2015
Afaka amin’ny fandriky ny pôrnôgrafia
Ôktôbra 2015


Afaka amin’ny fandriky ny Pôrnôgrafia

Tsy maintsy mianatra ny fomba fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fitaovan-tserasera ahitana zavatra mamoa fady isika rehetra.

Sary
Silhouette of a man kneeling in prayer. Rays of light are around him.

Ny fitodihana amim-panetrentena any amin’ny Tompo dia mitarika ny olona iray hanaiky ireo fahamarinana sasany izay, raha toa ka takatra tanteraka, dia manome hery sy manaisotra ny henatra.

SARY NATAON’I domi8nic/iStock/Thinkstock

Nanao lahateny mikasika ny pôrnôgrafia aho nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana folo taona lasa izay. Nanamafy ny fampitandreman’ireo mpitarika hafa aho mikasika ny voka-dratsy ara-panahy ateraky ny pôrnôgrafia. Nampitandrina aho fa lehilahy sy tovolahy be dia be no simbain’izay antsoiko hoe “literatiora fampiratiana ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna.”1 Ny fampiasana ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra dia ratsy—manimba ny fahatsapana ara-panahy izany, mampihena ny fahafahana mampiasa ny herin’ny fisoronana izany, ary manimba ireo fifandraisana izay sarobidy.

Ankehitriny, 10 taona mahery aty aoriana, dia feno fankasitrahana aho fa maro no efa nisoroka sy nitoetra ho madio sy tsy voapentimpentin’ny loton’ny pôrnôgrafia, rehefa nihaino sy nanaraka ireo fampitandreman’ny mpaminany. Feno fankasitrahana ihany koa aho fa maro no efa nanaraka ireo fanasan’ny mpaminany mba hiala amin’ny pôrnôgrafia, hanasitrana ireo fo voaratra sy fifandraisana simba ary handroso hatrany eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Saingy miahiahy kokoa noho ny teo aloha aho noho ny sasany amintsika izay mbola voafandriky ny pôrnôgrafia, indrindra fa ireo zatovolahintsika ary zatovovavy koa aza izay tena mitombo isa.

Ny tena anton’ny fitomboan’ny olan’ny pôrnôgrafia dia satria amin’izao tontolo ankehitriny izao dia hita eny rehetra eny ireo teny sy sary vetaveta: ahitana izany ireo horonantsary, ireo fandaharana amin’ny fahitalavitra, ireo tambazotra ifaneraserana, ireo hafatra an-tsoratra, ireo applications ao anaty finday, ireo dokam-barotra, ireo boky, ireo hira ary ireo resaka ifanaovana andavanandro. Noho izany dia tsy azo ihodivirana fa voahodidin’ireo hafatra mamoha fady tsy tapaka isika rehetra.

I. Ireo ambaratongan’ny fandraisana anjara

Mba hanampiana antsika hanohitra izany ratsy tsy mitsaha-mitombo izany dia te hampiseho ambaratonga maro samihafa eo amin’ny fandraisana anjara amin’ny pôrnôgrafia aho ary hanome sosokevitra ny amin’ny fomba tokony hiatrehantsika ny tsirairay amin’izy ireo.

Tamin’ny fotoana sy toe-javatra teo aloha dia nifantoka indrindra tamin’ny fanampiana ny tsirairay mba hisoroka ny firotsahana voalohany na hiala amin’ny fiankinan-doha ny torohevitray. Na dia mbola manan-danja hatrany aza ireo ezaka ireo, ny zavatra niainana tamin’ny lasa sy ireo toe-javatra amin’izao fotoana dia maneho ny filàna torohevitra miantefa amin’ireo ambaratongan’ny fampiasana ny pôrnôgrafia manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny fiankinan-doha. Tsara ny mifantoka amin’ny ambaratonga efatra samihafa amin’ny fandraisana anjara amin’ny pôrnôgrafia: (1) ny fijerena tsy nahy, (2) ny fampiasana tsindraindray, (3) ny fampiasana betsaka ary (4) ny fahazaran-dratsy (fiankinan-doha).

