2018
Ny kôlejin’ny loholona
May 2018


Ny kôlejin’ny loholona

Ny fananana kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana ao amin’ny paroasy iray dia mampiray hina ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny fanatontosana ny lafin-javatra rehetra amin’ny asa famonjena.

Tsy ela akory taorian’ny nanorenana indray ny Fiangonana amin’izao fotoampitantanana farany izao dia nilaza tao anatin’ny fanambarana iray ny Tompo hoe: “Ary amin’ny fivavaky ny finoanareo no handraisanareo ny lalàko, mba hahafantaranareo ny fomba hitondrana ny fiangonako ary hanananareo ny zavatra rehetra araka ny hitsiny eo anoloako.”1 Izany fitsipika izany dia narahina hatrany tato amin’ny Fiangonana, ary izany fampanantenana izany dia najain’ny Tompo hatrany, hatramin’izay. Nambara tsikelikely ireo lamina momba ny rafitra sy fanompoana ao amin’ny fisoronana, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa natsangana ho amin’izao androntsika izao ireo anjara fanompoana sy kôlejy ao amin’ny fisoronana. Fanamboarana lehibe no nambara sy nampiharina nandritra ny fitondran’ireo Filoha isany Brigham Young, John Taylor, ary Spencer W. Kimball, ary ireo hafa, mahakasika ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, ny Fitopololahy, ny mpisorona avo, ary ireo anjara fanompoana sy kôlejy hafa ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Aharôna.2 Ankehitriny, tao anatin’ny filazana manan-tantara natao fotoana vitsivitsy monja izay, dia nanambara fanamboarana manan-danja iray fanampiny ny Filoha Russell M. Nelson.

Toy izao ny ampahany amin’ny zavatra nolazainy: “Izao hariva izao izahay dia manambara fanovana rafitra manan-danja eo amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ato amintsika mba hanatontosana ny asan’ny Tompo amin’ny fomba mahomby kokoa. Any anivon’ny paroasy tsirairay avy dia hikambana ho kôlejin’ny loholona tokana manomboka izao ireo mpisorona avo sy ireo loholona … [ary] ny firafitry ny kôlejin’ny [mpisorona avon’ny tsatoka] dia hifototra amin’ny antso ao amin’ny fisoronana amin’izao fotoana.”

Dia nanampy ny Filoha Nelson hoe:

“Ireo fanovana ireo dia efa nodinihana amam-bolana maro. Nanana fahatsapana filana fanatsarana maika ny fomba fikarakarantsika ireo mpikambana ao amintsika izahay. … Mba hanatsarana izany bebe kokoa, dia mila manamafy orina ny kôlejin’ny fisoronana misy antsika isika mba hanomezana torolalana bebe kokoa momba ny fanompoana amim-pitiavana sy feno fanohanana izay kasain’ny Tompo hatao ho an’ireo Olomasiny.

“Ireo fanovana ireo dia azo avy amin’ny fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo. Rehefa ampiharintsika ireo dia ho mahomby kokoa mihoatra noho ny teo aloha isika.”3

Eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany dia hanampy antsipiriany misimisy kokoa ny Loholona Ronald A. Rasband sy ny tenako, izay atokisanay fa hamaly ireo fanontaniana izay mety hanananareo.

Kôlejin’ny loholona sy kôlejin’ny mpisorona avo

Voalohany, ho famerenana indray, dia inona avy ireo fanamboarana eo amin’ny vondron’ny mpisorona avo sy ny kôlejin’ny loholona eo anivon’ny paroasy? Eo anivon’ny paroasy, ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ao amin’ny vondron’ny mpisorona avo dia hitambatra ho kôlejy tokana manomboka izao ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka miaraka amin’ny fiadidian’ny kôlejy tokana. Io kôlejy io, izay hitombo an’isa sy hitombo eo amin’ny lafiny firaisankina dia ho antsoina hoe “kôlejin’ny loholona”. Tsy hisy intsony ny vondron’ny mpisorona avo. Ilay kôlejin’ny loholona dia ahitana ireo loholona sy ireo olona azo aroso ho loholona rehetra ao amin’ny paroasy ary ireo mpisorona avo izay tsy tafiditra ao anatin’ny episkôpà, na ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ao amin’ny filankevitra avo, na patriarika am-perinasa amin’izao fotoana izao. Ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka dia ho ahitana ireo mpisorona avo izay manompo ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ao amin’ireo episkôpà, ao amin’ny filankevitra avo, ary ireo patriarika am-perinasa.

