2018
Loholona Gerrit W. Gong
May 2018


Loholona Gerrit W. Gong

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Sary
Loholona Gerrit W. Gong

“Amin’izao Sabatan’ny Paska izao dia mihira amim-pifaliana hoe, Aleloia, aho” hoy ny Loholona Gerrit W. Gong tao anatin’ny lahateniny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay voalohany amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny hiran’ny fitiavana manavotr’ilay Mpamonjy antsika nitsangana tamin’ny maty dia mankalaza ny lamin’ireo fanekempihavanana … sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”

Nifaly nandritra ny androm-piainany tao anatin’izany lamina izany ny Loholona Gong. Fantany fa ny herin’ireo fanekempihavanana miaraka amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia, “manome [antsika] hery ahafahantsika mahavita zavatra sy mahatonga [antsika] ho olom-banona.” “Izy ireo miaraka dia mampalefaka, miaro, manamasina, ary manavotra,” hoy izy.

Indray andro nandritra ny fanambadiana iray natao tany amin’ny tempoly, dia hita taratra teny amin’ireo fitaratry ny tempoly ny herin’ireo fanekempihavanana niaraka tamin’ny Sorompanavotana. Nalainy sary an-tsaina ireo taranaky ny fianakaviany mitohy hatrany amin’ny mandrakizay, nanomboka tamin’ny havany tany aloha be tany izay fanta-daza, dia i First Dragon Gong, teraka tamin’ny taona 837 Talohan’i Kristy, mandalo an’ireo taranaka miisa 36 hatraty amin’ny zafikeliny ary mitohitohy foana, amin’ny any aoriana sy ny aty aloha.

“Nanomboka nahatakatra aho fa izahay mivady dia zanaka ho an’ireo ray aman-dreninay, no ray aman-dreny ho an’ireo zanakay ary sady zafikely ho an’ny raibe sy renibenay no raibe sy renibe ho an’ireo zafikelinay,” hoy izy. “Mirotsaka amintsika tsikelikely ireo lesona lehiben’ny fiainana rehefa mianatra sy mampianatra isika ao anatin’ny anjara asantsika mandrakizay izay ahitana ny maha-zanaka sy ray aman-dreny antsika ary ny maha-ray aman-dreny sy zanaka.”

Fitopololahy Manampahefana ambony ny Loholona Gong nanomboka tamin’ny aprily 2010 ary mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy nanomboka tamin’ny ôktôbra 2015. Notohanana ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy tamin’ny 31 martsa 2018, izay nofaritany ho toy ny “antso masina avy amin’ny Tompo izay nampihanahana azy.”

Nanomboka tamin’ny 2011 ka hatramin’ny 2015, dia mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Azia ny Loholona Gong ka lasa Filohan’ny Vondrom-paritra no niafaran’izany fanompoana tao izany. Izy dia efa misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny misiônan’i Taipei Taiwan, mpanolotsaina avo, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, filohan’ny Sekoly Alahady tao amin’ny tsatòka, mpampianatra seminera, eveka, filohan’ny misiônan’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Nahazo mari-pahaizana licence en études asiatiques sy en études universitaires avy tao amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1977 ny Loholona Gong. Nahazo mari-pahaizana maîtrise en philosophie izy tamin’ny 1979 ary tamin’ny 1981 dia nahazo doctorat en relations internationales avy tao amin’ny Oxford University, ka mpianatra nahazo vatsim-pianarana avy tamin’ny Fikambanana Rhodes izy tao. Mpanampin’ny sekreteram-panjakana lefitry ny Ministeran’ny Raharaham-bahinin’i Etazonia ny Loholona Gong tamin’ny 1985 ary mpanampy manokana ny masoivohon’i Etazonia tany Beijing, Chine tamin’ny 1987. Nanomboka tamin’ny 1989, dia nihazona toerana maro tao amin’ny Center for Strategic and International Studies tao Washington, D.C izy. Mpanampy ny filoha teo amin’ny lafin’ny fanaovana drafitra sy fanombantombanana tao amin’ny Brigham Young University hatramin’ny aprily 2010 izy.

Nifindra monina avy tany Chine nankany Etazonia ny raibe sy ny reniben’ny Loholona Gong. Ny Loholona Gong dia teraka tao Redwood City, Californie, Etazonia, tamin’ny taona 1953. Nanambady an’i Susan Lindsay tamin’ny Janoary 1980 izy ary manan-janaka efatra sy zafikely telo izy ireo.

“Izay rehetra mendrika sy mandrakizay dia mifototra amin’ny tena maha-misy marina an’ Andriamanitra ilay Raintsika mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanany sy ny Sorompanavotany, izay ijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona,” hoy ny Loholona Gong tamin’ity fihaonambe ity. “Mijoro ho vavolombelona amim-panajana sy amin’ny fomba masina ny amin’i Kristy velona aho. Niaraka tamintsika tany am-piandohana Izy ary miaraka amintsika hatramin’ny farany.”