2010–2019
Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy
Ôktôbra 2018


Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy

Enga anie isika mba hitondra eo amintsika amim-pahatokiana ny anaran’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fieritreretantsika ny olona tahaka ny fieritreretany azy ireo, amin’ny alalan’ny fanompoantsika tahaka ny nanompoany, ary amin’ny alalan’ny fatokiana fa ampy ny fahasoavany.

Ry rahalahy sy ranabavy namana isany, vao tsy ela izay, raha nisaintsaina ny fanentanan’ny Filoha Nelson mba hiantso ny Fiangonana amin’ny anarana nambara mba hiantsoana izany aho, dia namaky ny soratra masina izay nampianaran’ny Mpamonjy ny Nefita mikasika ny anaran’ny Fiangonana.1 Teo am-pamakiako ny tenin’ny Mpamonjy, dia toa nanan-danja be tamiko ny nilazany ihany koa tamin’ny olona fa “ianareo dia tsy maintsy mitondra eo aminareo ny anaran’ i Kristy.”2 Nahatonga ahy handini-tena izany ary nametra-panontaniana hoe: “Mitondra eo amiko ny anaran’ny Mpamonjy tahaka izay tiany hanaovako izany ve aho?”3 Anio aho dia mba te hizara ny sasantsasany amin’ireo fahatsapana voaraiko ho valin’ny fanontaniako.

Voalohany, ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy dia midika hoe miezaka amim-pahatokiana isika mieritreritra ny olona tahaka ny fieritreretan’ Andriamanitra azy ireo.4 Toy ny ahoana no fieritreretan’ Andriamanitra ny olona? Hoy i Joseph Smith: “Raha toa ny ampahany amin’ny olombelona ka mitsara sy manameloka ny hafa tsy misy indrafo, ny Rain’izao rehetra izao kosa dia mieritreritra ny fianakavian’ny olombelona iray manontolo amin’ny fiahiana sy ny fitiavan’ny raim-pianakaviana iray,” satria “tsy takatry ny saina ny halehiben’ny fitiavany.”5

Taona vitsy lasa izay dia nodimandry ny zokiko vavy. Nandalo fisedrana izy teo amin’ny fiainany. Tsy dia nahavita niaina ny filazantsara izy ary tsy mbola nisy fotoana tena nampavitrika azy tao amin’ny Fiangonana. Nandao ny tokantranon’izy ireo ny vadiny dia namela azy niaraka tamin’ny zanaka efatra mbola kely mba hotezainy samirery. Tamin’ilay takariva nahafatesany, tao amin’ny efitrano iray natrehan’ireo zanany, dia nanome tsodrano azy aho mba handao ity fiainana ity tamim-piadanana. Tonga saina aho tamin’izay fotoana izay fa matetika loatra aho no namaritra ny fiainan’ny anabaviko tamin’ireo fitsapana nolalovany sy ny tsy fahavitrihany tao am-piangonana. Rehefa nametraka ny tanako teo amin’ny lohany aho tamin’izay hariva izay dia nahazo fananarana henjana avy amin’ny Fanahy. Nampahafantarina be tamiko ny hatsarany ary navela nieritreritra azy tahaka ny nieritreretan’ Andriamanitra azy aho. Tsy toy ny olona tsy dia nahavita niaina ny filazantsara sy sahirana tamin’ny fiainana, fa toy ny olona tsy maintsy nisedra olana sarotra izay tsy niainako. Nihevitra azy ho toy ny reny tena mahafinaritra aho, izay nitaiza sy namelona zanaka efatra tsara tarehy sy mahavariana, na dia teo aza ireo sakana goavana. Nihevitra azy ho toy ny naman’ny reniko aho izay nanokana fotoana nikarakarana sy niarahana niasa taminy taorian’ny nahafatesan’ny rainay.

Nandritra izany takariva farany niarahana tamin’ny anabaviko izany, dia mino aho fa nanontany ahy Andriamanitra hoe: “Tsy hitanao ve fa olona sarobidy daholo ny olona rehetra manodidina anao?”

