2015
Genesisy 1:26–27
Ôktôbra 2015


Andalana anampy andalana

Genesisy 1:26–27

Inona no dikan’ny hoe nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra?

Sary
Product Shot from October 2015 Liahona

26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.

27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.

Ny endrik’Andriamanitra

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Tsy manamaivana velively akory ny fanekena ny hery ambony kokoa noho ny tena fa manandratra kosa izany. Raha toa isika ka mahatsapa fa nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra dia ho hitantsika hoe tsy sarotra izany ny manatona Azy. … Izany fahalalana izany, izay azo amin’ny alalan’ny finoana, dia hitondra fahatoniana anaty sy fiadanana lalina.”

Filoha Thomas S. Monson, “The Lighthouse of the Lord,” Ensign, nôv. 1990, 95–96.

Andeha Isika

Ilay hoe Isika dia mahatonga izany ho toy ny hoe miresaka amin’olon-kafa Andriamanitra—satria izay no marina. Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Tamin’ny voalohany ny lohan’ireo Andriamanitra dia niantso ny filankevitry ny Andriamanitra; ary niaraka izy ireo ka namorona [nanomana] drafitra iray hamoronana izao tontolo izao sy ny olona apetraka ao anatin’izany” (History of the Church, 6:308). Tao anatin’io filankevitra io ny Tompo Jesoa Kristy ary ny hafa koa (jereo ny Mosesy 2:26–27; Abrahama 4:26–27).

Araka ny tarehintsika

“Andriamanitra koa dia tahaka antsika izao tany aloha tany, ary olona nisandratra izy ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra ambony any! Zava-miafina lehibe izany. Raha toa ka triatra ny voaly amin’izao fotoana izao, ary … raha mahita Azy ianareo amin’izao fotoana izao dia hahita Azy tahaka ny endriky ny olona ianareo—tahaka ny vatan-tenanareo sy ny sarinareo ary ny endrika amin’ny maha-olona anareo manontolo.”

Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 44–45.

“Ny olombelona dia zanak’Andriamanitra, noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra sy nandray ireo toetra araka an’Andriamanitra, ary tahaka ny zanakalahin’ny ray sy reny eto an-tany izay afaka ny ho lasa lehilahy, dia afaka manao toy izany koa ny taranaky ny ray aman-dreny any an-danitra, amin’ny alalan’ny traikefa azo mandritra ny taona sy ny fotoana, hivoatra ho lasa Andriamanitra.”

Ny Fiadidiana Voalohany, “The Origin of Man,” Improvement Era, nôv. 1909, 81; Ensign, feb. 2002, 30.

Fanjakana

“Tokony hampiasaina am-pahendrena ny tany sy ny zavatra rehetra eo aminy mba hanohanana ny fianakavian’ny olombelona. Na izany aza anefa dia mpanompo avokoa ny rehetra—fa tsy tompony—manoloana ny tany sy ny hatsarany ka samy ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny zavatra izay ataony amin’ireo zava-boahariny.”

“Environmental Stewardship and Conservation,” mormonnewsroom.org; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:13–15.

Lahy sy vavy

“Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia tandindon’ilay Ray sy Renin’izao rehetra izao ary zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ara-bakiteny.”

Ny Fiadidiana Voalohany, “The Origin of Man,” Improvement Era, nôv. 1909, 78; Ensign, feb. 2002, 29.

“Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.”

“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv 2010, 129.