2016
Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe
November 2016


Fanoroam-pejin’ireo tantara nandritra ny fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(35) Tonga amin’ny olona maro ny fiovam-po rehefa manolo-tanana azy ireo amin’ny “maha-vavolombelon’ Andriamanitra” azy ireo ny mpikamban’ny Fiangonana.

M. Russell Ballard

(90) Raha namaky ny Jaona 17 tamin’ny fianakaviany tany amin’ny Tany Masina i M. Russell Ballard dia nivavaka izy mba ho iray amin’izy ireo sy amin’ny Ray ary amin’ny Zanaka.

W. Mark Bassett

(52) Fony zazalahy, i W. Mark Bassett sy ny rahalahiny dia niezaka nanery hanokatra ireo fehy vy teo amin’ny ampahany voafehy tamin’ny maodelin’ny takela-bolamena anankiray.

Jean B Bingham

(6) Rehefa avy namoy lakana nanohitra ny rivotra i Jean B. Bingham sy ny andian-jatovovavy iray dia namorona lain-tsambo izy ireo rehefa niova fitsòka ny rivotra. Hitan’ny zazavavy iray izay nitaingina bisikileta nankeny amin’ny trano iray izay nanana “varavarankely volamena” fa volamena ihany koa ireo varavarankelin’ny tranony. Nandà tsy hanaiky ny fivoaran’ny tovolahy iray nahita fahombiazana ny olona.

D. Todd Christofferson

(48) Nahatsapa fifaliana lehibe i Helen Keller rehefa nanampy azy hahatakatra ny hevitry ny teny ilay mpampianatra azy.

Carl B. Cook

(110) Rehefa nisaintsaina ilay asa nampiandraiketan’ny Mpaminany Joseph Smith ny rain’ny rain’ny dadabeny i Carl B. Cook dia nahazo fanamafisana izy fa avy tamin’ Andriamanitra ny andraikitra vaovao azony tato amin’ny Fiangonana. Nampitombo ny finoany sy nandresy ny tahony hampianatra ao amin’ny Kilonga ny mpikambana vaovao iray.

Quentin L. Cook

(40) Takatr’i Quentin L. Cook ny antony nahitan’ny rainy ny andrin-jiro iray ho fitahiana fa tsy vato misakana ny fahatazanana zavatra.

J. Devn Cornish

(32) Nanova ny fiainan’i J. Devn Cornish ilay mpiofana efa manan-traikefa tao amin’ny hôpitaly izay niteny taminy fa ho lasa dokotera matihanina izy.

LeGrand R. Curtis Jr.

(68) Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna i Parley P. Pratt sy ny lehilahy efatra hafa. Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba izany i LeGrand R. Curtis Jr fony izy zatovo.

Dean M. Davies

(93) Nahafantatra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Dean M. Davies fa tonga hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba hitsaoka marina ireo mpikambana tao amin’ny paroasiny izay novangiany.

Henry B. Eyring

(75) Nanandratra ny fijerin’ny zatovolahy Henry B. Eyring sy nanome fahatokiana azy ny rainy sy ireo mpitarika azy ao amin’ny fisoronana.

(99) Tsy afaka nahita ny fotoana hikasan’ny Tompo hananganana ny fanjakany i Henry B. Eyring fony izy zatovolahy.

Robert D. Hales

(22) Raha teo an-dalam-pahasitranana tamin’ny fandidiana fo natao taminy i Elie Wiesel dia nanontany azy ny zafikeliny lahy hoe, tsy dia haharary loatra ve izy raha toa ka mitia azy bebe kokoa ny zafikeliny. Manampy ny vadiny marary hiankanjo sy hiomana hiangona ny lehilahy be fitiavana iray isaky ny alahady.

Jeffrey R. Holland

(61) Tsy nahavita nanampy ny rahavavy iray izay tondraky ny rano ny lakaviny ireo mpampianatra isan-tokantrano. Nanompo ny raim-pianakaviana iray izay maty tao anatin’ny loza ny zanany lahy ny mpampianatra isan-tokantrano iray.

Peter F. Meurs

(85) Fony izy dimy taona, i Peter F. Meurs dia nahatsapa ny fitaomana tony nentin’ny Fanahy Masina rehefa nanamasina ny fanasan’ny Tompo ny rainy.

Thomas S. Monson

(78) Ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay nitandrina ny Tenin’ny Fahendrena dia nivavaka mba hahazo tanjaka ary dia nahazo izany mba hihanihana eo amin’ny tady teo ambonin’ny sambo iray.