Nampianatra i Brigham Young hoe:

“Te hampianatra ny Olomasina aho … mba hijery ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny maha-izy azy ireo fa tsy hijery azy ireo tahaka ny fijerinareo ny tenanareo.”6

“Matetika no misy milaza hoe: -Nanao fahadisoana Ranona ka tsy azo lazaina fa Olomasina.- … Rentsika ny olona sasany miteny ratsy sy mandainga … [na] tsy manaja ny Sabata. … Aza tsaraina ireny olona ireny satria tsy fantatrareo ny drafitry ny Tompo ho azy ireo … [Fa] manàna [kosa] faharetana amin’izy ireo.”7

Misy aminareo ve afaka hieritreritra ny Mpamonjy hamela fotsiny amin’izao ary tsy hiraharaha ireo enta-mavesatsika? Nitovy ny fomba fijerin’ny Mpamonjy an’ilay Samaritana, ilay mpijangajanga, ilay mpamory hetra, ilay boka, ilay mararin’ny androbe, ary ilay mpanota. Samy zanaky ny Rainy izy rehetra. Samy azo avotana avokoa.

Azo heverina ve ny hanalavirany an’ireo izay manana fisalasalana momba ny fitoerany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra na ireo izay mandia zavatra mitovitovy amin’izany?8 Tsy inoako izany. Tsy hay faritana ny hasarobidin’ny fanahy tsirairay eo imason’i Kristy. Tsy misy olona natao tsy hahomby. Afaka mahazo ny fiainana mandrakizay daholo ny rehetra.9

Nianatra lesona tsara be aho avy amin’ny fananaran’ny Fanahy teo akaikin’ny fandrian’ny anabaviko: fa rehefa mieritreritra ny hafa tahaka izay hieritreretan’ny Tompo azy ireo isika dia hahatratra tanjona roa, dia ny fanavotana ireo olona mifandray amintsika sy ny fanavotana ny tenantsika.

Faharoa, mba hitondrana eo amintsika ny anaran’i Kristy dia tsy vitan’ny hoe tokony hieritreritra ny hafa tahaka ny hieritreretan’ Andriamanitra azy ireny fotsiny isika, fa tokony hanao ny asany sy hanompo tahaka ny nanompoany ihany koa. Mahafoy izao tontolo izao isika, manoa ny sitrapon’ Andriamanitra, manangona an’i Isiraely, ary mamela ny fahazavantsika “hazava eo imason’ny olona.”10 Mandray sy miaina ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny isika.11 Rehefa manao izany isika dia manome antsika hery Andriamanitra mba hitahiana ny tenantsika, ny fianakaviantsika, ary ny fiainan’ny hafa.12 Manontania tena hoe: “Misy olona tsy mila ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany ve?”

Hanao fahagagana eo anivontsika Andriamanitra rehefa manamasina ny tenantsika isika.13 Amin’ny alalan’ny fanadiovantsika ny fontsika no hanamasinantsika ny tenantsika.14 Manadio ny fontsika isika rehefa mihaino Azy,15 mibebaka amin’ny fahotantsika,16 lasa miova fo,17 ary mitia tahaka ny nitiavany.18 Nanontany antsika ny Mpamonjy hoe: “Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo?”19

Vao haingana aho no nahafantatra zavatra iray nitrranga teo amin’ny fiainan’ny Loholona James E. Talmage izay nahatonga ahy nijanona kely dia nisaintsaina ny fomba hitiavako sy hanompoako ny olona manodidina ahy. Fony prôfesora vao herotrerony ny Loholona Talmage, talohan’ny nahalasa azy ho Apôstôly ary nandritra ny fotoana tena nampahery vaika an’ilay areti-mifindra diphtérie tamin’ny 1892, dia lasa fantany fa nisy fianakaviana vahiny iray izay tratran’ilay aretina, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, ary nipetraka teny akaikiny. Tsy nisy nety nankao amin’ilay tokantrano nisy otrikaretina satria tsy te ho azon-doza. Ny Loholona Talmage kosa anefa dia nandeha avy hatrany tany amin’ilay trano. Nahita zaza efatra izy: zaza iray roa taona sy tapany maty teo amin’ny fandriana, zaza dimy taona sy folo taona narary mafy, ary zaza iray telo ambin’ny folo taona efa osa. Nitambesaran’ny alahelo sy ny harerahana ireo ray aman-dreny.

