2014
Fanontaniana sy Valiny
Oktobra 2014


Fanontaniana & Valiny

“Miezaka mifehy ny eritreritro aho saingy marobe ireo fakam-panahy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahako manana saina madio kokoa?”

“Miezaka mifehy ny eritreritro aho saingy marobe ireo fakam-panahy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahako manana saina madio kokoa?”

Sarotra ny hifehezanao ny eritreritrao, kanefa azo atao izany ary mitondra fitahiana: “Rehefa mianatra mifehy ny eritreritrareo ianareo dia afaka mandresy ireo fahazarana, eny fa hatramin’ireo fahazaran’ny tena manokana izay manimba aza. Afaka mahazo risi-po sy mandresy ny tahotra ianareo ary manana fiainana sambatra.”1

Eritrereto koa ireto fitahiana ireo:

  • Ny eritreritra madio dia hanampy “[hampahery] ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra” ary “ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava” (F&F 121:45–46).

  • Ny eritreritra madio dia hanampy anao hahatsapa fitaomam-panahy satria miresaka ao am-ponao sy ao an-tsainao ny Fanahy Masina (jereo ny F&F 8:2–3).

  • Ny eritreritra madio dia hanampy anao hankatò ilay didy lehibe voalohany: ny hitia an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra, ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (jereo ny Matio 22:37).

Misy zavatra maro azonao atao mba hananana eritreritra madio araka izay ho hitanao avy amin’ireo hevitra eto amin’ireto pejy ireto. Fa ny iray amin’ireo zavatra manan-danja azonao atao—ary dingana mandeha tsikelikely izany—dia ny mandresy ny “olona araka ny nofo.” Tia eritreritra maloto ny lehilahy na ny vehivavy araka ny nofo. Inty ny fomba handresena izany: “Ny olona araka ny nofo dia fahavalon’Andriamanitra … ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana” (Môsià 3:19).

Inona no zavatra iray azonao atao androany mba hanasana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hitondra io fiovana io eo amin’ny fiainanao?

Haino Aman-jery sy Ireo Namana

Zavatra tsara hanombohana ny misafidy horonan-tsary sy hira ary asa soratra mampahery ny fanahy. Mifidiana namana izay azonao anaovana resaka mendrika sy ahafahana manao zavatra mahasoa rehefa miaraka amin’izy ireo. Rehefa betsaka kokoa ny zavatra tsara eritreretinao dia ho hitanao tsikelikely fa mora kokoa ny manaisotra ireo eritreritra ratsy ary ho mahalana kokoa ny fahatongavan’izy ireo.

Amber S., 18 taona, Colombie Britannique, Canada

Vavaka

Ny vavaka dia mitondra ahy akaiky kokoa ny Raintsika any an-danitra ary manampy ahy hifantoka amin’ny eritreritra tsara. Ny famakiana soratra masina isan’andro dia mampatanjaka ny fahatokian-tenako amin’ny fandresena ireo fakam-panahy; afaka mahita ohatra mikasika ireo mpianatra mahatokin’i Kristy aho ao amin’ny soratra masina. Ny fijoroako ho vavolombelona ihany koa dia manampy ahy hitandrina ny eritreritro ho madio hatrany.

Dasha M., 17 taona, ao Kiev, Ukraine

Soratra Masina

Ny famakiana soratra masina isa-maraina alohan’ny handehanana mianatra dia manampy. Raha vantany vao tonga ao amiko ny eritreritra ratsy dia soloiko zavatra tsara kokoa avy hatrany izany. Ho solon’ny fitenenana fotsiny hoe “Tsia, aza mieritreritra izany” (izay zavatra tsara tokony hatao), dia ovao eritreritra tsara izany. Tsarovy fa ianao no mifehy ny eritreritrao fa tsy i Satana. Zanakalahy sy zanakavavy mahery fo an’ny Ray any an-danitra isika ary miezaka hatrany ny hampivoatra ny tenantsika.

Nick C., 16 taona, Arkansas, Etazonia

Tsara sa Mety?

Tsy afaka mifehy izany foana ianao rehefa misy eritreritra tonga, kanefa azonao fehezina izany raha toa ka mitoetra. Afaka manontany ianao hoe: Mety hitondra soa ho ahy ve ity eritreritra ity? Hanampy ahy ho any amin’ny lalana marina ve izany? Rehefa tonga ao an-tsainao tampoka ny eritreritra maka fanahy dia mihirà hira tsara, mieritrereta fahatsiarovana mamy, na mivavaha. Fanoloana ireo eritreritra ratsy amin’ny zavatra tsara izany.

Lisa P., 17 taona, Danemark

Ohatr’i Lehia

Nilaza tamin’ireo mpiray tampo aminy i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 15:27 fa ny rain’izy ireo, tao anatin’ny fahitany ny hazon’aina, dia nohodidinin’ny fahalotoana. Saingy tsy nahatsikaritra ilay fahalotoana i Lehia satria “revon-javatra hafa be loatra ny sainy.” Marina izany ho antsika amin’izao fotoana izao. Raha maniry ny ho feno fahamarinana isika, mangataka izany amin’ny vavaka, ary mifantoka amin’ireo zavatra marina dia ho feno fahamarinana sy hatsaran-toetra tokoa ny saintsika ka tsy hanana hery hijanonana ireo eritreritra ratsy.

Hattie W., 16 taona, Arizona, Etazonia

Fihirana

Ireo hira ao amin’ny fihirana dia afaka manampy antsika hanana eritreritra madio kokoa. Manandratra ny fanahy ny hira tsara. Rehefa afaka mihaino ireo hira ao amin’ny fihirana aho dia mitondra ahy avo ho ao amin’ny tontolo tony kokoa sy selestialy izany. Manampy ahy hahatsiaro ny fitiavan’ny Ray any an-danitra antsika tsirairay izy ireo ka manjary mora kokoa ny miala amin’ny fakam-panahy.

Amanda A., 18 taona, Amazonas, Brésil

Fandalinan’ny mpianakavy ny Soratra Masina

Rehefa tonga ao an-tsaiko ny eritreritra maloto dia miezaka mitadidy ireo soratra masina izay novakiko niaraka tamin’ny fianakaviako isa-maraina aho. Isaky ny maraina amin’ny 6:00 dia miara-mamaky soratra masina ny fianakaviako. Maraim-be izany kanefa fitahiana ilay izy ary mahatonga ahy hahatsapa ho matanjaka mandritra ny andro.

Elena W., 16 taona, Suisse

Fanasan’ny Tompo

Ny vavaky ny fanasan’ny Tompo dia milaza fa raha mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy isika, mitandrina ny didiny, ary mahatsiaro Azy mandrakariva dia hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Amin’ny alalan’ny fahatsiarovantsika Azy dia manao ezaka isika mba hanaisotra ireo eritreritr’izao tontolo izao ka mifantoka amin’ireo eritreritra mandrakizay. Rehefa mahatsiaro Azy mandrakariva isika dia hiova ho tsara kokoa ny eritreritsika sy ny faniriantsika ary ny asantsika.

McKay M., 18 taona, Utah, Etazonia

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, “Worthy Music, Worthy Thoughts,” Liahona, Apr. 2008, 31.