2010–2019
Lahateny fanokafana
Ôktôbra 2018


Lahateny fanokafana

Fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano,izay hamafisin’ireo zavatra mitranga any amin’ireo trano fiangonan’ny sampana sy ny paroasy ary tsatòka misy antsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, izahay dia niandrandra izao fiarahana indray aminareo izao ao anatin’ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana ôktôbra ity. Manolotra fiarahabana feno fitiavana ho anareo tsirairay avy izahay. Mankasitraka lalina ireo vavaka mifono fanohanana ataonareo izahay. Mahatsapa ny fiantraikan’izany tokoa izahay. Misaotra indrindra!

Feno fankasitrahana izahay noho ireo ezaka goavana ataonareo mba handray andraikitra eo anatrehan’ny torohevitra nomena nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana enim-bolana lasa izay. Ireo fiadidian’ny tsatòka manerana an’izao tontolo izao dia nikatsaka fanambarana izay ilaina amin’ilay fandaminana vaovao eo anivon’ireo kôlejin’ny loholona. Ireo lehilahy ao amin’ireo kôlejy ireo miaraka amin’ireo rahavavy feno fanoloran-tena ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia miara-miasa amim-pahavitrihana mba hanompo ireo rahalahy sy rahavavy manodidina antsika amin’ny fomba ambony sy masina kokoa. Mahazo fanentanam-panahy amin’ny alalan’ny hatsaran-toetranareo sy ny ezaka mahatalanjona atanaoreo mba hitondrana ny fitiavan’ny Mpamonjy eo amin’ny fianakavianareo sy eo amin’ny mpifanolobodirindrina aminareo ary eo amin’ny namanareo izahay sy mba hanompoana azy ireo araka ny fombany.

Nanomboka tamin’ny fihaonambe tamin’ny volana aprily, dia nihaona tamin’ireo mpikambana tany amin’ireo kaontinanta efatra sy ireo nosy any an-dranomasina izaho sy Rahavavy Nelson. Niaina ny finoana lehibe anananareo sy ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelona anananareo izahay nanomboka tany Jérusalem ka hatrany Harare, ary nanomboka tany Winnipeg ka hatrany Bangkok.

Diboky ny hafaliana izahay noho ny isan’ny zatovontsika izay nirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanora an’ny Tompo1 mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Misaotra anareo izahay! Ary rehefa manohy manaraka ireo fanasana natolotro nandritra ny fampaherezam-panahintsika maneran-tany ho an’ny zatovo ianareo, dia mametraka ny fitsipika iray tokony harahinay ambiny ianareo. Ary tena mitondra fiovana tokoa ianareo ry zatovo!

Tao anatin’izay taona vitsy lasa izay dia nikaon-doha mikasika ity fanontaniana tena manan-danja ity izahay nandritra ireo filankevitry ny mpiahy ato amin’ny Fiangonana: ahoana no fomba ahafahantsika manolotra ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ilay filazantsara amin’ilay fahadiovany tsotra ary ireo ôrdônansy miaraka amin’ilay fiantraikany mandrakizay?

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia efa zatra isika mieritreritra ny “fiangonana ho toy ny zavatra izay miseho ao anatin’ireo trano fivoriantsika ary hamafisin’ireo zavatra miseho any an-tokantrano. Ilaina ny hanaovantsika fanovana an’izany lamina izany. Fotoana izao mba hahatonga ny Fiangonana ho mpanome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, izay hamafisin’ireo zavatra mitranga any amin’ireo trano fiangonan’ny sampana sy ny paroasy ary tsatòka misy antsika.

Na dia manohy mivelatra manerana an’izao tontolo izao aza ny Fiangonana, dia maro ireo mpikambana no mipetraka any amin’ireo toerana izay tsy ahitana trano fiangonana, fa mety tsy haharitra ela loatra izany. Tsaroako ny fianakaviana iray, izay noho ny toe-javatra toy izany, dia tsy maintsy nivory tao an-tokantranony. Nanontaniako an’ilay renim-pianakaviana ny fahitany an’ilay miangona ao an-tokantranony ihany. Namaly izy hoe: “Tiako ilay izy! Mampiasa fiteny madio kokoa ny vadiko ato an-trano amin’izao fotoana izao, noho ny fahafantarany fa hanamasina ny fanasan’ny Tompo ato izy isaky ny Alahady.”

Ny tanjon’ny Fiangonana hatrizay dia ny hanampy ireo mpikambana rehetra mba hampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Sorompanavotany, sy mba hanampy azy ireo hanao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, ary mba hanamafy orina sy hamehy ny fianakavian’izy ireo. Tsy mora izany ao anatin’ity tontolo feno fahasarotana amin’izao fotoana izao ity. Mampitombo haingana dia haingana ny fanafihany ny finoana sy ny fianakaviana ny fahavalo. Mba hahatafavoaka velona antsika ara-panahy dia mila tetikady hamaliana ny fahavalo sy drafitra handraisana andraikitra mialoha isika. Noho izany antony izany, dia te hametraka fanovana eo amin’ny rafitra misy izahay amin’izao fotoana izao, izay hanamafy orina bebe kokoa ny mpikambana ato amintsika sy ireo fianakaviany.

Nandritra ny taona maro, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nandrafitra fandaharam-pampianarana iraisana mba hanamafisana orina ny fianakaviana sy ny isam-batan’olona amin’ny alalan’ny drafitra izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana mba hianarana fotopampianarana sy mba hampatanjahana ny finoana ary mba handrisihina ny fitsaohana bebe kokoa ataon’ny tena manokana. Ireo ezaka nataontsika tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa izay mba hanamasinana ny Sabata, mba hanaovana izany ho fahafinaretana sy ho fanehoana famantarana manokana amin’ Andriamanitra ny fitiavantsika Azy, dia hampitomboana amin’ny alalan’ireo fanovana izay hampahafantarinay amin’izao fotoana izao.

Androany maraina dia hanambara fomba vaovao hampitovian-danja ny fianarana ny filazantsara any an-tokantrano sy any am-piangonana izahay. Tompon’andraikitra amin’ny fivoarana ara-panahin’ny tenantsika manokana isika. Ary ny soratra masina dia milaza mazava fa ny ray aman-dreny no manana ny andraikitra voalohany hampianatra sy hikarakara ny zanany.2 Andraikitry ny Fiangonana ny manampy ny mpikambana tsirairay ao anatin’ilay tanjona masina napetraka mba hampitombo ny fahalalany ara-panahy.

Hanazava ireo fanovana manan-danja ireo amin’izao fotoana izao ny Loholona Quentin L. Cook. Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia miray fo sy saina amin’ny fanohanana ity hafatra ity. Feno fankasitrahana izahay noho ny fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo izay nitarika ny fandrindrana ireo drafitra sy dingana arahina izay hovelabelarin’ny Loholona Cook.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, fantatro fa velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Ity no Fiangonany izay tarihany amin’ny alalan’ny faminaniana sy fanambarana omeny an’ireo mpanompony feno fanetrentena. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.