2010–2019
Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy
Ôktôbra 2018


Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy

Ny herin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy mba hanova sy hitahy antsika dia mikoriana avy amin’ny fanavahana sy ny fampiharana ny fifandraisan’ireo fotopampianarana sy fitsipika ary fomba fanao ao amin’izany.

Fitaovana iray manan-danja izay mahazatra antsika rehetra ny tady. Ny tady dia vita amin’ireo singa avy amin’ny lamba, zava-maniry, tariby, na akora hafa ka aolankolana ny tsirairay amin’izany na miaraka arandrana. Mahagaga fa ny zavatra izay mety ho tsy miavaka firy dia azo arandrana miaraka ka tonga zavatra matanjaka tokoa. Noho izany dia afaka mamokatra fitaovana mahagaga ny fampifandraisana sy fanambarana tsara ny zavatra tsotra.

Sary
Kofehy nozairina ho lasa tady

Tahaka ny tady iray izay mahazo ny tanjany avy amin’ny kofehy maro nampifamatorana, toy izany ihany koa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manolotra ny fomba fijery tsara indrindra momba ny fahamarinana ary manome ireo fitahiana tsara indrindra rehefa manaraka ny fananaran’i Paoly isika mba “hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy.”1 Indrindra fa io fanangonana manan-danja ny fahamarinana io dia mifototra sy mifantoka amin’ny Tompo Jesoa Kristy satria Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”2

Mivavaka aho mba hanazava antsika tsirairay avy ny Fanahy Masina eo am-pisaintsainantsika ny fomba hiharan’ny fitsipiky ny fanangonana ny zava-drehetra ho iray ao amin’i Kristy amin’ny fomba fampiharana ny fianarana sy fiainana ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Vanim-potoan’ny fanambarana

Miaina ao anatin’ny vanim-potoana iray miavaka sy feno fanambarana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny isika. Ireo fanovana manan-tantara nambara androany dia manana tanjona tokana ifotoran’izy ireo: ny hampatanjaka ny finoana an’ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny Zanany Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Tsy hoe nafohezina fotsiny ireo fivoriana isaky ny Alahady. Fa nomena fahafahana maromaro kokoa sy andraikitra kosa isika tsirairay sy amin’ny maha-fianakaviana antsika ankehitriny mba hampiasa ny fotoanantsika hampivelarana ny Sabata ho fahafinaretana any an-tokantrano sy aty am-piangonana.

Tamin’ny volana aprily teo dia tsy novaovaina fotsiny ny rafitry ny kôlejin’ny fisoronana. Fa nasiana fanamafisana sy tanjaka ilay fomba ambony sy masina kokoa hanompoantsika ireo rahalahy sy rahavavintsika.

Mitovy amin’ireo kofehy narandrana ao amin’ny tady iray izay mamokatra fitaovana mahery vaika sy maharitra, ireo asa mifandray rehetra ireo dia ampahany amin’ny ezaka feno firaisan-kina mba hampifanarahana tsara kokoa ny zavatra ifantohana sy ireo loharanom-pitaovana ary ny asan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy izay naverina tamin’ny laoniny amin’ny asa fototra nanirahana azy dia: ny hanampy an’ Andriamanitra amin’ny asany mba hanatanteraka ny famonjena sy ny fisandratan’ny zanany. Aoka isika aloha mba tsy hifantoka mialoha amin’ny lafiny ara-lasi-pandaminan’ilay zavatra nambara. Tsy tokony havelantsika hanakona ireo tanjona ara-panahy ifotoran’ireo fiovana natao ankehitriny ireo ny antsipirian’ny fomba hanatanterahana azy ireo.

Ny faniriantsika dia mba hitombo ny finoana ny drafitry ny Ray sy ny asa fanavotan’ny Mpamonjy eto an-tany ary mba ho tafaorina ny fanekempihavanana maharitra mandrakizain’ Andriamanitra.3 Ny hany tanjontsika dia ny hanamora ny fiovam-po mitohy amin’ny Tompo sy ny hitia tanteraka kokoa ary hanompo amin’ny fomba mahomby kokoa an’ireo rahalahy sy rahavavy manodidina antsika.

