2014
Miomàna alohan’ny Hivavahanao
Oktobra 2014


Ho an’ny Zatovo

Miomàna alohan’ny Hivavahanao

Nampahatsiahy antsika ny Filoha Eyring fa ny vavaka dia “fifandraisana mivantana ifanaovan’Andriamanitra sy ny zanany.” Tanteraka izany fifandraisana mivantana izany rehefa manokana fotoana hanomanana ny vavaka ataontsika isika. Azonao ampiasaina ny diarinao hoentina hanokanana minitra vitsy hanomanana ny vavaka atao isan’andro. Afaka manao lisitra ahitana ireo fitahiana tianao hisaorana ny Ray any an-danitra ianao sy ireo olona mila ny vavakao ary ireo fanontaniana mety tiana hahazoana valiny. Dia asao avy eo ny Fanahy amin’ny alalan’ny fihirana hira iray ao anaty fihirana na amin’ny alalan’ny famakiana andininy vitsivitsy ao anatin’ny soratra masina. Rehefa mivavaka ianao dia henoy tsara hoe inona no tian’ny Fanahy Masina holazainao ary inona no zavatra tsapanao sy ao an-tsainao (jereo ny F&F 8:2–3). Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diarinao ireo zavatra niainanao ary avereno dinihina ireo valiny azonao. Azonao ampiasaina koa ireo asa atao ao amin’ny pejy 112–114 ao amin’ny Toroy ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Fanompoan’ny Misiônera mba hanampiana anao hanombantombana ireo vavaka ataonao sy hianatra hamantatra ny Fanahy Masina.