2014
Ahoana no Hametrahana Fanontaniana Manan-danja
Oktobra 2014


Ahoana no Hametrahana Fanontaniana Manan-danja

Ny fametrahana fanontaniana tsara dia afaka manampy mba hampisokatra ny fon’ny olona hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana.

Sary
Head with gears.

Manana fahafahana maro hampianatra ny olona rehetra manodidina anao ianao na mandritra ny fifampiresahana ao anatin’ny minitra maro any anaty fiara fitateram-bahoaka, na ao anatin’ny lesona any am-piangonana, na ao anatin’ireo fanamarihana atao en ligne, na mandritra ny fifampiresahana lalina hifanatrehana amin’ny namana iray.

Ka indro ary misy torohevitra mba hampianarana amin’ny fomba mahomby amin’ny toe-javatra miseho rehetra: mametraha fanontaniana.

Ny fanontaniana tsara dia mitarika ho amin’ny fianarana tsara, ary soa ihany fa ny fametrahana fanontaniana tsara dia zavatra iray azonao halalinina, hampiharina ary hianarana mba ho hay tsara ny manao azy. Toy izao izany.

Mametraha Fanontaniana Manan-danja

Ny fanontaniana manan-danja dia ireo izay mahatonga anao hieritreritra tsara sy hanana fahatsapana lalina, ireo izay mitarika anao any amin’ny fahamarinana, any amin’ny fijoroana ho vavolombelona ary any amin’ny fiovana. Mety mahakasika zavatra maro izy ireo saingy manana zavatra vitsy iraisana ireo fanontaniana ireo mazàna: (1) tsy mikatsaka zavatra maivan-danja izy ireo na miresaka ny zava-miseho fotsiny ihany (na dia mety ho fanontaniana hampivelarana ny valin’ireo fanontaniana momba ny zava-miseho aza izany), (2) misy ifandraisany amin’ny fiainantsika isan’andro izy ireo, ary (3) izy ireo dia manome fanamby antsika mba hanome valinteny mihoatra ny valinteny tsy mila fieritreretana firy.

Tsarovy ny Antony Hametrahantsika Fanontaniana

Ny fanontaniana dia mahatonga antsika hameno banga iray izay tian’ny saintsika hofenoina amin’izay fotoana izay. Ny fametrahana fanontaniana izay manaitra ny fieritreretan’ny tena manokana indrindra indrindra dia afaka mamela ity dingana manaraka ity hiseho:

  1. Lasa liana amin’ny zavatra resahanao ny olona.

  2. Mampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo mba hieritreritra sy hanome valinteny.

  3. Io fampiasana ny fahafahana misafidy io dia mamela ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo mikasika ny fahamarinana.1

Rehefa eritreretinao io dingana io dia ho tsapanao ny karazam-panontaniana tokony hapetrakao ary inona no tokony tsy hapetraka.

Tadidio fa Mampianatra Olona Ianao fa tsy Lesona Fotsiny Ihany

Raha fantatrao ireo olona ampianarinao ary mieritreritra ny zavatra ilain’izy ireo ianao dia hifidy fanontaniana natao mba hanampiana azy ireo ianao fa tsy fanontaniana hahazoana hevitra mikasika ilay zavatra fotsiny ihany.

Mandalìna sy Mieritrereta Lalina

Mba hiomanana hampianatra ny filazantsara dia halalino ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina sy ireo apôstôly, dia mivavaha mba hahafahan’ny Fanahy Masina hiaraka aminao sy ireo izay ampianarinao (jereo ny F&F 42:14; 50:21–22).

Raha te hametraka fanontaniana amin’ny olona koa ianao, izay mahatonga azy ireo hieritreritra, dia mila misaintsaina toy izany koa ny tenanao. Saintsaino ny zavatra ianaranao. Ho hitanao fa ireo fanontaniana izay apetrakao amin’ny tenanao eo amin’ny fiainanao no ilay zavatra izay mahatonga anao hisaintsaina lalina. Mifantoha amin’ireo karazam-panontaniana izay mahatonga anao hieritreritra marina. Ireo no ireo fanontaniana izay hitarika amin’ny fahazoana hevi-baovao sy fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa, dia ireo karazam-panontaniana azonao apetraka rehefa manampy ny hafa hianatra mikasika ny filazantsara ianao.

Ataovy Mihasarotra Tsikelikely ny Fanontaniana

Indraindray dia tena tsara ny mampivoatra tsikelikely ny fanontaniana ho lasa fanontaniana mitaky fieritreretana sy fandinihan’ny tena manokana bebe kokoa, ka noho izany dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fampidirana izay mora valiana ary avy eo dia dimbiasana amin’ny fanontaniana iray izany na maromaro izay mitondra valinteny nosainina bebe kokoa. Misy ohatra tsotra vitsivitsy ireto:

Fanontaniana Fampidirana

Fanontaniana Hampivelarana ny Fahatakarana

Firy taona i Joseph Smith rehefa nandeha tao amin’ilay Ala kely Masina?

Oviana ianao no nivavaka tamin’ny Ray any an-danitra niaraka tamin’ny faniriana marina tahaka izay nananan’i Joseph?

Mino an’Andriamanitra ve ianao?

Inona no anjara asa sahanin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Inona no nataonao vao haingana mba hanompoana ny hafa?

Ahoana no hanovan’ny fahafantarana fa zanak’Andriamanitra avokoa isika rehetra ny fomba fieritreretanao ny asa fanompoana?

Raha mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pametrahanao fanontaniana ianao dia ho mora kokoa aminao ny hametraka ny fanontaniana tokony hapetraka amin’ny fotoana mety amin’izany. Iza no mahalala. Mety hanova fiainan’olona izany.

Fanamarihana

  1. “Tsy maintsy mampiasa ny fahafahanao misafidy mba hamela ny Fanahy hampianatra anao ianao” (Richard G. Scott, “Mahazo Fitarihana Ara-panahy,” Liahona, Nôv. 2009, 8).

Ireo Lesona Alahady

Ny Lohahevitra amin’ity Volana ity: Tonga Bebe Kokoa Tahaka an’i Kristy

Sarina kodiamiadinify nataon’i Sergey Markov/Hemera/Thinkstock; sarina loha nataon’i johavel/iStock/Thinkstock

Sarina tanana nataon’i ilyast/iStock/Thinkstock