Nokarakarain’ny Loholona Talmage ny maty sy ny velona, nofafany ny trano, nentiny nivoaka ireo akanjo maloto, ary nodorany ireo vorokitsay maloto be feno an’ilay aretina. Niasa mandritra ny manontolo andro izy dia niverina indray ny ampitso maraina. Maty nandritra ny alina ilay zaza folo taona. Nareniny sy nohazoniny ilay zaza dimy taona. Nikohoka izy ka namoaka tsiloliloly feno rà nipitika teny amin’ny tava sy ny akanjon’ny Loholona Talmage. Nanoratra izy hoe: “Tsy vitako ny nanaisotra azy tety amiko,” ka dia nohazoniny mandra-pahafatiny teny an-tsandriny ilay zazavavy. Nanampy tamin’ny fandevenana azy telo izy ary nandrindra ny fanomezana sakafo sy akanjo madio ho an’ilay fianakaviana nidonam-pahoriana. Rehefa niverina tany an-trano izy dia nariany ny akanjony, nandro tamin’ny rano misy zinc izy, nihidy aman-trano fa tsy niharoharo tamin’ny fianakaviany, ary narary kely tratran’ilay aretina.20

Maro tokoa ireo fiainan’olona izay tandindomin-doza manodidina antsika. Mitondra eo amin’izy ireo ny anaran’ny Mpamonjy ny Olomasina amin’ny alalan’ny fahatongavana ho masina sy ny fanompoana ny rehetra na iza na iza izy ireo. Maro ny aina voavonjy rehefa manao izany isika.21

Farany, mino aho fa tsy maintsy matoky Azy isika rehefa mitondra eo amintsika ny anarany. Tamin’ny fivoriana iray izay natrehako indray alahady, dia nanontany zavatra tahaka izao manaraka izao ny zatovovavy iray: “Nisaraka vao haingana izaho sy ny olon-tiako, dia nisafidy ny hiala ny Fiangonana izy. Nilaza tamiko izy fa tsy mbola faly toy izany hono izy. Ahoana koa no mahatonga izany?”

Namaly an’io fanontaniana io ny Mpamonjy rehefa nilaza tamin’ny Nefita hoe: “Nefa raha tsy miorina amin’ny filazantsarako [ny fiainanareo], ary miorina kosa amin’ny asan’ny olona, na amin’ny asan’ny devoly, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa [h]anam-pifaliana amin’ny [asanareo ianareo] mandritra ny vanim-potoana iray, ary tsy ho ela dia tonga ny farany.”22 Tsy misy fifaliana maharitra tsotra izao any ivelan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tamin’izay fivoriana izay dia nieritreritra kosa ireo olona tsara marobe fantatro aho izay sahirana tamin’ny enta-mavesatra goavana sy ireo didy izay tena sarotra ho azy ireo ny nitandrina azy. Nanontany tena aho hoe: “Inona ihany koa no mety holazain’ny Mpamonjy amin’izy ireo?”23 Mino aho fa hanontany izy hoe: “Matoky Ahy ve ianareo?”24 Hoy Izy tamin’ilay vehivavy nandeha rà nandritra ny taona maro hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.”25

Isan’ireo soratra masina tiako indrindra ny Jaona 4:4, izay mivaky toy izao: “Ary tsy maintsy mamaky an’i Samaria Izy.”

Fa nahoana no tiako izany soratra masina izany? Satria tsy nila nandeha tany Samaria i Jesoa. Nankahala ny Samaritana ny Jiosy tamin’ny androny ary nandeha tamin’ny lalana iray manodidina an’i Samaria. Saingy nisafidy ny handeha tany i Jesoa mba hanambara voalohany tamin’izao tontolo izao fa Izy no ilay Mesia nampanantenaina. Tsy hoe nisafidy vondron’olona nailiky ny fiarahamonina fotsiny Izy mba hizarana io hafatra io, fa nisafidy ihany koa vehivavy iray, tsy hoe izay vehivavy sendra Azy teny fa vehivavy janga iray, olona noheverin’ny fiarahamonina fa tena ratsy indrindra tamin’izany fotoana izany. Inoako fa nanao izany i Jesoa mba hahatakarantsika tsirairay avy mandrakariva fa ny fitiavany dia lehibe noho ny tahotsika, ny ratrantsika, ny fiankinan-dohantsika, ny ahiahintsika, ny fakam-panahy mahazo antsika, ny fahotantsika, ny fianakaviantsika rava, ny harerahan-tsaina sy ny tebitebintsika, ny aretina mitaiza antsika, ny fahantrantsika, ny fanararaotana mahazo antsika, ny fahakiviantsika, ary ny fanirerintsika.26 Tiany ho fantatry ny rehetra fa tsy misy na inona na inona ary koa na iza na iza tsy azony sitranina sy homena fifaliana maharitra.27

