2016
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-186
November 2016


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-186

Nizara hafatra roa tena mahitsy ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny drafitra lehiben’ny fahasambarana an’ Andriamanitra ho an’ny olona rehetra izy ny alahady maraina. Nampianatra ny anjara toerana fototra hazonin’i Jesoa Kristy ao amin’ny drafitry ny famonjena izy ary ny anjara asantsika eo amin’ny fomba ahazoana ilay fahasambarana katsahin’ Andriamanitra ho antsika. (Jereo ny pejy 80.) Nanamafy ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fankatoavana ny didin’ny Tompo sy ny fanajana amim-pahatokiana ny Tenin’ny Fahendrena ny Filoha Monson nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana maneran-tany (jereo ny pejy 78).

Vehivavy sy zatovovavy ary ankizivavy vao any amin’ny fahavalo taonany an’arivony no nivory tao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe ary tany amin’ireo toerana manerana an’izao tontolo izao mba hanokatra ireo fivoriana enina ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny fivoriamben’ny vehivavy maneran-tany.

Nandritra ny fivoriana sabotsy tolakandro dia nisy Fitopololahy Manampahefana Ambony efatra izay napetraka eo amin’ny toeran’ny Manampahefana Ambony nahavita ny asany tamim-pahamendrehana, sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra anankiray nisaorana, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra roa fanampiny nantsoina (jereo ny pejy 39). Ny Alahady, ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome voninahitra ny Loholona Per G. Malm, mpikambana iray tao amin’ny Fitopololahy, izay nodimandry ny 26 jolay 2016 (jereo ny pejy 121).

Atao isaky ny enim-bolana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, izay ampitaina avy ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe ao Salt Lake City, Utah, ahitana seza ho an’olona miisa 21.000 ary mankany amin’olona an-tapitrisany manerana an’izao tontolo izao. Nadika tamin’ny fiteny hafa ny fihaonambe, dia misy amin’ny fiteny mihoatra ny 80 ao amin’ny internet ary navoaka tao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana tamin’ny fiteny miisa 34.