2016
Fifehezana fotopampianarana
November 2016


Fifehezana fotopampianarana

Ao anatin’izao tontolo ankehitriny izao izay ahazoana fampahalalana eo no ho eo ihany amin’ny alalan’ny Internet dia tsy voaro amin’ireo olona izay manafika ny Fiangonana intsony ny tanora. Ny tetikasa vaovao antsoina hoe Fifehezana Fotopampianarana anefa dia manampy ireo mpianatra seminera hampitombo fahatakarana lalindalina kokoa momba ny fotopampianaran’ny filazantsara ary hampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Mianatra ihany koa ireo mpianatra ny fomba famaliana ireo fanontaniana sarotra ary ny fiatrehana ireo olana amin’ny fanaovana zavatra amim-pinoana, sy famakafakana ireo hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary ny fikatsahana fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Nandritra ny lahateny natokana ho an’ireo mpiandraikitra ao amin’ny Seminera sy Institiota dia nilaza izao manaraka izao mikasika ny Fifehezana Fotopampianarana ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ny tanorantsika izany.”

Ireo tanjona lehibe indrindra an’ny Fifehezana Fotopampianarana dia mba hanampiana ireo mpianatra:

  1. Hahazo fahalalana ara-panahy.

  2. Hifehy ny fotopampianaran’ny filazantsara sy ireo andinin-tsoratra masina izay nampianarana izany fotopampianarana izany.

Mba hanamafisana izay efa notanterahina tamin’ny alalan’ny Soratra masina Fehezina, ity ezaka mba hanao zavatra lalindalina kokoa ity dia hahatonga ny fankaherezana ny fiovam-po sy ny fanolorantenan’ireo mpianatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo, hahita fiarovana manoloana ny fitaoman’ny fahavalo, ary hitahy ny fiainan’ny hafa.

Ireo loharanom-pitaovana momba ny Fifehezana Fotopampianarana dia hita ao amin’ny lds.org/si/seminary/manuals.