Ampy ny fahasoavany.28 Izy irery ihany no nidina tambanin’ny zavatra rehetra. Ny herin’ny Sorompanavotany no hery handresena izay mety ho enta-mavesatra eo amin’ny fiainantsika.29 Ilay hafatra nentin’ilay vehivavy teo am-pantsakana dia hoe fantany ny toe-javatra misy antsika eo amin’ny fiainana30 ary afaka mandeha miaraka Aminy mandrakariva isika na iza isika na iza. Hoy Izy tamin’ilay vehivavy sy amintsika tsirairay avy hoe: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay fa [hahazo] loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.”31

Nahoana ianareo no mety hiala amin’ilay hany Mpamonjy izay manana ny hery rehetra hanasitranana sy hanafahana anareo ao anatin’izay mety ho dia ataonareo eo amin’ny fiainana? Mendrika ny hoefaina izay mety ho sarany tsy maintsy aloanareo mba hatokiana Azy. Ry rahalahy sy ranabavy isany, andao isika hisafidy ny hampitombo ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjintsika.

Mijoro ho vavolombelona avy amin’ny fanahiko manontolo aho fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’ny Mpamonjy, tarihin’ilay Kristy velona amin’ny alalan’ny mpaminany velona iray. Mivavaka aho mba hitondrantsika eo amintsika amim-pahatokiana ny anaran’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fieritreretantsika ny olona tahaka ny fieritreretany azy ireo, amin’ny alalan’ny fanompoantsika tahaka ny nanompoany, ary amin’ny alalan’ny fatokiana fa ampy ny fahasoavany mba hitondra antsika hody any an-trano sy any amin’ny fifaliana maharitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny 3 Nefia 27:3–8.

  2. Jereo ny 3 Nefia 27:5–6; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77 sy ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo.

  3. Jereo ny Dallin H. Oaks, His Holy Name (1998) mba handalinana amin’ny antsipiriany kokoa ny fitondrana eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana mba ho vavolombelon’ny anaran’i Jesoa Kristy.

  4. Jereo ny Môsia 5:2–3. Ampahan’ilay fiovam-po mahery vaika niseho teo anivon’ny vahoakan’i Benjamìna Mpanjaka izay nitondra teo amin’izy ireo ny anaran’i Kristy ny hoe lasa nahatakatra “fahitana lehibe” izy ireo. Ireo izay mandova ny fanjakana selestialy dia ireo izay “mahita … tahaka ny ahitana azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:94).

  5. Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2007), 39.

  6. Brigham Young, Discourse, 17 jona 1877, ao amin’ny Journal of Discourses, 8:37.

  7. Discourses of Brigham Young, nofantenin’i John A. Widtsoe (1954), 278.

  8. Jereo ny 3 Nefia 17:7.

  9. Jereo ny Jaona 3:14–17; Asan’ny Apostoly 10:34; 1 Nefia 17:35; 2 Nefia 26:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41–42; Mosesy 1:39. Nampianatra ihany koa ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana isika fa efa noraisin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy an-tanana mialoha ary amin’ny farany honerany daholo ny fihafiana sy ny famoizan-javatra rehetra nozakain’ireo izay mitodika any Aminy. Tsy misy na iza na iza voafidy mialoha mba hahazo kely kokoa noho ny zavatra rehetra omen’ny Ray ny zanany” (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 52).

  10. Jereo ny Matio 5:14–16; 22:35–40; Môsià 3:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–14; 133:5; jereo koa ny Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Liahona, Nov. 2006, 79–81.

  11. Jereo ny Levitikosy 18:4; 2 Nefia 31:5–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:12–16; 136:4; Fanekem-pinoana 1:3–4.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20–21; 110:9.