  1. Ny fijerena tsy nahy. Mino aho fa samy efa tafajery pôrnôgrafia tsy nahy ny rehetra. Tsy misy fahotana ny amin’izany raha miala isika ka tsy manaraka izany. Toy ny fahadisoana izay mila fanitsiana fa tsy fibebahana.2

  2. Ny fampiasana tsindraindray. Ny fampiasana pôrnôgrafia toy izany dia mety ho tsindraindray na matetika mihitsy aza saingy iniana atao foana izany ka izay no maha-ratsy azy.

    Ny pôrnôgrafia dia miteraka sy mampitombo ireo fahatsapana ara-nofo mahery vaika. Nanome antsika ireo fahatsapana ireo ny Mpahary hanatanterahana ireo tanjony feno fahendrena saingy nanome didy ihany koa Izy izay mametraha ny fanehoana ireo fahatsapana ireo ho eo amin’ny lehilahy sy vehivavy manambady ihany. Mampihen-danja ny fanehoana fitiavana araka ny tokony ho izy eo amin’ny firaisana ara-nofo ny pôrnôgrafia ka mamporisika ny fanehoana ireo fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo any ivelan’ny fanambadiana. Ireo izay mampiasa ny pôrnôgrafia dia tsy manome lanja ireo hery ireo izay tena mahery vaika ka na izy ireo afaka mamorona aina avy amin’izany na manimba izany. Aza mandeha amin’izany!

    Ny loza avy amin’ny fampiasana ny pôrnôgrafia amin’ny nahim-po, na im-betsaka na tsindraindray, dia ny fitarihany hijery matetika hatrany, izay tsy azo ihodivirana fa hampitombo ny fieritreretana tsy tapaka ireo fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo sy fitondrantena vetaveta. Nahita ny mpahay siansa fa ny sary vetaveta dia mampiteraka zavatra ara-tsimika ao amin’ny ati-doha izay manome vahana ireo fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo, ka mamporisika bebe kokoa ny saina haneho fitondrantena vetaveta.3 Ny fitondrantena vetaveta na amin’ny endriny inona na amin’ny ambaratongany inona dia miteraka fahatsapana henatra, izay mety ho latsa-paka ao anatin’ny olona iray rehefa mandeha ny fotoana.

  3. Ny fampiasana betsaka. Ny fampiasana ny pôrnôgrafia miverimberina amin’ny nahim-po dia mety hahatonga ny fampiasana izany ho lasa fahazarana, “fomba fitondrantena izay fanao tsy tapaka mandra-pahatonga izany ho lasa toy ny zavatra tsy fanahy iniana.”4 Eo amin’ny zavatra fanao mahazatra, ny olona dia mahatsapa filàna zavatra manaitra mba hananana ny fihetsehampo mitovy hatrany izay vao afa-po.

  4. Ny fahazaran-dratsy (Fiankinan-doha). Lazaina hoe miankin-doha ny fihetsiky ny olona iray raha toa ka miteraka “fiankinan-doha” (voambolana iray fampiasan’ny mpitsabo entina hamaritana ny fampiasana ny zava-mahadomelina, ny toaka, ny filokana be, sns.) izany, izay tonga any amin’ny “faniriana tsy hay tohaina” ka “lasa lohalaharana eo anoloan’ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainany.”5

II. Ny lanjan’ny fahatakarana ireo ambaratonga ireo

Raha vantany vao mahafantatra ireo ambaratonga ireo isika dia mahafantatra ihany koa fa tsy izay rehetra mampiasa ny pôrnôgrafia an-tsitrapo dia tsy maintsy miankin-doha amin’izany. Raha ny marina dia tsy miankin-doha amin’ny pôrnôgrafia akory ny ankamaroan’ny zatovolahy sy zatovovavy maro izay manana olana amin’izany. Tena ilaina ny manao io fahasamihafana io—tsy ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpivady ary ny mpitarika izay maniry ny hanampy fotsiny ihany fa ho an’ireo izay manana olana amin’izany ihany koa. Izao no antony.

