2010–2019
Izao no fotoana
Ôktôbra 2018


Izao no fotoana

Raha toa misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay ilainao dinihana, dia izao no fotoana hanaovana izany.

Taona maro lasa izay, raha niomana hanao dia mahakasika ny asa fandraharahana iray aho dia nanomboka narary ny tratrako. Noho ny fiahiana ny amiko dia nanapa-kevitra ny hiaraka tamiko ny vadiko. Nandritra ny dianay voalohany tamin’ny alalan’ny fiaramanidina dia nihamafy ilay fanaintainana, hany ka lasa nananosarotra tamiko ny niaina. Rehefa tonga izahay dia nandao ny seranam-piaramanidina ary nandeha tany amin’ny hôpitaly teo an-toerana, ary rehefa avy nanao fizahana ara-pahasalamana maromaro, dia nanambara taminay ilay mpitsabo fa azonay atao ny manohy ny dianay.

Niverina tany amin’ny seranam-piaramanidina izahay ary nandray ny sidina nitondra nankany amin’ilay toerana halehanay. Raha vao nidina iny izahay dia niteny tamin’ny alalan’ilay fitaovana ifandraisana amin’olona maromaro ny mpanamory fiaramanidina ary nangataka ahy mba haneho ny tenako. Nanatona ilay mpikarakara ny mpandeha amin’ny fiaramanidina, dia nilaza fa vao nahazo antso vonjy taitra izy ireo, ary niteny tamiko izy fa misy fiara mpitondra marary izay miandry ao amin’ny seranam-piaramanidina mba hitondra ahy any amin’ny hôpitaly.

Niakatra tao anatin’ilay fiara mpitondra marary izahay ary nandeha haingana tany amin’ny efitra fitsaboana vonjy taitra teo an-toerana. Nihaona tamin’ny dokotera anankiroa feno fanahiana izahay tao, izay nanazava fa diso ny fizahana aretina natao tamiko, fa raha ny marina dia voan’ny embolie pulmonaire izay mihamihombo aho, na misy rà mihamandry ao amin’ny havokavoko izay mitaky fikarakarana ara-pitsaboana maika. Nilaza taminay ireo dokotera fa betsaka ireo marary no matin’io aretina io. Noho ny fahafantarana fa lavitry ny tokantranonay izahay ary tsy nahafantatra tsara raha toa vonona hiatrika izany toe-javatra manova fiainana izany, dia nilaza taminay ireo mpitsabo fa raha toa misy zavatra izay ilainay dinihana eo amin’ny fiainanay, dia izao no fotoana hanaovana izany.

Tsaroako tsara ny niovan’ny fomba fijeriko iray manontolo teo no ho eo ihany tamin’io fotoana nampitaintaina io. Ireo zavatra izay toa tena nanan-danja vao vetivety teo dia lasa tsy dia nisy dikany intsony. Niala tao an’eritreritro ireo zava-mampiadana sy imatimatesana eo amin’ny fiainana ka ireo tanjona mandrakizay no nitoetra tao. Ny eritreritra momba ny fianakaviana, ny zanaka sy ny vadiko ary fanombantombanana ny fiainako manokana tamin’ny farany.

Aiza ho aiza izahay amin’ny maha-fianakaviana anay, ary aiza ho aiza ny tsirairay avy aminay? Moa ve izahay nanana fiainana nifanaraka tamin’ireo fanekempihavanana nataonay sy ireo zavatra nandrasan’ny Tompo taminay sa sao dia navelanay tsy fidiny ireo zavatra imatimatesan’izao tontolo izao hanelingelina ny fifantohanay amin’ireo zavatra tena manan-danja?

Manasa anao aho mba handinika lesona manan-danja iray nianarana avy tamin’izany zavatra niainana izany: dia ny mihataka amin’izao tontolo izao ary manombantombana ny fiainanao. Na, araka ny filazan’ilay mpitsabo azy hoe, raha toa misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay ilainao dinihina, dia izao no fotoana hanaovana izany.

Manombantombana ny fiainantsika

Miaina ao anatin’ny tontolo tototry ny fampahalalana isika, izay hanjakan’ireo zavatra mahavarimbariana ny saina izay tsy mitsaha-mitombo ka mahatonga ny fivoahana amin’ny fisafotofoana eto amin’ity fiainana ity mba hifantohana amin’ireo zavatra izay manan-danja mandrakizay ho mihasarotra. Ny fiainantsika andavanandro dia tototry ny fampahalalana mahasarika ny saina, izay atolotra amin’ny alalan’ireo teknôlôjia izay miova haingana tokoa.