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

Ahoana no handrafetana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona? Ny fiadidian’ny tsatòka dia hisaotra ireo mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo sy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona misy ankehitriny ary hiantso filohan’ny kôlejin’ny loholona sy mpanolotsaina vaovao ao amin’ireo paroasy tsirairay avy. Ilay fiadidian’ny kôlejin’ny loholona vaovao dia mety ahitana loholona sy mpisorona avo, amin’ny sokajin-taona samihafa sy manana traikefa samihafa, miara-manompo ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy iray. Ny loholona na ny mpisorona avo dia samy afaka ny ho filoha na mpanolotsaina ao amin’ilay kôlejy. Tsy hoe “fandraisam-pahefana” ataon’ny mpisorona avo mba hitondrana ny kôlejin’ny loholona akory izany. Manantena izahay fa ireo loholona sy mpisorona avo dia hiara-hiasa ao anatin’izay mety ho fandaminana hita ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy sy ao amin’ny fanompoana ataon’ny kôlejy. Ireo fanamboarana ao amin’ny kôlejy ireo dia tokony hampiharina araka izay haingana indrindra azo atao.

Anjara fanompoana ao amin’ny kôlejin’ny loholona

Manova ny anjara fanompoana hazonin’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy ve izao fanamboarana ny rafitry ny kôlejy izao? Tsia, izao zavatra izao dia tsy manafoana ny mety ho anjara fanompoana taloha nanendrena ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejy. Araka ny fantatrareo, ny lehilahy iray dia mety ho voatendry ao anatina anjara fanompoana samy hafa ao amin’ny fisoronana mandritra ny fiainany manontolo, ary tsy foana akory ny fanendrena nisy azy teo aloha rehefa mandray fanendrena iray vaovao izy. Na dia mety hanompo ao anatin’ny anjara fanompoana mihoatra ny iray amin’ny fotoana iray aza indraindray ny mpihazona fisoronana iray, toy ny hoe rehefa sady patriarika na eveka ny mpisorona avo iray ohatra, dia mazàna izy no tsy miasa ao anatin’ireo anjara fanompoana rehetra misy azy ireo amin’ny fotoana iray. Ireo eveka sy Fitopololahy ohatra dia tsy am-perinasa intsony ao amin’ireo anjara fanompoana ireo rehefa nisaorana na nisaorana tamim-boninahitra. Noho izany, na inona na inona anjara fanompoana iray na maromaro ao amin’ny fisoronana izay mety ho tanan’ny lehilahy iray, rehefa mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona izy dia manompo araka ny maha-loholona azy.

Taona maro lasa izay dia nilaza ny Filoha Boyd K. Packer fa “lehibe kokoa noho izay mety ho anjara fanompoana ao aminy ny fisoronana. … Tsy azo zarazaraina ny fisoronana. Tsy hoe betsaka kokoa ny fisoronana hazonin’ny Apôstôly iray mihoatra noho ny an’ny loholona iray. (Jereo ny F&F 20:38.) Rehefa [mandray ny fisoronana] ny lehilahy iray, dia mandray izany manontolo izy. Misy kosa anefa ireo anjara fanompoana ao anatin’ny fisoronana, dia fizarana eo amin’ny fahefana sy andraikitra. … Indraindray dia resahina ny maha -ambony kokoa- na -ambany kokoa- ny anjara fanompoana iray mihoatra noho ny anankiray hafa. Tsy hoe -ambony kokoa- na -ambany kokoa-, fa ireo anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka dia entina hilazana andraikitra samihafa sahanina.”4 Ry rahalahy isany, tena manantena aho fa tsy hilaza intsony isika hoe “nampiakarina” tao amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka ny olona iray.

Mbola tendrena ho mpisorona avo hatrany ny loholona rehefa voantso ho ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ho mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na episkôpà, na amin’ny fotoana hafa izay tapaky ny filohan’ny Tsatòka tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanentanam-panahy. Rehefa tapitra ny maha ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filankevitra avo, na episkôpà azy ireo dia mamonjy miaraka amin’ny kôlejin’ny loholona any amin’ny paroasiny izy ireo.