Voalohany, arakaraka ny halalin’ny fandraisan’ny olona iray anjara ao—manomboka amin’ny fampiasana tsy nahy mankany amin’ny fampiasana tsindraindray na matetika amin’ny nahim-po, mankany amin’ny fampiasana betsaka ka hatrany amin’ny fahazaran-dratsy (fiankinan-doha)—no mahasarotra ny fahasitranana amin’izany. Raha diso ny fisokajiana ny fitondrantena iray ka lasa ho fiankinan-doha dia mety hieritreritra ilay olona nanao azy fa very ny fahafahany misafidy sy ny fahafahany mandresy ilay olana. Mety hampihena ny fahazotoana ny ho sitrana sy hibebaka izany. Amin’ny lafiny iray kosa anefa, ny fananana fahatakarana mazava kokoa ny amin’ny halalin’ny olana iray—mba tsy horaisina ho tena lalim-paka na tafahoatra araka ny natahorana azy ilay izy—dia mety hanome fanantenana sy fahafahana lehibe kokoa hampiasa ny fahafahana misafidy hanajanona izany ka hibebaka.

Faharoa, toy ny fihetsika feno fahotana rehetra, ny fampiasana ny pôrnôgrafia amin’ny nahim-po dia mandroaka ny Fanahy Masina. Ny sasany izay efa niaina izany dia hahatsapa ho voatosika mba hibebaka. Ny hafa indray anefa dia mety hahatsiaro ho sanganehana ka hanafina ny fahatsapany ho meloka amin’ny alalan’ny fitaka. Mety hanomboka hahatsiaro tena ho menatra ihany koa izy ireo izay hitarika amin’ny fahatsapana ho rikoriko amin’ny tena. Raha mitranga izany dia mety hanomboka hino ny iray amin’ireo lainga lehiben’i Satana ilay mpampiasa izany: fa ny zavatra izay nataony na ny zavatra izay mbola ataony dia mahatonga azy ireo ho olona ratsy, tsy mendriky ny fahasoavan’ny Mpamonjy ary tsy afaka ny hibebaka. Tsy marina tsotra izao izany. Tsy mba lavitra loatra velively ka tsy takatry ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany isika.

Farany, zava-dehibe ny tsy manome anarana ny fampiasana betsaka na mahazatra ny pôrnôgrafia hoe fiankinan-doha satria tsy mamaritra tsara ny toe-javatra misy na ny toetra fenon’ny fibebahana sy fahasitranana takiana izany. Hanome fahafahana hahatakatra tsara kokoa ny zavatra izay ilaina hatao mba ho sitrana ny olona iray rehefa manana fahatakarana tsara kokoa ny hoe aiza amin’ilay dingana no misy azy.

III. Miala amin’ny pôrnôgrafia

Izao dia andeha hodinihintsika ny fomba ahafahan’ny olona miala amin’ny fandriky ny pôrnôgrafia sy ho afaka amin’izany. Tsy hoe hanampy ireo izay manana olana amin’ny fandresena ny pôrnôgrafia fotsiny ihany izany fa hanampy koa ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika izay manampy azy ireo. Hahomby kokoa ny olona tsirairay amin’ny fisorohana sy fanasitranana ny pôrnôgrafia rehefa miresaka momba izany amin’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika izy ireo.6

Na manao ahoana na manao ahoana ny halehiben’ny fandraisana anjara amin’ny fijerena amin’ny nahim-po ny pôrnôgrafia dia manaraka sy mitaky fitsipika fototra mitovy ny lalana mankany amin’ny fahasitranana sy ny fahadiovana ary ny fibebahana, dia: ny fanetrentena, ny maha-mpianatra, ny fanolorantena hanao drafitry ny tena manokana mba hiovana, ny maha-tompon’andraikitra sy ny fanohanana ary ny faharetana ao amin’ny finoana.

