2010–2019
Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely
Ôktôbra 2018


Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely

Apetrako aminareo ny fitiavako sy ny tsodranoko, ny mba hahafahanareo mivoky amin’ny tenin’ny Tompo sy mampihatra ireo fampianarany eo amin’ny fiainanareo manokana.

Fihaonambe manentana ny fanahy sy manan-tantara ity. Mibanjina am-pientanentanana ny hoavy isika. Namporisihana hanao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika. Tena nanentana ny fanahy ny hafatra mahatalanjona nozarain’ireo Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ary ny mozika teto amin’ity polipitra ity. Mamporisika anareo aho mba handalina ireny hafatra ireny, manomboka amin’ity herinandro ity.1 Milaza ny eritreritra sy ny sitrapon’ny Tompo amin’izao fotoana izao ho an’ny olony izy ireny.

Ilay fandaharam-pampianarana manome sehatra ny fiainana sy fianarana ny zavatra ara-panahy ao an-tokantrano, izay hamafisin’ny zavatra atao any am-piangonana dia manana ny fahafahana hamoaka ny herin’ny fianakaviana, rehefa miezaka manao zavatra am-pahamalinana sy am-pitandremana ny fianakaviana tsirairay mba hanova ny fonenany ho toerana masina isian’ny finoana. Mampanantena aho fa rehefa miasa amim-pahavitrihana hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara ianareo dia ho tena fahafinaretana ny andro Sabatanareo rehefa mandeha ny fotoana. Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo ary hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo. Ho lehibe sy hampahery ireo fiovana ao amin’ny fianakavianareo.

Nandritra ity fihaonambe ity isika dia nanamafy ny fahavononantsika hanatanteraka ilay ezaka lehibe hanaja ny Tompo Jesoa Kristy isakyny miresaka ny Fiangonany. Mampanantena anareo aho fa ny fampiasantsika am-pitandremana ny anaran’ny Fiangonan’ny Mpamonjy sy ny mpikambana ao aminy dia hampitombo finoana ary hahazoana hery ara-panahy lehibe kokoa ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Izao aho dia hiresaka ny lohahevitra momba ny tempoly. Fantatsika fa zava-dehibe amin’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika ary ny famonjena sy ny fisandratan’ny fianakaviantsika ny fotoantsika ao amin’ny tempoly.

Rehefa avy mandray ny ôrdonansin’ny tempoly ho an’ny tenantsika isika, isika tsirairay avy dia mila ny fampaherezana sy ny fanabeazana ara-panahy izay tsy hita raha tsy any amin’ny tranon’ny Tompo ihany. Ary ireo razambentsika dia mila antsika hanompo ho mpisolo toerana azy ireo.

Diniho ny famindram-po lehibe sy ny fahatsaran’ Andriamanitra, izay, nanomana lalana talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao, hanomezana ny fitahian’ny Tempoly ho an’ireo izay maty tsy nahalala ny filazantsara. Efa ela ireo fomba amam-panao any amin’ny tempoly ireo. Ho ahy dia tena mampientam-po ny efa maha-ela izany ary porofo ny maha-marina azy.2

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, mitombo be hatrany hatrany ny fanafihan’ny fahavalo, na amin’ny heriny izany na amin’ny karazany.3 Tsy mbola lehibe toy izao ny filantsika mandeha matetika tsy tapaka any amin’ny tempoly. Miangavy anareo aho mba hijery ombam-bavaka ny fomba fandanianareo ny fotoanareo. Manokàna fotoana ho an’ny hoavinareo sy ny hoavin’ny fianakavianareo. Raha tsy lavitra be ny tempoly ny misy anareo dia mamporisika anareo aho mba hanamboatra fotoana hihaonana matetika amin’ny Tompo, ho ao amin’ny tranony masina, ary hihazona izany fotoana izany tsy hiovaova ary am-pifaliana. Mampanantena anareo aho fa hitondra ireo fahagagana izay fantany fa ilainareo ny Tompo rehefa manolo-tena hanompo sy hitsaoka Azy any amin’ny Tempoly ianareo.