(80) Nahafantatra ny fahamarinan’ny drafitry ny famonjena ny lehilahy iray izay namonjy ny Tsenabe Fampirantiana Iraisam-pirenena tamin’ny 1964 rehefa avy nijery ilay horonantsarin’ny Fiangonana hoe Man’s Search for Happiness.

K. Brett Nattress

(119) Nianatra avy tamin’ny reniny i K. Brett Nattress fa na dia teo aza ireo tsy fahalavorariany tamin’ny fahazazany dia tia azy ny Rainy any An-danitra.

Russell M. Nelson

(81) Rehefa avy niaina “alina tena feno fifaliana” tao anatin’ny hatsiaka ny andian’Olomasina voaroaka hiala ny toeram-ponenany dia nilaza i Eliza R. Snow fa “afaka ny ho faly ao anatin’ny toe-javatra rehetra ny Olomasina.” Mandresy ireo fitsapana sy fakam-panahy ary “ny olona araka ny nofo” ny mpikamban’ny Fiangonana rehefa mifantoka amin’ny fifaliana izay tonga avy amin’ny fiainana ny filazantsara.

Bonnie L. Oscarson

(12) Nampitombo ny mpanatrika ny kilasin’ny Sekoly Alahadiny ny rahavavy iray tany Mexique. Miaro ny zanany amin’ireo fitaoman-dratsy any ivelan’ny tokantrano ny reny iray.

Ronald A. Rasband

(113) Nanome torohevitra ny namana iray izay niaina “fikororosin’ny finoana” i Ronald A. Rasband. Nijanona ho matanjaka ny finoan’ny razamben’i Ronald A. Rasband na dia teo aza ny fahasarotana sy ny alahelo. Nalaina ny handray andraikitra teo anatrehan’ny vavaka iray nahazoany valiny i Ronald A. Rasband mandra-pahazoany fampahatsiahivana ara-panahy.

Linda S. Reeves

(88) Nijoro ho vavolombelona i Boyd K. Packer fa foana ny fahotany tamin’ny alalan’ny fibebahana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Nahita fifaliana sy fiadanana tamin’ny alalan’ny fibebahana marina ny mpikambana iray sy ny misiônera iray ary ny mpikambana vaovao iray.

Dale G. Renlund

(121) Nahatsapa fifaliana i Dale G. Renlund fony zatovolahy rehefa avy nibaboka tamin’ny filohan’ny sampana nisy azy fa nanapoaka tsipoapoaka tao am-piangonana izy.

Evan A. Schmultz

(116) Nitandrina ireo fanekempihavanana nataony ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay maty tao anatin’ny afo ny fianakaviany ary nampihatra finoana izy fa ho tafaray amin’izy ireo indray.

Carole M. Stephens

(9) Nahazo hery ny zatovovavy iray voan’ny désordre bipôlaire mba hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Gary E. Stevenson

(44) Namaky ny Bokin’i Môrmôna sy nahazo fijoroana ho vavolombelona momba izany i Mary Elizabeth Rollins izay roa ambin’ny folo taona. Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna i Gary E. Stevenson rehefa nijoro ho vavolombelona momba izany fony izy misiônera.

Juan A. Uceda

(30) Namaly ny vavaka feno fitalahoana mafy nataon’i Juan A. Uceda ny Ray any An-danitra ka nanavotra azy rehefa tafavoaka tampoka tany ivelan’ny lalan-kelin’ny tendrombohitra iray izy nandritra ny asa fitoriany.

Dieter F. Uchtdorf

(15) Namporisika ny renibeny mba “hihaino tsara kokoa!” ny zatovovavy iray. Nivavaka ny reny iray mba hiverenan’ny zanany vavy maditra iray amin’ny Tompo. Nahita fahombiazana ny misiônera roa rehefa avy nandondona ny varavarana rehetra tao amin’ny tranobe misy ambaratonga efatra.

(19) Nahay nampiasa ny solosainy i Dieter F. Uchtdorf rehefa nandany fotoana betsaka, sy nanana faharetana, fanantenana, finoana, sy nahazo fampitoniana avy tamin’ny vadiny, ary nandany soda malefaka betsaka.

(71) Niverina tamin’ny finoana ny mpikamban’ny Fiangonana teo aloha anankiray noho ireo namany sy ny Fanahy Masina ary ny tosika nataon’ilay Mpiandry Ondry Tsara.

Kazuhiko Yamashita

(55) Sambatra i Kazuhiko Yamashita fa nahafantatra misiônera iray izay “nanana zotom-po hiasa ho an’i Kristy” fony izy filohan’ny misiôna.