2016
Fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana
November 2016


Fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana

Ireo Olomasin’ny Andro Farany dia tokony handray anjara “amin’ny fahalalahana ara-pivavahana izay fanamby manan-danja, amin’ny fomba mahasoa,” hoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fihaonambe iray miompana amin’ny fahalalahana ara-pivavahana natao tao Texas, États-Unis, tamin’ny septambra 2016. “Ny olona tsirairay avy ara-bakiteny, manomboka any amin’ireo zaza madinika ka hatrany amin’ireo matihanina, reny, ray, namana, ary mpifanolobodirindrina dia afaka ary tokony hahatakatra ny atao hoe fahalalahana ara-pivavahana ary ny antony maha-manan-danja izany.”

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka ihany koa nandritra ny fotoam-pivoriana ho an’ny fitiavan-tanindrazana iray natao tao Utah, Etazonia tamin’ny volana jona, mba hiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana. “Tato ho ato,” hoy izy, “dia malaza ny miady hevitra fa ny fahalalahana ara-pivavahana dia tena zo hitsaoka malalaka fotsiny fa tsy zo hampihatra malalaka ny finoanao amin’ny fiainana andavanandro.” Namporisika ireo mpino izy mba hijoro amin’ny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana amin’ny alalan’ny hoe lasa mahafantatra, maneho hevitra, ary mandray anjara amin’ireo rafitra sy hetsika ara-kolontsaina, ara-pôlitika ary ireo izay miompana amin’ny fiainam-pirenena.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia efa niresaka imbetsaka momba ny lohahevitry ny fahalalahana ara-pivavahana, nanome lahateny sy nandray anjara tamina fihaonambe natao tany Australie, Brésil, Meksika, Royaume Uni, ary toerana maro tao États-Unis. Fantaro ireo lahatenin’izy ireo ary ianaro ny momba ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny azonao atao mba hiarovana izany amin’ny alalan’ny fankanesana ao amin’ny religiousfreedom.lds.org. Ny sasantsasany amin’ny zavatra hita ao dia mihatra manokana amin’i États-Unis, fa ny fitsipika dia azo ampifanarahana amin’ny zava-misy any amin’ny firenena hafa.