Raha tsy maka fotoana handinihina isika dia mety tsy hahafantatra ny fiantraikan’izany tontolo mandeha haingana izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro sy eo amin’ireo safidy ataontsika. Mety mahita isika fa mikiky ny fiainantsika ny fiavosan’ireo fampahalalana amin’ny endrika hafatra an-tsary, horonan-tsary ary lahatsoratra manintona. Na dia mahaliana sy mampiala voly aza izy ireny, ny ankamaroany dia tsy misy ifandraisany loatra amin’ny fivoarantsika mandrakizay, kanefa dia manefy ny fomba fijerintsika ny fiainantsika eto an-tany izy ireny.

Ireo zavatr’izao tontolo izao izay mahavarimbariana ny saina dia azo ampitoviana amin’ireo tao amin’ilay nofin’i Lehia. Eo am-pandrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana miaraka amin’ny tanantsika mifikitra mafy amin’ilay anja-by, dia mahare sy mahita ireo izay “[manesoeso] no sady [m]anondro amin’ny rantsantanany” avy amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka isika (1 Nefia 8:27). Mety tsy mikasa ny hanao izany isika, saingy indraindray isika miato ary mampitodika ny masontsika mba hijery an’izao zavatra misafotofoto izao. Ny sasany amintsika aza mety hamotsotra ilay anja-by mihitsy ary handroso akaikikaiky kokoa mba hahitana tsara kokoa. Ny hafa mety ho lavo tanteraka “noho ireo izay namingavinga azy” (1 Nefia 8:28).

Nampitandrina antsika ny Mpamonjy hoe: “Mitandrema … fandrao ny fonareo hovesaran’ny … fiahiahian’izao fiainana izao” (Lioka 21:34). Ny fanambarana maoderina dia mampahatsiahy antsika fa betsaka no voantso saingy vitsy no voafidy. Tsy voafidy izy ireo “satria ny fony dia mipetraka … amin’ny zavatr’izao tontolo izao sy miandrandra ny voninahitry ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:35; jereo koa ny andininy 34). Ny fanombantombanana ny fiainantsika dia manome fahafahana antsika mba hihataka amin’izao tontolo izao, handinika hoe aiza no misy antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ary raha ilaina, hanao fanovana mba hahazoana mifikitra tsara sy mibanjina ny any aloha.

Vao tsy ela izay, nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa ireo zatovo mba hihataka amin’izao tontolo izao, hanalavitra ny tambazotran-tserasera amin’ny alalan’ny tsy fanaovana izany mandritra ny fito andro. Ary vao omaly hariva izy no nanao izany fanasana izany koa tamin’ireo rahavavy nandritra ny fivoriamben’ny vehivavy ao anatin’ny fihaonambe. Avy eo izy nangataka ny zatovo mba handinika izay mety ho niova teo amin’ny zavatra tsapan’izy ireo, ny zavatra eritreretin’izy ireo, na teo amin’ny fomba fieritreretan’izy ireo mihitsy aza. Dia nanasa azy ireo izy avy eo mba “hanao tomban’ezaky ny tena manontolo miaraka amin’ny Tompo … mba hahazoana antoka fa tafaorina tsara ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao.” Namporisika azy ireo izy fa raha toa misy zavatra ilaina ovaina eo amin’ny fiainan’izy ireo dia, “androany no fotoana tena tsara hiovana.”1

Rehefa manombantombana ireo zavatra eo amin’ny fiainantsika izay ilaina ovaina isika, dia mety hametraka amin’ny tenantsika ity fanontaniana iray mahomby ity isika: Ahoana no fomba handresentsika ireo zavatr’izao tontolo izao izay mahavarimbariana ny saina sy ny fomba hijanonantsika mifantoka amin’ny fijerena ilay mandrakizay eo anoloantsika?

Tao anatin’ny lahateny iray nandritra ny fihaonambe tamin’ny 2007 izay nitondra ny lohateny hoe “Good, Better, Best” (Tsara, tsara kokoa, tsara indrindra), ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra ny fomba handrindrana ireo safidy hatao ho lohalaharana eo anivon’ireo zavatra misafotofoto maro takin’izao tontolo izao. Nanome torohevitra izy hoe: “Mila mamela ireo zavatra tsara sasany isika mba hisafidianana zavatra hafa izay tsara kokoa na tena tsara, noho izy ireo mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo sy manamafy orina ny fianakaviantsika.”2

Mamelà ahy handroso hevitra fa ireo zavatra tsara indrindra eto amin’ity fiainana ity dia mifototra amin’i Jesoa Kristy sy ny fahatakarana ireo fahamarinana mandrakizay momba ny hoe iza Izy ary iza isika manoloana ny fifandraisantsika Aminy.

