2018
Loholona Carl B. Cook
May 2018


Loholona Carl B. Cook

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Carl B. Cook

Ny Loholona Carl B. Cook dia mino fa ny tombontsoa ahafahana manompo dia iray amin’ireo fitahiana lehibe amin’ny maha-mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Kanefa manaiky izy fa mitaky finoana ny fanekena sy ny fanandrianana ny antso.

Ny Loholona Cook, izay notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 31 martsa 2018, dia mampitovy ireo mpikamban’ny Fiangonana, izay miara-manompo any amin’ireo sampana sy paroasy, kôlejy, ary ireo vondrona fanampiny, amin’ny “nifinkodia mifandray” (engrenage composée) ao amin’ny fiara iray, izay mamoaka tanjaka bebe kokoa.

Ny nifinkodia mifandray ao amin’ny fiara tsy mataho-dalana dia “mamela anao hampidina ny vitesse sy hamokatra angovo bebe kokoa ary hihetsika,” hoy izy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2016. “Tahaka ireo nifinkodia izay mitambatra ka mamokatra angovo bebe kokoa rehefa mifandray, no ananantsika hery bebe kokoa rehefa miara-miasa isika. Rehefa miray hina isika mba hifanompo, dia mahavita betsaka kokoa isika rehefa miaraka noho izay mety ho vitantsika samirery. Mampientam-po ny manolo-tena sy miray hina rehefa manompo sy manampy ao amin’ny asan’ny Tompo isika.”

Ny Loholona Cook dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 02 aprily 2011. Talohan’ny andraikitra vaovao nomena azy, dia nanompo tao amin’ny Foiben’ny Fiangonana ny Loholona Cook, ka nanampy tamin’ny fiandraiketana ny Vondrom-paritra Andrefan’i Amerika Avaratra izy tao, ankoatra ireo andraikitra hafa. Filohan’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana izy teo aloha.

Namporisika ireo Olomasin’ny Andro Farany ny Loholona Cook mba hahatsiaro fa ireo antso ao amin’ny Fiangonana dia avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpanompony voatendry.

“Tonga ny fitahiana rehefa maharitra amin’ireo antso sy ireo andraikitra sahanintsika isika ary mijanona amim-pahatokiana amin’ny finoana rehetra izay ananantsika.”

Ny Loholona Cook dia nahazo mari-pahaizana licence en lettres avy amin’ny Weber State College ao Utah ary mari-pahaizana maîtrise momba ny gestion d’entreprise avy amin’ny Utah State University. Talohan’ny niantsoana azy ho Fitopololahy dia niasa tamin’ny orinasa mpivarotra tany efa misy trano vaovao izy.

Ireto avy ireo antson’ny Loholona Cook: misiônera manompo amin’ny fotoana feno tany Hamburg, Allemagne, eveka, filohan’ny tsatòka, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary filohan’ny Misiônan’i Auckland Nouvelle Zélande.

Teraka tao Ogden, Utah, Etazonia, tamin’ny 15 ôktôbra 1957 izy. Nanambady an’i Lynette Hansen izy tamin’ny desambra 1979. Manan-janaka dimy izy ireo.