2015
I Petera sy Kornelio ary ilay Anjely
Ôktôbra 2015


Fotoan’ny soratra masina

I Petera sy Kornelio ary ilay Anjely

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Miaraha mianatra momba ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity!

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty sy niverenany tany an-danitra dia nitory tany amin’ny toerana maro i Petera sy ireo Apôstôly hafa, saingy tamin’ny Jiosy irery ihany.

Manamboninahitra tao amin’ny tafika romanina i Kornelio. Nino an’Andriamanitra izy, saingy tsy Jiosy izy. Nisy anjely niseho taminy ary nilaza taminy mba hampaka an’i Petera. Nandefa ny olony hitady an’i Petera i Kornelio ary nilaza tamin’i Petera ny Fanahy Masina mba hanaraka azy ireo.

Rehefa tonga tao amin’ny tranon’i Kornelio i Petera dia nampianatra ireo olona marobe izay tafavory tao. Nolazainy tamin’izy ireo ny momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary nahatsapa ny Fanahy Masina izy ireo ka nahafantatra fa marina izany. Rehefa hitan’ny naman’i Petera fa nampianatra olona izay tsy Jiosy izy dia taitra izy ireo. Saingy niteny taminy i Petera fa efa nianatra fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ho an’ny olona rehetra. (Jereo ny Asan’ny Apôstôly 10:1–48; 11:1–18.)

Ankavia: sary nataon’i Craig Stapley; ankavanana: sombiny avy tamin’ny Sarin’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’ny C. Harrison Conroy Co.