Fitsinjarana sy fanasarahana

Indraindray isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mitsinjara, mampisaraka, ary mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny famoronana lisitra lavabe mikasika ireo lohahevitra tsirairay mba hohalalinina sy ireo asa hotontosaina. Kanefa ny fomba fanao toy izany dia mety hanembantsembana ny fahatakarantsika sy ny fahitantsika. Mila mitandrina isika satria ny fifantohana tahaka ny fomba fifantohan’ny Fariseo amin’ny lisitra dia mety hanakana antsika tsy hanatona akaiky kokoa ny Tompo.

Ny tanjona sy ny fanadiovana, ny fahasambarana sy ny fifaliana, ary ny fiovam-po mitohy sy ny fiarovana izay tonga avy amin’ny “[fanolorana] ny fon[tsika] ho an’ Andriamanitra”4 ary ny “[fandraisana] ny endriny eo amin’ny tarehin[tsika]”5 dia tsy azo fotsiny amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra ara-panahy izay tokony hataontsika sy fanisiana marika ireo zava-bita. Fa ny herin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy mba hanova sy hitahy antsika dia mikoriana kosa amin’ny fanavahana sy fampiharana ny fifandraisan’ireo fotopampianarana sy fitsipika ary fomba fanao ao amin’izany. Rehefa manangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy ihany isika, miaraka amin’ny fifantohana mafy Aminy, izay ireo fahamarinan’ny filazantsara vao afaka miaraka mamela antsika ho tonga amin’izay irian’ Andriamanitra hahatongavantsika6 ka maharitra amin-kerim-po hatramin’ny farany.7

Mianatra sy mampifandray ireo fahamarinan’ny filazantsara

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia temitra tena kanton’ny fahamarinana izay “[mirafitra tsara]”8 ary voarary miaraka. Rehefa mianatra sy mampifandray ireo fahamarinan’ny filazantsara isika, dia voatahy amin’ny fahazoana fomba fijery sarobidy sy fitomboan’ny fahafaha-manao zavatra ara-panahy amin’ny alalan’ny maso izay afaka mahita ny fiarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika ary sofina izay afaka mandre ny feony.9 Ary ny fitsipiky ny fanangonana ny zavatra rehetra ho iray, eny ao Aminy dia afaka manampy antsika amin’ny fanovana ireo lisitra mahazatra an’ireo zavatra tokony hatao hanjary ho zavatra nakambana ho iray sy nampiarahana ary feno. Avelao aho hanome ohatra sady ara-potopampianarana no mifandray amin’ny Fiangonana momba ny zavatra izay arosoko.

Ohatra 1. Ny fanekem-pinoana fahefatra dia anisan’ireo fanehoana lehibe ny fanangonana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy: “Mino isika fa ireo fitsipika sy ôrdônansy fototra amin’ny filazantsara dia: voalohany, ny Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo; faharoa, ny Fibebahana; fahatelo, ny Batisa asitrika ho famelana ny fahotana; fahefatra, ny Fametrahan-tanana ho fanomezana ny Fanahy Masina.”10

Sary
Finoana ny Tompo Jesoa Kristy

Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy eo Aminy—Aminy amin’ny maha-Ilay Zanaka Masina sy Lahitokan’ny Ray Azy ary eo Aminy sy ilay asa fanavotana nanirahana Azy izay notanterahiny. “Satria efa nefainy ny fitakian’ny lalàna, ary mitaky ireo rehetra izay manam-pinoana Azy Izy; ary ireo izay manam-pinoana Azy dia hifikitra amin’ny zavatra tsara rehetra; koa miaro ny tombontsoan’ny zanak’olombelona Izy.”11 Ny fampiharana finoana an’i Kristy dia fahatokiana Azy sy fametrahana fitokiana Aminy amin’ny maha-Mpamonjy antsika, amin’ny anarany, ary amin’ireo fampanantenana nataony.

Sary
Fibebahana

Ny vokatra voalohany sy tonga ho azy entin’ny fahatokiana ny Mpamonjy dia ny fibebahana sy ny fialana amin’ny ratsy. Rehefa mampihatra finoana amin’ny Tompo sy eo Aminy isika dia mitodika ho azy mankany Aminy, manatona Azy, ary miantehitra Aminy. Noho izany, ny fibebahana dia fahatokiana sy fibebahana amin’ilay Mpanavotra antsika mba hanao ireo zavatra izay tsy vitan’ny tenantsika manokana ny manao azy ho antsika. Isika tsirairay dia tsy maintsy “[miantehitra] tanteraka amin’ny fahamendrehan’Ilay Mahery ka mahavonjy”12 satria “noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina”13 irery ihany no ahafahantsika ho tonga olom-baovao ao amin’i Kristy14 ary hiverina sy hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny farany.

