2018
Loholona Carlos A. Godoy
May 2018


Loholona Carlos A. Godoy

Fiadidian’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Carlos A. Godoy

Vao nisaorana tamin’ny naha-eveka azy ny Loholona Carlos A. Godoy tamin’ny faramparan’ny taona 80. Nahazo mari-pahaizana avy amin’ny sekolim-pampianarana ambony koa izy sy niasa tany amin’ny orinasa niroborobo iray ary nieritreritra fa milamina ny fiainana, mandra-pamangin’ny namana iray taloha azy.

Niarahaba azy noho ny fahombiazany io namana io saingy nametraka fanontaniana iray avy eo izay nampikorontan-tsaina azy: “Raha manohy miaina araka izao fiainanao izao ianao, moa ve ho tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina ao anatin’ny tsodranon’ny patriarika nomena anao?”

Nahatsapa ny Loholona Godoy fa mila manao fanovana izy raha te hahazo ireo fitahiana nampanantenaina. Na dia teo aza ny fahafahampony dia nanapa-kevitra ny haka ny mari-pahaizana maîtrise izy. Niala tamin’ny asany izy, namidiny ny fananany rehetra ary nandao an’i Brésil izay toerana nahazatra niaraka tamin’ny fianakaviany izy mba hianatra any Etazonia.

Ny Loholona Godoy, izay nantsoina ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 31 martsa 2018, dia nilaza fa io zavatra niainany io dia nampianatra be dia be azy mikasika ny fahatokiana ny drafitry ny Tompo sy ny fahavononana handao an’ilay fiainana nampiadana azy.

“Fantatro fa manana drafitra ho antsika ny Tompo eto amin’ity fiainana ity,” hoy izy nijoro ho vavolombelona nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2014. “Fantany isika. Fantany izay tsara indrindra ho antsika. Tsy hoe rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra dia midika fa tsy tokony handinika isika indraindray sao mety hisy zavatra tsara kokoa.”

Ny Loholona Godoy dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 5 aprily 2008. Amin’izao fotoana izao izy dia Filohan’ny Vondrom-paritra Avaratra Atsinanan’i Amerika Atsimo ary hanomboka ny asa fanompoany ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy amin’ny 1 aogôsitra 2018.

Talohan’ny antsony tao amin’ny Fitopololahy, dia mpitantana ny sampana misahana ny mahasoa ny mpiasa sy ny fampidirana mpiasa tao amin’ny orinasa lehibe anankiroa ny Loholona Godoy nialoha ny nanokafanany ny orinasa mpanorohevitra izay azy manokana. Nahazo mari-pahaizana licence en économie sy en science politique avy tao amin’ny São Paulo Pontifical Catholic University izy tamin’ny 1987 ary mari-pahaizana maîtrise en comportement organisationnel avy tao amin’ny Brigham Young University izy tamin’ny 1994.

Ny Loholona Godoy dia efa misiônera manompo amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i São Paulo Atsimo Brésil, eveka, mpanolotsaina avo, tompon’andraikitra misahana ny fifanampiana teo anivon’ny faritra, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary filohan’ny Misiônan’i Belém Brésil.

Teraka tany Porto Alegre, Brésil izy tamin’ny 4 febroary 1961. Nanambady an’i Mônica Soares Brandao izy tamin’ny martsa 1984, ary manan-janaka efatra izy ireo.