2015
Inona no tena tianao indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao?
Ôktôbra 2015


Fanontaniana miompana amin’ny lohahevitra iray

Inona no tena tianao indrindra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao?

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

Tiako ny hoe afaka mandray ny mofo sy ny rano ho fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy isika mandritra ny fanasan’ny Tompo. Mampahatsiahy antsika ny vatany ny mofo ary ny rano kosa dia mampahatsiahy antsika ny rany. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia afaka manakimpy ny masontsika ka mieritreritra ireo zavatra rehetra izay nataon’i Jesoa Kristy ho antsika.

Ava J.,9 taona, Caroline Avaratra, Etazonia

Tiako ny mianatra fa afaka hiaraka mandrakizay ny fianakaviana (Renee)

Afaka manana namana aho, afaka mamaky ny soratra masina isan’andro aho ary afaka mianatra ny filazantsara aho. (Ralph)

Renee sy Ralph E., 9 taona sy 10 taona, Metro Manille, Philippines

Tiako rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina aho. Afaka mahatsapa be ny Fanahy Masina aho rehefa mihaino ireo lahateny sy ireo lesona. Tsapako ihany koa izany rehefa manampy ny hafa aho.

Kaylee C., 7 taona, Virginie, Etazonia

Ny zavatra tena tiako dia izahay afaka mianatra sady milalao, ary afaka mianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy. Tiako ny mianatra momba Azy satria Izy no Mpamonjiko. (Liz)

Tiako ny mianatra momba an’i Jesoa ary fantatro fa tia antsika i Jesoa. (Lalo)

Liz sy Lalo S., 8 taona and 6 taona, Californie, Etazonia

Tiako ny mankany amin’ny Kilonga sy ny mihira.

Hayden H., 5 taona, Utah, Etazonia

Tiako ny mianatra momba an’i Jesoa Kristy ary tiako ny mankany amin’ny Kilonga sy maka namana.

Catherine W., 7 taona, Caroline Avaratra, Etazonia

Tiako fa afaka mahazo namana vaovao be dia be aho ary afaka mampianatra ireo namako izay tsy mpikamban’ny Fiangonana momba ny filazantsara. Afaka mihaino ny fivoriamben’ny Fiangonana aho ka mihaino ny mpaminany sy ireo Apôstôly miteny. Mahafinaritra ihany koa ny takarivan’ny mpianakavy satria mandeha mivoaka mihinana glace izahay indraindray. Mmm!

Savannah H., 12 taona, Washington, Etazonia