Sary
Silhouettes of a man and woman sitting with their backs together. They are reading scriptures.

Ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ireo fahamarinana ireo dia mitaky ny tsirairay ihany koa mba hanolo-tena ny hiaina amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo azy sy hanao ireo zavatra izay manadio sy mampahatanjaka azy ireo mba hanohitra ireo fakam-panahy amin’ny hoavy.

SARY NATAON’I majivecka/iStock/Thinkstock

A. Ny fanetrentena

Mba handresena marina ny pôrnôgrafia sy ireo fitondrantena mifandray aminy dia tsy maintsy manao izay hananana fanetrentena ny olona tsirairay (jereo ny Etera 12:27). Ny fitodihana amim-panetrentena any amin’ny Tompo dia mitarika ny olona iray hanaiky ireo fahamarinana sasany izay, raha toa ka takatra tanteraka, dia manome hery sy manaisotra ny henatra. Anisan’ireo fahamarinana ireo ny hoe:

  • Samy zanaka tian’ilay Ray any An-danitra be fitiavana avokoa isika tsirairay.

  • Tia antsika sy mahafantatra antsika tsirairay manokana i Jesoa Kristy, Mpamonjintsika.

  • Mihatra amin’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika.

  • Amin’ny alalan’ny fahasovan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela heloka avokoa ny rehetra ka hahazo ny hery hiovana.

  • Samy manana ilay fanomezana sarobidin’ny fahafahana misafidy isika tsirairay, izay manome antsika fahafahana hampiasa ny fahefana sy ny herin’ny Sorompanavotana.

  • Ny olona izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia dia afaka manana fanantenana avy amin’ny hoe misy olona hafa izay efa nivoaka ho mpandresy tamin’io ady io.

  • Ratsy ny pôrnôgrafia saingy ny firotsahana ao amin’ izany dia tsy manova ilay olona ho ratsy.

  • Afaka ny hiala amin’ny fandriky ny pôrnôgrafia ny olona tsirairay ka ho sitrana tanteraka, saingy tsy afaka ny ho tanteraka izany raha tsy amin’ny alalan’ny fifikirana amin’ny herin’ny Sorompanavotana irery ihany.

  • Ny tena fibebahana amin’ny pôrnôgrafia dia mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fijanonana tsy hampiasa izany fotsiny. Mitaky fiovampo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy izany fibebahana izany.

Ny fanekena ireo fahamarinana ireo dia manomana ara-panahy ny olona iray mba handray andraikitra eo anatrehan’izany, izay manokatra ny varavaran’ny fandraisana ny fanampian’ny Tompo mba hanaovana ireo fiovana ilaina amin’ny fibebahana ka ho sitrana.

B. Ny maha-mpianatra

Ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ireo fahamarinana ireo dia mitaky ny tsirairay ihany koa mba hanolo-tena ny hiaina amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo azy sy hanao ireo zavatra izay manadio sy mampahatanjaka azy ireo mba hanohitra ireo fakam-panahy amin’ny hoavy. Midika fanolorantena haneho fitondrantena ara-pivavahana an’ny tena manokana izany: vavaka sy fianarana ny soratra masina manan-danja kokoa, famonjena ireo fivoriana any am-piangonana, asa fanompoana, fifadian-kanina, ary (rehefa omen’ny eveka lalana) fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy fitsaohana any amin’ny tempoly.D

. Ny fanolorantena hanao drafitry ny tena manokana

Hahazo ny fahafahana mamantatra ireo fahatsapana lalina sy ireo toe-javatra miseho ara-tsôsialy ary ireo zavatra ara-batana manodidina izay mampisy ny fakam-panahy hampiasa ny pôrnôgrafia ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izay manetry tena. Rehefa avy nandinika ireo zavatra mampisy ny fakam-panahy ireo izy ireo dia hanao drafitry ny tena manokana hialana amin’izany mba hanampy azy ireo:

  • Hahafantatra ireo zavatra mampisy ny fakam-panahy sy ireo fanirian-dratsy rehefa mitranga izany.