  13. Jereo ny Josoa 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:16; jereo koa ny Jaona 17:19. Nanamasina ny tenany ny Mpamonjy mba hananany hery hitahiana antsika.

  14. Jereo ny Helamàna 3:35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:6–9; 88:74.

  15. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17, ny didy voalohany nomen’ Andriamanitra ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny alalan’ny fahitana; jereo koa ny 2 Nefia 9:293 Nefia 28:34.

  16. Jereo ny Marka 1:15; Asan’ny Apostoly 3:19; Almà 5:33; 42:22-23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:4–20. Saintsaino ihany koa ireto eritreritra anankiroa momba ny ota ireto. Voalohany, i Hugh Nibley dia nanoratra hoe: “Fandaniam-potoana ny fahotana. Fanaovana zavatra iray amin’ny fotoana izay tokony hanaovanao zavatra hafa sy tsaratsara kokoa izay hainao atao tsara izany” (Approaching Zion, ed. Don E. Norton [1989], 66). Nanoratra izao ho an’i John Wesley zanany lahy i Susanna Wesley hoe: “Raiso ho toy ny fitsipika ity. Na inona na inona mampihena ny fahafahanao mieritreritra amim-pandanjalanjana tsara, manimba ny fitonian’ny feon’ny fieritreretanao, manamaizina ny fahatakaranao fa misy Andriamanitra, mampihena ny fitiavanao ny zavatra ara-panahy, na inona na inona mampitombo ny faniriana ara-nofo hanan-danja kokoa noho ny faniriana ara-panahy, dia tokony horaisinao ho fahotana izany zavatra izany, na dia toy ny tsy manan-tsiny aza ny fijery an’ilay izy” (Susanna Wesley: The Complete Writings ed. Charles Wallace Jr. [1997], 109).

  17. Jereo ny Lioka 22:32; 3 Nefia 9:11, 20.

  18. Jereo ny Jaona 13:2–15, 34. Ny alina mialoha ny Sorompanavotany dia nanasa ny tongotr’ilay olona izay namadika Azy, sy ny an’ny iray hafa izay nandà Azy, ary ny an’ireo hafa izay resin-tory tao anatin’ny fotoana izay tena nilany fanampiana ny Mpamonjy. Dia nampianatra Izy avy eo hoe: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo.”

  19. Matio 5:46.

  20. Jereo ny John R. Talmage, The Talmage Story: Life of James E. Talmage—Educator, Scientist, Apostle (1972), 112–14.

  21. Jereo ny Almà 10:22–23; 62:40.

  22. 3 Nefia 27:11.

  23. Hoy ny Tompo ao amin’ny Matio 11:28–30 hoe: “Mankanesa atỳ amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. … Fa mora ny ziogako ary maivana ny entako.” Raha hojerena koa ny 2 Korintiana 12:7–9: I Paoly dia namariparitra fa ny fijaliana dia toy ny “tsilo tamin’ny nofo” izay mahery vaika tokoa, ka dia nentiny am-bavaka izany mba hoesorina aminy. Hoy i Kristy taminy hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” Jereo koa ny Etera 12:27.

  24. Jereo ny Môsià 7:33; 29:20; Helamàna 12:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:87.

  25. Jereo ny Lioka 8:43–48; Marka 5:25–34. Ilay vehivavy nandeha rà tsy tapaka dia tena nila fanampiana mafy ary tsy nanan-tsafidy hafa intsony. Narary nandritra ny 12 taona izy, nandany ny volany rehetra tany amin’ny mpitsabo, kanefa niharatsy hatrany ny fahasalamany. Noho izy nailikiliky ny fiarahamonina sy ny fianakaviany, dia nanao fanahy iniana izy nandeha nanavatsava olona marobe ary nandeha haingana araka izay vitany nankeny amin’ny Mpamonjy. Natoky sy nino tanteraka ny Mpamonjy izy, ary tsapan’ny Mpamonjy ny fikasihany ny somotraviavin-dambany. Nositraniny teo no ho eo sy tanteraka ilay vehivavy noho izany finoana izany. Dia nantsoiny hoe “anaka” izy avy eo. Tsy olona voailikilika intsony izy nanomboka teo fa isan’ny fianakavian’ Andriamanitra. Ny fanasitranana azony dia ara-batana, ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Mety haharitra mandritra ny taona maro na mandritra ny androm-piainana ireo zava-tsarotra, kanefa azo antoka sy lavorary ny fampanantenany fanasitranana.