Amin’izao fotoana izao isika dia manana tempoly voatokana miisa 159. Tena manan-danja ho antsika ny fikarakarana sy fikolokoloana araka ny tokony ho izy ireo tempoly ireo. Rehefa mandeha ny fotoana dia tsy maintsy mila fanatsarana sy fanavaozana ireo tempoly. Eo anatrehan’izany dia misy ny fandrafetana drafitra hanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake sy ireo tempoly hafa natsangana nandritra ny fotoanan’ireo mpamaky lay. Hozaraina ny antsipiriany mikasika ireo tetikasa ireo rehefa voalamina izany.

Androany izahay dia faly manambara drafitra hanorenana tempoly 12 fanampiny. Ireo tempoly ireo dia hatsangana any amin’ireto toerana manaraka ireto: Mendoza, Argentine; Salvador, Brésil; Yuba City, Californie; Phnom Penh, Cambodge; Praia, Cape Vert; Yigo, Guam; Puebla, Mexique; Auckland, Nouvelle Zélande; Lagos, Nigéria; Davao, Philippines; San Juan, Porto Rico; ary Washington County, Utah.

Mety tsy hampiova ny fiainanareo ny fananganana sy ny fikarakarana ny tempoly, fa ny fanokananareo fotoana ho any amin’ny tempoly kosa anefa dia azo antoka fa hampiova izany. Ho an’ireo izay efa ela no tsy tany amin’ny tempoly dia mamporisika anareo aho mba hiomana ary hiverina faran’izay haingana. Dia manasa anareo aho avy eo mba hitsaoka any amin’ny tempoly ary hivavaka mba hahatsapanareo ny fitiavana tsy misy fetra ananan’ny Tompo ho anareo, sy mba hahazoanareo tsirairay fijoroana ho vavolombelona manokana fa mitarika ity asa masina sy mandrakizay ity Izy.4

Ry rahalahy sy ranabavy, misaotra anareo aho noho ny finoanareo sy ireo ezaka feno fanohanana ataonareo. Apetrako aminareo ny fitiavako sy ny tsodranoko, ny mba hahafahanareo mivoky amin’ny tenin’ny Tompo sy mampihatra ireo fampianarany eo amin’ny fiainanareo manokana. Manome toky anareo aho fa mbola mitohy ny fanambarana ato amin’ny Fiangonana ary mbola hitohy hatrany mandra- “[paha]tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ary hilaza ilay Jehovah Lehibe fa vita ny asa.”5

Mitsodrano anareo aho mba hanananareo finoana bebe kokoa Azy sy ny asany masina, mba hanananareo finoana sy faharetana hiaretana ireo fanamby eo amin’ny fiainanareo manokana. Mitsodrano anareo aho mba ho lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely. Izany ny tsodrano omeko anareo ary mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Fiangonany ity. Vahoakany isika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo en ligne ireo hafatra tamin’ny fihaonambe maneran-tany ao amin’ny LDS.org sy ny application Bibliothèque de l’Evangile. Havoaka printy ao amin’ny Ensign sy Liahona izy ireo. Ireo gazetibokin’ny Fiangonana, tafiditra ao anatin’izany ny New Era sy ny Friend, izay zaraina amin’ny alalan’ny email na sintonina ao amin’ny internet, dia ampahany manan-danja ao amin’ny fandaharam-pampianarana momba ny filazantsara izay manome sehatra ny fianarana sy fiainana izany ao an-tokantrano.

  2. Jereo ohatra ny Eksodosy 28; 29; Levitikosy 8.

  3. Jereo ny Môsià 4:29.

  4. Jereo ny Wilford Woodruff, “The Law of Adoption,” lahateny nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny 8 apr. 1894. Nilaza ny Filoha Woodruff hoe: “Tsy mbola tapitra ny fanambarana. Tsy mbola tapitra ny asan’ Andriamanitra. … Tsy hisy fiafarany ity asa ity raha tsy efa tonga lafatra” (Deseret Evening News, Apr. 14, 1894, 9).

  5. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 142.