2016
Manao asa fanompoana ireo mpaminany sy apôstôly
November 2016


Manao asa fanompoana ireo mpaminany sy apôstôly

Manohy ny fanaovana asa fanompoana manerana izao tontolo izao ireo mpaminany sy apôstôly (jereo ny F&F107:23). Izao manaraka izao no famintinana fohy ny sasany amin’ireo zavatra nataon’izy ireo taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo:

Nandritra ny famangiana nataony tamin’ny mey 2016 dia nitondra fanantenana ho an’ireo mpikambana any amin’ireo tanàna izay niharan’ny fampihorohoroana tany Angleterre sy France, ary Belgique ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Namangy mpitsoa-ponenana izy, dia nankao amin’ilay toerana misy ny tempolin’i Paris ao France (izay efa akaiky ho vita amin’izao fotoana izao), ary nandray anjara tamin’ny fananganana ny tsatòka voalohany ao République Tchèque. Nandeha tany Italie izy tamin’ny volana jolay, nanolotra taratasim-bola mitentina 3 tapitrisa dôlara avy amin’ny volan’ny Fiangonana mba hanampiana ireo mpitsoa-ponenana, ary namangy ireo toby misy mpitsoa-ponenana tany Grèce. Tamin’ny volana septambra dia namangy ireo mpikambana any Roumanie, Moldavie, Slovaquie, Norvège, ary Allemagne, izay nanokanany indray ny tempolin’i Fribourg, Allemagne, izy. Nilaza izy fa ny filazantsara dia mitondra fanantenana ho an’ny olona na aiza na aiza misy azy ireo ary “misy fahatsapana marina ho mpiray tampo ao amin’ny Fiangonana” eo anivon’ireo mpikambana.

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niahy ny fihaonamben’ny tsatòkan’i Moscou, Russie tamin’ny volana jona, raha niangona tany Saratov sy St. Pétersbourg, Russie ireo tsatòka hafa. Nihaona tamin’ireo mpikambana any Lettonie, Estonie sy Ukraine ihany koa izy.

Tany Angleterre, tamin’ny volana jona dia nilaza tamin’ireo mpikamban’ny Parlemanta Britanika ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny fahalalahana ara-pivavahana dia mamela ireo fiangonana mba hanao zavatra tsara manerana izao tontolo izao. Hoy izy hoe: “Tianay ny hitakin’ny vahoaka rehetra maneran-tany ireo fitahian’ny fahalalahana ara-pivavahana, ankehitriny anefa dia mbola betsaka no azo atao momba izany.”

Nandritra ny fihaonambe iray miompana amin’ny fanagejana ara-pivavahana sy ny fanerena fifindra-monina natao tao amin’ny Chateau de Windsor any Angleterre tamin’ny volana septambra, dia nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa betsaka no azo ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ireo mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany tany am-piandohana izay afaka manampy ireo mpitsoa-ponenana amin’ny vanimpotoana maoderina hanatsara ny toe-javatra misy azy ireo. Hoy izy hoe: “Isaky ny azo atao dia tokony hamporisika sy hampaharitra ny maha-izy azy miavaka an’ireo mpitsoa-ponenana ary mampivoitra ny tantara amin’ny lasan’izy ireo isika.”

Tany Espagne, tafiditra ao anatin’izany ireo Nosy Canaries, ary tany Portugal, dia nanasa ireo mpikambana, sy misiônera, ary mpitarika mba hamporisika ireo izay malaindaina hiverina handray anjara feno amin’ny Fiangonana ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Rehefa nomen’i Vietnam fankatoavana feno sy ôfisialy ny Fiangonana tamin’ny volana jona, dia nihaona tamin’ireo manam-pahefan’ny fitondram-panjakana ny Loholona Quentin L. Cook sy ny Loholona Gary E. Stevenson, izay samy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hiresadresaka momba ny tantara sy ny fitomboan’ny Fiangonana. Niresadresaka ihany koa izy ireo momba ny fomba hanampian’ny Fiangonana amin’ireo tetikasa ara-tsôsialy sy fanaovana asa soa ary ny fanampiana ny mahantra sy ny sahirana. Niahy fivoriana tany Guam, Micronésie, sy Japon ihany koa izy ireo.

Tamin’ny volana jona ihany koa, ny tao Brisbane, Australie, sy ny tao amin’ireo Nosy Cook dia voatahy noho ny nitsidihan’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy ireo. Nitsidika ny nosy Rarotonga ihany koa ny Loholona Andersen ary izy no lasa ilay apôstôly voalohany nanitsaka ny nosy Mangaia.

Ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamboatra ny fandaharam-potoany tamin’ny volana jona, mba hamangiana ireo izay avy niharan’ny horohoron-tany goavana iray tany Colombie, sy Pérou, ary Equateur. Nizara hafatra feno fitiavana iray avy amin’ny Filoha Thomas S. Monson izy ary nanome toky ireo niharam-boina fa tsy nohadinoina izy ireo.

Tany Guatemala tamin’ny volana aogositra, dia nahatsikaritra fitomboana tsy tapaka teo amin’ny fikarohana atao amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ny Loholona Quentin L. Cook, ary nilaza izy fa izany dia manondro ny finoan’ireo mpikambana.

Rehefa noraisina tao amin’ny ivontoerana ara-kolontsaina an’ny Fiangonana tany Polynésie tao Hawaii, États-Unis ny mpanjaka sy ny mpanjakavavin’i Tonga tamin’ny volana jona, dia nanolotra teny fampidirana momba ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Tany Louisiane, États-Unis, ny Filoha Russell M. Nelson, filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Loholona M. Russell Ballard dia namangy ireo tra-boina vokatry ny tondra-drano, ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo an’ny Môrmôna Manome Tanana kosa nanampy tamin’ny fanadiovana ireo trano rava nandritra ny volana aogositra sy septambra. Nanamarika ny Loholona Ballard fa mpilatsaka an-tsitrapo miisa 11.000 avy amin’ny faritra miisa 13 no tonga.

Ary tamin’ny volana septambra, nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony izay natao tany Washington, D.C., États-Unis, dia nilaza ny Loholona Cook hoe, “Tsy tokony hatahotra isika na dia ao anaty tontolo mampidi-doza sy mikorontana aza.” Nanome torohevitra an’ireo tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony izy mba hametraka tanjona tsara ary hanana drafitra hahatratrarana izany ary mba tsy hanamaivan-danja ny talenta sy ny fahaiza-manaon’izy ireo. Namporisika azy ireo mba hanombantombana ny fampiasan’izy ireo ny tambazotra ifaneraserana ihany koa izy. “Maheno imbetsaka isika hoe tokony ho tsy misy fitaka isika ao anatin’ny tambazotra ifaneraserana,“ hoy izy, nefa “ny hoe tena tahaka an’i Kristy dia mbola tanjona manan-danja kokoa noho ny hoe tsy misy fitaka.”

Ireo fampahalalana faramparany momba ny asa fanompoana ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo dia hita ao amin’ny pejy Facebook ananan’izy ireo tsirairay avy ary ao amin’ny prophets.lds.org.