Fitarihana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona

Iza no mitarika ny asan’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona? Ny filohan’ny tsatòka no miahy ny Fisoronana Melkizedeka eo anivon’ny tsatòkany. Noho izany, dia ny filohan’ny tsatòka no tompon’andraikitra misahana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mivantana; ary izy no manome fampiofanana sy fitarihana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy amin’ny alalan’ny filankevitra avo. Ny eveka, amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy azy ao amin’ny paroasy dia mihaona tsy tapaka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona ihany koa. Mikaondoha miaraka aminy ny eveka ary manome torolalana araka ny tokony ho izy mikasika ny fomba tsara indrindra hanompoana sy hitahiana ireo mpikamban’ny paroasy, miara-miasa amin’ny fomba mirindra amin’ireo rafitra rehetra ao amin’ny paroasy.5

Ny tanjon’ireo fanovana ireo

Inona no tanjon’ireo fanamboarana ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ireo? Ny fananana kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana ao amin’ny paroasy iray dia mampiray hina ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny fanatontosana ny lafin-javatra rehetra ao amin’ny asa famonjena, tafiditra ao anatin’izany ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana izay teo ambany fitantanan’ireo vondron’ny mpisorona avo teo aloha. Izany dia mamela ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ao anatin’ny sokajin-taona sy ny foto-piavianana rehetra hahazo tombotsoa avy amin’ny fomba fijery sy ny traikefan’ny tsirairay izay samihafa ny dingana efa nolalovany teo amin’ny fiainana. Izany ihany koa dia miteraka fahafahana fanampiny ho an’ireo mpihazona fisoronana efa nahazo traikefa kokoa mba hampianatra ny hafa, tafiditra ao anatin’izany ireo izay miomana ho lasa loholona, ireo mpikambana vaovao, ireo tanora tokan-tena, ary ireo izay miverina ho mazoto indray ao amin’ny Fiangonana. Tsy hay lazaina ny fientanentanana tsapako rehefa mandinika ny anjara asa lehibe tsy mitsaha-mitombo ho hananan’ny kôlejin’ny loholona amin’ny hoavy aho. Ny fahendrena sy traikefa sy fahaiza-manao ary tanjaka izay ho hita ao amin’ireo kôlejy ireo dia manokatra vanim-potoana sy lenta vaovao eo amin’ny fanompoana ao amin’ny fisoronana manerana ny Fiangonana manontolo.

Roapolo taona lasa izay, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, dia nizara tantara iray aho, izay ny Loholona Vaughn J. Featherstone tao amin’ny Fitopololahy no nitantara azy voalohany, tantara izay heveriko fa mendrika ho averina zaraina eto.

Tamin’ny 1918 dia mpamboly beteravy famokarana siramamy tany Lehi, Utah ny Rahalahy George Goates. Tonga aloha kokoa noho ny mahazatra ny ririnina io taona io ary nanimba ny ankamaroan’ny voliny tao an-tsaha. Ho an’i George sy i Francis zanany lahikely dia nananosarotra sy nitaky fotoana ny fijinjana. Nandritra izany fotoana izany dia namely mafy ny valan’aretina gripa. Namono an’i Charles zanak’i George ary ny zanak’i Charles mbola kely anankitelo ilay areti-mandrigana, dia zazavavy kely anankiroa sy tovolahy iray izany. Tao anatin’ny enina andro monja dia nanao dia in-telo samy hafa tany Ogden, Utah mba hanatitra ireo vatamangatsiaka hody mba halevina i George Goates izay tao anatin’ny fisaonana tanteraka. Rehefa nifarana izany fotoana sarotra dia sarotra izany dia nanomana ny saretiny i George sy Francis mba hiverina any amin’ny saham-beteravin’izy ireo.

“[Teny an-dalana] dia nifanena tamin’ny sarety maro nifanesy nitondra beteravy izay notaterin’ireo mpamboly mpiray monina ho any amin’ny orinasa izy ireo. Isak’izay mifanena amin’ny mpitondra sarety izy ireo dia maheno hoe: -Akory e, Dadatoa George,- -Mamangy amin’ny fahoriana George a,- -Tena mafy ilay izy ry George a,- -Manana namana betsaka ianao ry George a.-

“Ny sarety farany dia nentin’i … Jasper Rolfe izay feno tasy ny tarehiny. Niarahaba tamim-piravoravoana izy dia nilaza hoe: -Vita izay izy rehetra ry Datatoa George a.-

“Nitodika tany amin’i Francis [ny Rahalahy Goates] dia nilaza hoe: -Raha mba ny antsika rehetra moa izy ireny.-