Sary
Batisa

Ny ôrdônansin’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana dia mitaky antsika mba hatoky Azy, sy hiantehitra Aminy, ary hanaraka Azy. Hoy i Nefia hoe, “Fantatro fa raha manara-dia ny Zanaka ianareo, amin’ny finiavan’ny fonareo manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra fa omban’ny fikasana marina, mibebaka amin’ny fahotanareo, mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hitondra ny anaran’i Kristy amin’ny batisa—eny, amin’ny fanarahana ny Tomponareo sy ny Mpamonjy anareo midina ao anaty rano araka ny teniny, dia indro fa horaisinareo ny Fanahy Masina amin’izany; eny, amin’izany dia ho tonga ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina.”15

Sary
Fandraisana ho mpikambana

Ny ôrdônansin’ny fametrahan-tanana hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia mitaky antsika mba hatoky Azy, hiantehitra Aminy, hanaraka Azy, ary hibosesika handroso ao Aminy miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahiny Masina. Araka ny nambaran’i Nefia hoe: “Ary ankehitriny … fantatro araka izany, fa raha tsy maharitra hatramin’ ny farany ny olona amin’ny fanarahana ny ohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, dia tsy ho azo vonjena izy.”16

Sary
Ny fanangonana miaraka ho iray

Ny fanekem-pinoana fahefatra dia tsy milaza tsotra fotsiny ireo fitsipika fototra sy ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Fa, io fanambaram-pinoana azo avy amin’ny fanentanam-panahy io dia manangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy: fahatokiana Azy, fianteherana Aminy, fanarahana Azy, ary ny fibosesehana mandroso miaraka Aminy, eny ao Aminy.

Ohatra 2. Izao aho dia hamariparitra ny fomba hanangonana ho iray ao amin’i Kristy ireo fandaharan’asa sy ezaka rehetra ataon’ny Fiangonana. Betsaka ireo ohatra azo zaraina, fa vitsivitsy izay nofanteniko ihany no hampiasaiko.

Sary
Manorina sy manamafy an’i Ziona.

Tamin’ny 1978 dia nasain’ny Filoha Spencer W. Kimball hanangana ny tanjak’i Ziona manerana izao tontolo izao ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nanoro hevitra ireo Olomasina izy mba hijanona any amin’ireo firenena niavian’izy ireo ary hanangana tsatòka matanjaka amin’ny alalan’ny fanangonana ny fianakavian’ Andriamanitra sy fampianarana azy ireo ny lalan’ny Tompo. Nilaza ihany koa izy fa ho betsaka kokoa ireo tempoly hamboarina ary hisy fitahiana hampanantenaina ho an’ireo Olomasina na aiza na aiza nipetrahan’izy ireo teto amin’izao tontolo izao.17

Sary
Adin’ny telo
Sary
Fanambarana ho an’ny fianakaviana

Rehefa nitombo ny isan’ireo tsatòka dia nihamafy kokoa ny filana ny tokantranon’ny mpikambana mba “ho tonga [toerana] izay [tian]’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny mitoetra ao, toerana izay [ahafahan]’izy ireo mampivoatra ny fiainany sy mahita fifankatiavana, fifanohanana, fankasitrahana, ary fifankaherezana.”18 Vokatr’izany, tamin’ny 1980, dia natambatra ho adiny telo mifanesy ireo fivoriana mandritra ny alahady mba “hanamafisana indray ny andraikitry ny tsirairay sy ny fianakaviana amin’ny fianarana sy fiainana ary fampianarana ny filazantsara,”19 Io fimasoana amin’ny fianakaviana sy ny tokantrano io dia voalaza indray tao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambara ho an’izao tontolo izao” izay nampahafantarin’ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny 1995.20