Mikatsaka fahamarinana

Eo am-pikatsahantsika ny hahafantatra ny Mpamonjy dia tsy tokony hadinontsika ilay fahamarinana fototra mikasika ny hoe iza isika ary nahoana isika no eto an-tany. Nampahatsiahy antsika i Amioleka fa “izao fiainana izao no fotoana … hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra,” ilay fotoana izay “omena antsika mba hiomanana amin’ny mandrakizay” (Almà 34:32–33). Ilay fomba fiteny malaza iray dia mampahatsiahy antsika hoe: “Tsy olombelona miaina zavatra ara-panahy isika. Fa olona ara-panahy miaina zavatra iainan’ny olombelona.”3

Ny fahatakarana ny fiaviantsika masina dia zava-dehibe ho an’ny fivoarantsika mandrakizay ary afaka manafaka antsika amin’ireo zavatra mahavarimbariana ny saina eto amin’izao fiainana izao. Nampianatra ny Mpamonjy hoe:

“Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;

“Ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” (Jaona 8:31–32).

Nanambara ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Ny zavatra lehibe azon’ny olombelona tontosaina eto amin’ity izao tontolo izao ity dia ny fanakaran’izy ireo ny fahamarinana masina, amim-pitandremana sy amin’ny fomba lavorary, ka ny ohatra na fitondran-tena asehon’izay mety ho zava-manan’aina eto amin’izao tontolo izao dia tsy afaka hampanalavitra azy ireo velively amin’ny fahalalana izay efa azon’izy ireo.”4

Eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, ny ady hevitra momba ny fahamarinana dia efa lasa mafana be, ary milaza ho manana ny fahamarinana daholo ny rehetra toy ireny hoe hevitra tsotsotra ireny izany ka miankina amin’ny olona tsirairay ny dikany. Ilay zatovolahy Joseph Smith, dia nahita fa “lehibe izaitsizy ny fifanjevoana sy ny adilahy” teo amin’ny fiainany “ka tsy ho vita … ny hamantatra marina hoe iza no marina ary iza no diso” (Joseph Smith—Tantara 1:8). “Teo afovoan’izany ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra izany” no nikatsahany fitarihana masina tamin’ny fikarohana ny fahamarinana (Joseph Smith—Tantara 1:10).

Nandritra ny fihaonambe tamin’ny volana aprily teo dia nampianatra ny Filoha Nelson fa “raha te hanana fanantenana ny hahay hifantina tsara izay mahasoa ao anatin’ireo hafatra tsy tambo isaina sy ireo filôzôfian’olombelona izay manafika ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy mianatra mandray fanambarana.”5 Tsy maintsy mianatra miantehitra amin’ilay Fanahin’ny Fahamarinana isika, “izay tsy azon’izao tontolo izao ho raisina, satria tsy hitany na fantany” (Jaona 14:17).

Eo am-pandrosoan’ity izao tontolo izao ity haingana mankany amin’ireo hevi-diso dia tsy maintsy mahatsiaro ny tenin’i Jakôba isika fa “milaza ny marina ny Fanahy ary tsy mandainga. Noho izany, izy dia milaza ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany sy ny amin’ny zavatra araka ny ho tena toetrany; noho izany, ireo zavatra ireo dia aseho antsika mazava tsara ho famonjena ny fanahintsika” (Jakôba 4:13).

Eo am-pihatahantsika amin’izao tontolo izao sy eo am-panombantombanantsika ny fiainantsika, dia izao no fotoana handinihana izay fanovana ilaintsika atao. Afaka mahazo fanantenana lehibe isika amin’ny fahafantarana fa efa nanoro ny fomba fanaovana izany indray i Jesoa Kristy ilay Ohatra ho antsika. Nialoha ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, teo am-piasany mba hanampiana ireo nanodidina Azy hahatakatra ny anjara asany masina, dia nampahatsiahy azy ireo Izy hoe: “Mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33). Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), hopeofisrael.lds.org.

  2. Dallin H. Oaks, “Good, Better, Best,” Liahona, nôv. 2007, 107.

  3. Teny nindramina izay lazaina matetika fa avy amin’i Pierre Teilhard de Chardin.

  4. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 42.

  5. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96.