  • Hametraka zavatra atao manokana izay hanampy azy ireo hiala amin’ny fakam-panahy.

  • Hampitodika ny eritreritra sy ny tanjaka mankany amin’ny Tompo.

  • Hanoritra ireo zavatra atao manokana isan’andro izay hanamafy orina ny fanolorantenan’izy ireo manokana hiaina amim-pahamarinana.

Rehefa manao drafitry ny tena manokana ny tsirairay dia tokony hampiasa ireo fitaovana tena tsara izay atolotry ny Fiangonana. Ohatra: ny tranokalan’ny Fiangonana overcomingpornography.org dia ahitana zavatra ho azy ireo sy ho an’ireo mpikambana ao amin’ilay fianakaviana ary ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay manohana azy ireo ihany koa. Ankoatra izany, ny Fandaharanasan’ny Fiangonana misahana ny Fanasitranana amin’ny Fiankinan-doha dia natao ho an’ny mpikambana rehetra izay manana olana amin’ny zavatra mampiankin-doha, ary hanampy ny mpikambana ao amin’ny fianakavian ’izy ireo ihany koa.

E. Ny maha-tompon’andraikitra sy ny fanohanana

Ireo mpanaradia manetry tena an’i Jesoa Kristy izay manaiky fa mila ny Mpamonjy izy ireo dia hikatsaka ihany koa ny fanampian’ny evekany, izay nantsoin’ny Tompo mba ho mpitarika azy ireo ao amin’ny fisoronana sy mihazona ireo fanalahidy ilaina mba hahafahan’izy ireo mibebaka. Miaraka amin’ny faneken’ilay olona voakasika amin’izany ary raha toa ka mahatsapa ho entanim-panahy hanao izany ny eveka dia afaka miantso olona iray hafa ny eveka mba hiara-hiasa sy hanampy azy ireo. Na inona na inona zava-misy dia mihatra ity torohevitry ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) ity:

“Mitalahoa amin’ny Tompo avy any anaty fanahinareo lalina any mba hanesorany aminareo ny fahazaran-dratsy izay manandevo anareo. Ary enga anie ianareo hanana ny herimpo hikatsaka ny tari-dalana feno fitiavana omen’ny evekanareo, ary ny torohevitry ny matihanina izay mahay mikarakara.”7

Arakaraky ny halalin’ilay olana dia mety ho ilain’ilay olona ny fanampiana avy amin’ny olona na mpanolotsaina matihaina iray izay azo itokisana sy efa za-draharaha, ka azony itodihana amin’ny fotoana rehetra mba hankahery azy amin’ny fotoana isehoan’ny fahalemeny ary afaka ny hihazona azy ireo ho tompon’andraikitra manokana amin’ny drafitra nataon’izy ireo.

F. Maharitra ao amin’ny finoana

Tsy maintsy mbola mailo hatrany ireo olona izay efa nibebaka sy efa voatahy ka nandresy ny faniriana hampiasa ny pôrnôgrafia satria mbola hitady hanararaotra ny fahalemeny amin’ny maha-olombelona azy ireo hatrany ny fahavalo. Mety mbola hitranga hatrany ny fijerena tsy nahy na dia eo aza ireo ezaka rehetra mba hisorohana izany. Ny olona tsirairay mandritra ny fiainany dia tsy maintsy mianatra mifehy ireo fahatsapana mifandray amin’ny firaisana ara-nofo izay nomen’Andriamanitra azy ireo sy mitazona ny ezaka izay ataony mba ho madio.