Sary
Fanorenana tempoly

Tamin’ny aprily 1998, ny Filoha Hinckley dia nanambara ny fanamboarana tempoly kely betsaka kokoa, ka hitondra ireo ôrdônansy masina atao ao an-tranon’ny Tompo ho akaiky kokoa ny olona tsirairay sy ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao.21 Ary ireo fahafahana mitombo sy mivoatra ara-panahy nohamafisina ireo dia nampian’ny fitomboana mifandray amin’izany teo amin’ny fizakan-tena ara-batana tamin’ny alalan’ny fampahafantarana ny Kitapom-bola Maharitra ho an’ny Fianarana tamin’ny taona 2001.22

Sary
Mikarakara ireo mahantra sy sahirana

Nandritra ny fitantanany, ny Filoha Thomas S. Monson dia namerimberina namporisika ireo Olomasina mba handeha “hanavotra” ary nanamafy ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana ho anisan’ny iray amin’ireo andraikitra nasain’ Andriamanitra sahanin’ny Fiangonana. Teo am-panohizana ny fanamafisana ny fiomanana ara-batana, dia nampidirina ny fanaovana asa amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny Fizakan-tena tamin’ny 2012.

Sary
Fanaovana ny Sabata ho fahafinaretana

Nandritra ny taona maro lasa, dia nohamafisina ireo fitsipika manan-danja mikasika ny fanaovana ny andro Sabata ho fahafinaretana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana, ka manomana antsika amin’ny fandaraham-potoan’ny fivoriana isaky ny alahady izay nambara tao anatin’ity fivoriana an’ny fihaonambe maneran-tany ity.23 .

Sary
Nampifandrindrana tamin’ireo vondrona fanampiny ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka

Ary enim-bolana lasa izay, dia nohamafisina sy nampifandrindrana tamin’ny fomba mahomby kokoa tamin’ireo vondrona fanampiny ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka mba hanatanterahana fomba fanompoana ambony sy masina kokoa.

Sary
Asa iray ikambanana

Mino aho fa ny fifanesen’ireo asa ireo sy ny fotoana nisehoany tao anatin’ny taona maro dia afaka hanampy antsika hahita asa iray sady feno fa tsy andiana ezaka tsy mifampiankina sy misaratsaraka fotsiny. “Nambaran’ Andriamanitra ny lamina iray ho fivoarana ara-panahy ho an’ny tsirairay sy ho an’ny fianakaviana amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fampianarana, sy fandaharan’asa ary fiaraha-mientana izay mifantoka amin’ny any an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Ny antony hisian’ireo rafitra sy ireo fandaharan’asa ato amin’ny Fiangonana dia ny hitahiana ny olona tsirairay sy ny fianakaviana, fa tsy izy ireny akory no tanjona farany.”24

Mivavaka aho mba hahafahantsika mahafantatra fa ny asan’ny Tompo dia asa lehibe iray maneran-tany izay lasa mifantoka bebe kokoa amin’ny tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana. Fantatro ary ijoroako ho vavolombelona fa ny Tompo dia manambara ary “mbola hanambara zava-dehibe sy manan-danja mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra.”25

Fampanantenana sy Fijoroana ho vavolombelona

Ny hafatro dia natomboko tamin’ny fanasongadinana ny tanjaka izay voaforona rehefa aolankolana sy miaraka arandrana mba hanome tady iray ireo singa tsirairain’ny akora iray. Torak’izany koa, mampanantena anareo aho fa hibaribary eo amin’ny fianarantsika sy fiainantsika ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izany fomba fijery sy tanjona ary hery mihamitombo izany rehefa miezaka ny manangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy isika—eny dia ao aminy.

Ireo fahafahana sy fitahiana rehetra izay misy vokany mandrakizay dia miantomboka ao amin’i Jesoa Kristy Tompo, tanteraka ary manana tanjona noho i Jesoa Kristy Tompo, ary maharitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo. Araka ny fijoroana ho vavolombelona izay nataon’i Almà hoe: “Tsy misy lalan-kafa na fomba izay ahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany. Indro, Izy no fiainana sy fahazavan’izao tontolo izao.”26

Ambarako amim-piravoaravoana ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny maha-masina ny Ray any An-danitra sy ny Zanaka Malalany, Jesoa Kristy ary ny tena fisian’izy ireo. Mahita fifaliana isika ao amin’ny Mpamonjy antsika. Ary ao Aminy no ahitantsika antoka ny amin’ny hoe “ fiadanana eo amin’izao tontolo izao ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”27 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.