2018
Loholona Robert C. Gay
May 2018


Loholona Robert C. Gay

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Robert C. Gay

Tamin’ny Loholona Robert C. Gay filohan’ny misiôna tany Ghana, dia nanana fahatsapana izy fa tokony hijanona ary hanampy ankizilahy iray nitomany. Tsy niraharaha ilay zavatra tsapany izy tamin’ny voalohany saingy taty aoriana dia naniraka mpikamban’ny Fiangonana anankiray mba hitady sy mba hitondra ilay ankizilahy any aminy izy.

Nahafantatra ny Loholona Gay, izay notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 31 martsa 2018, fa nivarotra trondro maina ho an’ilay mpikarakara azy ilay ankizilahy. Tamin’io andro io dia very tamin’ny alalan’ny lavaka tamin’ny paosiny ny vola azony.

“Raha toa ka hiverina hody tsy nitondra vola izy, dia holazaina fa mpandainga, ary mety hokapohina mihitsy aza, ary avy eo dia horoahina ho eny amin’ny arabe,” hoy ny Loholona Gay. “Nampitonianay izy, ary nomenay vola mba hanoloana ireo vola izay very, ary naterinay tany amin’ilay mpikarakara azy.”

Araka ny fanazavany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2012, dia nampianatra fahamarinana roa lehibe an’ny Loholona Gay izany zavatra niainana izany: “Ny voalohany dia nahafantatra aho, mihoatra noho ny teo aloha fa mahatsiaro antsika tsirairay Andriamanitra ary tsy mba handao antsika na oviana na oviana; ary ny faharoa dia nahafantatra aho hoe tokony hihaino lalandava ny feon’ ny Fanahy ao anatintsika isika ary mandeha, avy hatrany, na aiza na aiza hitarihan’izany antsika, na dia eo aza ny tahotsika na ny zavatra hafa mety hanakana.”

Ny Loholona Gay dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 31 martsa 2012. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia Filohan’ny Vondrom-paritra Azia Avaratra izy. Nanompo tany amin’ny foiben’ny Fiangonana izy teo aloha ka filohan’ny kômity misahana ny sampan-draharaha misahana ny fizakan-tena sy ny Kitapom-bola Maharitra ho an’ny Fianarana, ary nanana andraikitra sahanina tao amin’ireo sampan-draharahan’ny fizakan-tena maneran-tany.

Talohan’ny niantsoana azy ho Fitopololahy dia tale jeneralin’ny orinasa mpametra-karena miasa izay niarahany naorina tamin’ny hafa izy. Izy koa dia nanorina niaraka tamin’ny hafa fikambanana maro maneran-tany misahana ny fanampiana olona ary tale an’izany, sy niasa tao amin’ny banky mpametra-karena miasa ka mpanorohevitra teo amin’ny lafin’ny fitantanana, ary mpampianatra toekarena tao amin’ny Harvard University.

Ny Loholona Gay dia nahazo mari-pahaizana licence en économie niaraka tamin’ny fifantohana kokoa tamin’ny statistique tao amin’ny University of Utah ary nahazo PhD en économie des affaires avy tao amin’ny Harvard University.

Ny Loholona Gay dia efa misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany Espagne, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, filohan’ny paroasin’ny Zatovolahy, mpanolotsaina avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Teraka tany Los Angeles, Californie, Etazonia, tamin’ny 1 septambra 1951 izy. Nanambady an’i Lynette Nielsen tamin’ny aprily 1974 izy. Manan-janaka fito izy ireo.