“Rehefa tonga teo amin’ny vavahadin’ny toeram-pambolena izy ireo dia nidina ilay sarety menamena lehibe fitondrana beteravy i Francis ary nanokatra ny vavahady teo am-pandrosoan’[ny rainy] hiditra ny saha. Nosintonin’i [George] ny lamboridy mba hampijanonana ireo soavaly, … dia nandinika ilay saha izy. … Tsy nahitana na dia beteravy famokarana siramamy iray aza ny saha manontolo. Dia nazava taminy avy eo ny tian’i Jasper Rolfe holazaina rehefa nilaza izy hoe: -Vita izay izy rehetra ry Datatoa George a.-

“Nidina ny sarety i [George] dia nandray tamin’ny tanany ny tany lonaka mora ambolena izay tena sarobidy aminy tokoa, ary naka … ravim-beteravy iray, nandinika nandritra ny fotoana fohy ireo tandindon’ny asa mafy nataony, toy ireny hoe tsy nampino azy ireny ny zavatra hitany.

“Dia nipetraka teo amin’ny ravim-beteravy nivangongo [izy] avy eo, io lehilahy io izay nankany an-tanindrazana handevina olon-tiana efatra tao anatin’ny enina andro; nanamboatra vatampaty, nihady fasana, ary nandray anjara mihitsy aza tamin’ny fampiakanjoana ny maty—io lehilahy io izay tsy nisalasala na nihemotra na nihozongozona mihitsy tao anatin’ny fahoriana mafy nianjady taminy—dia nipetraka teo ambonin’ny ravim-beteravy ary nigogogogo nitomany toy ny zazakely.

“Dia nitsangana izy avy eo, namafa ny ranomasony, … niandrandra ny lanitra, ary nilaza hoe: -Misaotra Ray ô, noho ireo loholona ato amin’ny paroasinay.-”6

Eny tokoa, isaorana anie Andriamanitra noho ireo lehilahy ao amin’ny fisoronana sy noho ny asa fanompoana izay mbola ho ataon’izy ireo ao anatin’ny fankaherezana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny fanorenana an’i Ziona.

Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia efa nandinika ny momba ireo fanamboarana ireo nandritra ny fotoana elaela izay. Tamin’ny alalan’ny vavaka maro, ny fandalinana tsara ny fototra ara-tsoratra masina iorenan’ny kôlejin’ny fisoronana, ary ny fanamafisana fa izany tokoa no sitrapon’ny Tompo, dia mandroso hatrany isika ao anatin’ny faneken’ny rehetra, amin’ny dingana iray fanampiny raha ny marina, amin’ny fanohizana ny Famerenana amin’ny laoniny. Hita taratra ny fitarihan’ny Tompo, ary mifaly ny amin’izany ny tenako, eo am-pijoroako ho vavolombelona ny Aminy, ny fisoronany, ary ny fanendrena anareo ao amin’izany fisoronana izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:3.

  2. Jereo ohatra ny, William G. Hartley, “The Priesthood Reorganization of 1877: Brigham Young’s Last Achievement,” ao amin’ny My Fellow Servants: Essays on the History of the Priesthood (2010), 227–64; “To the Seventies,” ao amin’ny James R. Clark, nat., Ireo hafatry ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (1965), 352–54; Hartley, “The Seventies in the 1880s: Revelations and Reorganizing, ao amin’ny My Fellow Servants, 265–300; Edward L. Kimball, Lengthen Your Stride: The Presidency of Spencer W. Kimball (2005), 254–58; Susan Easton Black, “Early Quorums of the Seventies,” ao amin’ny David J. Whittaker and Arnold K. Garr, ed., A Firm Foundation: Church Organization and Administration (2011), 139–60; Richard O. Cowan, “The Seventies’ Role in the Worldwide Church Administration,” ao amin’ny A Firm Foundation, 573–93.

  3. Russell M. Nelson, “Introductory Remarks,” Liahona, mey 2018, 54.

  4. Boyd K. Packer, “What Every Elder Should Know—and Every Sister as Well: A Primer on Principles of Priesthood Government,” Tambuli, nôv. 1994, 17, 19.

  5. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’ Eglise (2010), 7.3.1.

  6. D. Todd Christofferson, “The Priesthood Quorum,” Liahona, jan. 1999, 47; jereo ihany koa ny Vaughn J. Featherstone, “Now Abideth Faith, Hope, and Charity,” Ensign, jolay 1973, 36–37.