IV. Fangorahana ho an’ny rehetra

Izao aho dia hilaza teny fohy momba ny fomba itondrantsika ireo izay efa voafandriky ny pôrnôgrafia. Mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika tsirairay avy. Mila ny fangorahantsika sy ny fitiavantsika ireo izay manana olana amin’ny pôrnôgrafia rehefa manaraka ireo fitsipika sy ireo dingan’ny fahasitranana izay ilainy izy ireo. Aza melohina izy ireo. Tsy ratsy akory izy ireo na hoe tsy misy fanantenana intsony ny aminy. Zanakalahy sy zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra izy ireo. Amin’ny alalan’ny fibebahana araka ny tokony ho izy sy tanteraka dia mety ho lasa madio sy tsy misy pentina ary mendrika ny fanekempihavanana sy ny fitahiana azo any amin’ny tempoly rehetra izay nampanantenain’Andriamanitra izy ireo.

Mamporisika ireo zatovovavy sy zatovolahy aho rehefa tonga ny fotoana hanambadiana mba hitandrina tsara ka hifidy vady mba ho namany mandrakizay izay madio sy tsy misy pentina eo anoloan’ny Tompo ary mendrika ny hiditra ny tempoly. Ny olona tsirairay izay nibebaka tanteraka tamin’ny pôrnôgrafia dia mendrika ireo fitahiana ireo.

V. Famintinana

Samy ho sendra fitaovana ahitana zavatra vetaveta isika rehetra mandritra ny fiainantsika. Miaraka amin’ny fitarihan’ny Mpamonjintsika be fitiavana ka tafiditra ao anatin’izany ny toky avy amin’ireo fanekempihavanana amin’ny fanasan’ny Tompo fa hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika (jereo ny F&F 20:77) dia afaka mandray andraikitra araka ny tokony ho izy eo anatrehan’izany foana isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa izany no tokony hataontsika mba hahazoana ireo fitahiana avy Aminy, dia Ilay itsaohantsika izany. Rehefa ataontsika izany dia handray feno kokoa ny fiadanan’ny Mpamonjy isika ary hitoetra eo amin’ilay lalana mankany amin’ny tanjontsika mandrakizay dia ny fisandratana.

Fanamarihana

  1. Jereo ny lahatenin’i Dallin H. Oaks, “Pornography,” Liahona, mey 2005, 87–90.

  2. Jereo ny lahatenin’i Dallin H. Oaks, “Sins and Mistakes,” Ensign, ôkt 1996, 62–67.

  3. Jereo ny Donald L. Hilton Jr., M.D., “Pornography Addiction—a Supranormal Stimulus Considered in the Context of Neuroplasticity,” Socioaffective Neuroscience and Psychology, boky 3 (2013), socioaffectiveneuroscipsychol.net/index.php/snp/article/view/20767; jereo koa ny “Porn Changes the Brain,” fightthenewdrug.org.

  4. Webster’s Encyclopedic Unabridged Dictionary of the English Language (1989), “habit.”

  5. American College of Physicians Complete Home Medical Guide (1999), 564.

  6. Ankoatra izany, dia tokony hanao resaka mazava nefa mendrika mikasika ny fananahana ny tanora sy ny ray aman-dreny. Ny tanora izay maheno mikasika ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombelona avy amin’ny namany fa tsy ny ray aman-dreniny dia ho mora voasarika kokoa hitady izany amin’ny alalan’ny pôrnôgrafia.

  7. Gordon B. Hinckley, “A Tragic Evil among Us,” Liahona, nôv. 2004, 62.

Arakaraky ny halalin’ilay olana dia mety ho ilain’ilay olona ny fanampiana avy amin’ny olona na mpanolotsaina matihaina iray izay azo itokisana sy efa za-draharaha.

SARY NATAON’NY Ingram Publishing/iStock/Thinkstock