  26. Jereo ny Lioka 4:21; Jaona 4:6–26. I Lioka fa tsy i Jaona no nanoratra fa tany am-piandohan’ny fanompoan’i Jesoa dia nandeha tany amin’ny sinagogany tany Nazareta Izy, dia namaky andinin-tsoratra masina tao amin’ny Isaia izay maminany momba ny Mesia, ary avy eo dia nanambara hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.” Io no fotoana voalohany voarakitra an-tsoratra izay nitenenan’ny Mpamonjy fa Izy tenany no ilay Mesia. Kanefa dia noraketin’i Jaona an-tsoratra fa teo amin’ny fantsakan’i Jakoba no fotoana voalohany nanambaran’i Jesoa ny maha-Mesia Azy teo imasom-bahoaka. Eto amin’ity tantara ity, noho ny Samaritana noraisina ho toy ny tsy Jiosy, dia nampianatra ihany koa i Jesoa fa natao ho an’ny rehetra ny filazantsarany, na ny Jiosy izany na ny Jentilisa. Io fanambarana io dia mitranga amin’ny “ora fahenina,” na amin’ny mitataovovonana, izay fotoana iray handraisan’ny tany ny hazavana feno avy amin’ny masoandro. Ny fantsakan’i Jakoba koa dia teo amin’ny lohasaha teo akaiky indrindra an’ilay toerana izay nanaovan’ny Isiraely fahiny lanonana nanaovana fanekempihavanana tamin’ny Tompo taorian’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny tany nampanantenaina. Mahavariana fa ahitana tendrombohitra maina eo amin’ny lafiny ilany amin’ilay lohasaha ary tendrombohitra feno loharano mamelon’aina eo amin’ny lafiny iray hafa.

  27. Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Rehefa ao anatin’ny rarin-tsaina isika ka manontany tena raha mbola manana zavatra azo omena ao anatintsika ao, dia afaka ny hahazo fampiononana isika rehefa mahafantatra fa Andriamanitra, izay mahalala tanteraka ny fahafahana ananantsika hoenti-manao zavatra, dia nametraka antsika ety mba hahomby. Tsy misy olona natao tsy hahomby na ho ratsy fanahy. … Rehefa mahatsapa ho vesaran-javatra maro isika, dia aoka isika hitadidy ny fanomezan-toky fa tsy hanototra antsika amin’ny zavatra tsy ho vitantsika Andriamanitra” (“Meeting the Challenges of Today” [fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young 10 ôktôbra, 1978], 9, speeches.byu.edu).

  28. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

    “Ho avy ny fotoana izay hijoroanareo eo anoloan’ny Mpamonjy. Ho feno tokoa ny fonareo amin’izany fotoana ho eo amin’izany fanatrehany masina izany hany ka mety hitomany ianareo. Ho sahirana ianareo hahita ireo teny izay hoentina hisaorana Azy noho ny nanefany ny fahotanareo, noho ny namelany anareo tamin’ny faharatsiam-panahy rehetra nataonareo tamin’ny hafa, noho ny nanasitranany anareo tamin’ireo ratra sy tsy rariny eto amin’izao fiainana izao.

    “Hisaotra Azy ianareo tamin’ny nankaherezany anareo mba hahavita izay noheverina fa tsy ho vita, tamin’ny nanovany ny fahalemenareo ho lasa hery, ary tamin’ny nanomezany anareo fahafahana hiaina mandrakizay miaraka Aminy sy miaraka amin’ny fianakavianareo. Ny maha-Izy Azy, ny Sorompanavotany, ary ny toetrany dia ho fantatrareo manokana ary ho hitanareo ny tena fisiany” (“Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 8 jan. 2017], broadcasts.lds.org).

  29. Jereo ny Isaia 53:3–5; Almà 7:11–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–9.

  30. Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:17; Elaine S. Dalton, “He Knows You by Name,” Liahona, May 2005.

  31. Jaona 4:14.