2015
Antso an-tariby ara-potoana
Ôktôbra 2015


Antso an-tariby ara-potoana

Monina any Taichung, Taiwan ny mpanoratra.

Sary
Illustration depicting a woman and young woman talking on their cell phones.

Rehefa nihalehibe aho dia tsy nino fa misy Andriamanitra. Feno korontana ny fiainako ary tao anatin’ireo androko maizina indrindra dia rera-tsaina ka naniry ny hanapitra ny aiko aho. Tamin’izany fotoana izany no nahatongavan’ireo misiônera nandondòna teo amin’ny varavarako. Ny filazantsara mihitsy no nilaiko. Voasarik’izany aho toy ny vy voasariky ny andriamby.

Tsy nifarana ireo fizahan-toetrako rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana aho saingy tsara kokoa ny toerako mba hanohitra ny fitarihan’ilay fahavalo. Tamin’izay no fotoana voalohany nahafantarako hoe manao ahoana izany fahasambarana izany.

Na izany aza dia tsy namaha ny fanagejany mora foana ny faharerahan-tsaina. Nisy fotoana aho te hilavo lefona indray. Tamin’izay fotoana izay indrindra no niantso Rahavavy Ting, vadin’ny eveka. Nilaza tamiko izy fa nahatsapa hoe nila niantso ahy. Nanontany izy hoe manao ahoana aho. Naborako taminy avokoa ny tato anatiko. Amiko dia anjely nirahin’Andriamanitra izy.

Nanome hery ahy izany trangan-javatra izany. Nihanatanjaka ny finoako. Nahatsapa ho toy ny afaka nandresy ny fahafatesana aho. Nahatsapa ho voavonjy aho, tahaka ny voalaza ao amin’ny Almà 36:2–3 manao hoe:

“Tao amin’ny famatorana izy, ary tsy nisy afaka nanafaka azy afa-tsy … Andriamanitra. …

“… Na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany, ary hasandratra izy amin’ ny andro farany.”

Mbola miaina fizahan-toetra aho saingy tsy ho mora resy intsony. Nanampy ahy Andriamanitra tamin’ireo fizahan-toetrako sy ireo ahiahiko rehetra. Namonjy ahy tamin’ny fanagadrana sy fanandevozana ara-panahy Izy, eny hatramin’ny fahafatesana aza. Izy no Mpamonjiko.