika sy zanakavavintsika isika fa ny bika sy fitondrantena maotina dia manampy antsika ho voaro amin’ireo fitarihan-dratsy eto amin’izao tontolo izao. Ny iray amin’ireo fomba mifono fitaka ampiasaina amintsika rehetra dia ilay toe-tsaina eken’ny fiaraha-monina hoe, efa nilaozan’ny toetrandro ny fahadiovam-pitondrantena. Ny fahamaotinana no fitaovana enti-miaro amin’ny fitarihan-dratsy toy izany ary fiarovana ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hatsaran-toetra. Henoy ireto teny ireto izay ao amin’ny Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora Mahereza): “Aza manao zavatra mety hamoha ireo faniriana any anaty hanao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana.”6 Ny bika sy ny fitondrantena tsy maotina dia hamoha matetika ireo faniriana any anaty hanao firaisana ara-nofo ka handrava ireo sakana sy hampitombo ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Nampianatra ny Loholona Hales hoe: “Ny fahamaotinana no ivon’ny fahadiovana na eo amin’ny eritreritra izany na eo amin’ny asa. Noho izany mitantana antsika sy manoro izay tokony ho eritreritsika sy ho fitondrantenantsika ary ho fanapahan-kevitsika, dia fototry ny toetrantsika ny fahamaotinana.”7 Ampianaro sy asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny fahamaotinana mba hanampiana ny zatovolahintsika sy ny zatovovavintsika hiomana ny hiaro ireo hery ahafahana mahazo taranaka ao anatin’izy ireo. Ampio izy ireo mba hihazona ho masina sy hitahiry ny fifanehoana fitiavana eo amin’ny mpivady mandra-pahatonga ny fanambadiana.

3. Ny fahamaotinana dia manome fahafahana antsika mba “hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra” (Môsià 18:9). Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratra eo amin’izao tontolo izao. Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony” (3 Nefia 18:24). Nahazo didy avy an-danitra isika mba ho loharanom-pitarihana ho an’izao tontolo izao sy ny fifaliana avy amin’ny fiainana ny filazantsara ary hampianatra amim-pahamarinana sy hanorina ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Hita taratra eny amintsika tsirairay avy ny Fahazavan’i Kristy rehefa maotina sy madio isika ary mitandrina ny didy. Ny fahamaotinana dia vavolombelona irain’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tena mitafy hatsarana sy voatahy ireo izay tarihin’ny Fanahy Masina sy ireo izay miaro ny tenany amin’ireo zava-dratsin’izao tontolo izao sy mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Ary voatahy ireo izay mijoro ho ohatra sy mampianatra ny fotopampianaran’ny fahamaotinana amin’ny zatovolahy sy zatovovavin’ny Ziona rehetra.

Noho isika nanao fanekempihavanana hanaraka ny Mpamonjy sy maniry ny hahazo ny fahafenoan’ny fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainantsika dia fitafiana iray ihany no manan-danja. Nanoratra i Môrônia hoe: “Mifohaza, dia mitsangana eo amin’ny vovoka, … eny ary anaovy ny fitafianao tsara tarehy, Ry zanakavavin’i Ziona; … mba hahazoana manatanteraka ny fanekempihavanan’ny Ray Mandrakizay” (Môrônia 10:31; nampiana fanamafisana).

Ireo fitafiana tsara tarehy ireo dia ny akanjon’ny fahamarinan-toetra izay anaovan’ireo nitandrina ny fanekempihavanany. Moa ve isika manomana ny zanatsika mba hanao ireo fitafiana tsara tarehy ireo?

Mijoro ho vavolombelona aho fa ao amin’i Kristy ny famonjena ary ireo izay nitandrina ny fanekempihavanany dia “hanana fahalalana tomombana ny amin’ny firavoravoany sy ny fahamarinany, fa tafiana fahadiovana izy, eny, dia ny lamban’ny fahamarinana izany” (2 Nefia 9:14).

Fanamarihana

  1. Ancrés dans la Foi (Miorim-paka ao amin’ny Finoana): Manuel de Référence sur l’Évangile (2004), 106.

  2. Jeffrey R. Holland, “Israel, Israel, God Is Calling” Fampaherezam-panahy tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 09 Sept. 2012, cesdevotionals.lds.org.

  3. David A. Bednar, “Mino Isika fa Tokony Hadio fitondrantena,” Liahona, Mey 2013, 43.

  4. Robert D. Hales, “The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Liahona, Jan. 2001, 8.

  5. Robert D. Hales, “Modesty: Reverence for the Lord,” Liahona, Aog. 2008, 18.

  6. Jeunes Soyez Forts (Ry Tanora, Mahereza) (2011), 36.

  7. Robert D. Hales, Liahona, Aog. 2008, 19.