2014
Ilay Laisoa Vita amin’ny Vatosoa
Oktobra 2014


Miresaka an’i Kristy Isika

Ilay Laisoa Vita amin’ny VATOSOA JADEITA

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Sary
A cabbage sculpted out of jade.

Fony aho nanao asa fitoriana tany Taiwan, dia mba nitsidika vetivety ilay Tranom-bakoka Nasiônaly tany Taipei izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko tamin’ilay andro natao mba hiomanan’ny misiônera. Ny sangan’asa nahasarika indrindra tao dia nantsoina hoe ilay Laisoa Vita amin’ny Vatosoa Jadeita. Tena nankafizin’ny olona maro dia maro izany nefa ny hany zavatra hitako dia Laisoa vita sokitra tamin’ny vatosoa jadeita. Tsy azo lavina fa tsara tarehy izany saingy nisy zavatra mety tena tsy fantatro ankoatra izany.

Rehefa nivoaka avy tao amin’ilay tranom-bakoka izahay dia nanontany ilay mpiara-mitory tamiko aho hoe: “Ahoana no fahitanao ilay Laisoa Vita amin’ny Vatosoa Jadeita?”

“Tiako iny sangan’asa iny!”

Nahoana?” Hoy aho nanontany. “Laisoa fotsiny ihany anie iny e!”

“Ianao angaha ahoana a! Toy ny fanoharana teo amin’ny fiainako io Laisoa Vita amin’ny Vatosoa Jadeita io!” hoy izy nihoraka.

“Io laisoa io ve?”

“Eny e! Tsy fantatrao angaha ny tantara?”

“Toa tsy mahafantatra tokoa ianao raha ny fahitana azy.”

Notantarainy ahy ilay tantara ary marina ny nolazainy. Dia lasa fanoharana iray teo amin’ny asa fitoriana nataoko sy ny fiainako izany.

Raha tiana ho tena lafo dia lafo ny sokitra natao tamin’ny vatosoa iray dia tsy maintsy vatosoa manana loko tokana izany. Ny sokitra vita avy amin’ny vatosoa faran’izay tsara dia tena lafo satria tena sarotra dia sarotra vao mahita vatosoa faran’izay tsara. Maitso ny lokon’ny lohan’ilay Laisoa vita amin’ny vatosoa jadeita ary fotsy ny ambany. Ahitana faritra mitresatresaka sy marokoroko izany. Tsy nisy mpanao sary sokitra naniry ny handany ny androny tamin’ny karazana vatosoa toy izany ka tamin’ny farany dia tonga ilay olona izay antsoin’ny Sinoa hoe mpanao sary sokitra tena sangany.

Raha toa ka afaka niteny ilay vatosoa dia azoko sary an-tsaina ny mety resaka nifanaovany tamin’ilay mpanao sary sokitra vaovao. Azoko sary an-tsaina ny fandraisan’ilay mpanao sary sokitra ilay vatosoa.

Hanontany ilay vatosoa hoe: “Inona no tadiavinao?”

Hamaly ilay mpanao sary sokitra hoe: “Mitady vatosoa hosokirina aho.”

“Dia mitadiava izany vatosoa hafa. Tsy tsara aho. Miloko roa samihafa izay tena mifangaro aho ka tsy ho hainao velively ny hampisaraka azy ireo. Misy faritra mitresatresaka sy marokoroko eto amiko. Tsy mba ho lafo vidy velively aho. Aza mandany fotoana amiko.”

“Andray r’ilay vatosoa kely adaladala ity! Matokia ahy. Mpanao sary sokitra tena sangany aho. Hataoko ho lasa sangan’asa tena kanto ianao.”

Ny tena mahatalanjona eo amin’ilay Laisoa Vita amin’ny Vatosoa Jadeita dia nampiasain’ilay mpanao sary sokitra tsy nilaza anarana ireo kilema nananan’ilay vatosoa—ireo loko anankiroa, ireo faritra mitresatresaka sy marokoroko—mba ho toy ny tena izy mihitsy. Lasa tahon’ilay laisoa ilay ampahany fotsy tanteraka ary ireo faritra mitresatresaka sy marokoroko dia lasa toy ireny raviny tena izy ireny mihitsy. Raha tsy teo ireo “kilema” nananan’ity vatosoa ity dia tsy ho lasa toy ny zavatra tena izy mihitsy izany.

Noho ny hatsaran’ity asakanto ity dia lasa natao fanomezana ho an’ny iray tamin’ireo andriana tany Chine izany ary nandravaka ny lalantsaran’ireo lapa tsara tarehy tany Azia ary napetraka tao amin’ny tranom-bakoka tany Taiwan izany tamin’ny farany.

Izany dia mampahatsiahy ahy ny Etera 12:27: “Ary raha manatona ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. … Ary ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’ izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”

Rehefa avy nahita ilay Laisoa Vita amin’ny Vatosoa Jadeita aho dia lasa nanana dikany hafa ilay soratra masina. Toy io vatosoa io daholo isika rehetra saingy isika mbola sokirina. Tsy maintsy matoky ilay mpanao sokitra tena sangany isika, dia i Jesoa Kristy, izay haka ireo fahalementsika ary hanova izany ho tanjaka. Noho ny fomba fijerintsika izay tsy tonga lafatra dia matetika isika mifantoka amin’ireo kilemantsika ary lasa kivy satria mieritreritra isika fa tsy manana ireo toetra na fahaiza-manao takina. Kanefa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia mahita izay tokony hahatongavantsika. Rehefa avelantsika hiasa eo amin’ny fiainantsika ny Sorompanavotana, dia hovolavolainy ho lasa zavakanto isika izay hiaraka hiaina amin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka indray andro any.