2020
Ny Fiadidian’ ny Vondrom-Paritra Afrika Atsimo
Aogositra 2020


Biographies

Ny Fiadidian’ ny Vondrom-Paritra Afrika Atsimo

S. Mark Palmer, Filohan’ny Vondromparitra

Ny Loholona S. Mark Palmer dia mpikambana tao amin’ny Kôlejy fahaenin’ny Fitopololahy tao amin’ny Vondromparitra Atsimo Andrefan’i Amerika Avaratra tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2016.

Ny Loholona Palmer dia nahazo mari-pahaizana licence en Commerce tamin’ny 1979 avy amin’ny Oniversite an’i Auckland sy Maîtrise en Administration des affaires tamin’ny 1982 avy amin’ny Brigham Young University. Izy no nanangana ny SMP Ventures, izay orinasa mpamarotra trano efa voatsangana na vao hatsangana, ary filohan’izany nanomboka tamin’ny 1993.

Efa nanompo tamin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Palmer, ka anisan’izany ny naha-mpitory ny filazantsara nanompo tamin’ny fotoana feno azy tao amin’ny Misiônan’i Nouvelle Zélande Wellington. Efa filohan’ny kôlejin’ny loholona izy, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny misiôna ary Fitopololahin’ny Vondromparitra.

I Stanley Mark Palmer dia teraka tao Te Puke, Nouvelle-Zélande tamin’ny 11 febroary 1956. Nanambady an’i Jacqueline Ann Wood izy tamin’ny 1981. Manan-janaka enina izy ireo.

Edward Dube, Mpanolotsaina Voalohany

Ny Loholona Edward Dube dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 6 aprily 2013. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia mpikambana tao amin’ny Kôlejy fahatelon’ny Fitopololahy izy tany amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinanana. Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Andrefana izy izao. Talohan’io fanendrana azy io dia niasa tao amin’ny foiben’ny Fiangonana tao amin’ny departemanta maro samihafa ny Loholona Edward Dube.

Nahazo diplaoma momba ny fampianarana ny Loholona Dube tamin’ny 1992 tao amin’ny Zimbabwe D.E. College ary nianatra momba ny fandraharahana tao amin’ny Oniversite an’i Afrika Atsimo tamin’ny 2003. Niasa tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana tao Afrika nandritra ny 15 taona izy ary nitana toerana maro tao.

Nanompo tamin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Dube, anisan’izany ny naha-mpitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno azy tao Zimbabwe, filohan’ny distrika, filohan’ny tsatoka, filohan’ny Misiônan’i Harare Zimbabwe, ary Fitopololahin’ny Vondromparitra.

I Edward Dube dia teraka tao Chiramanzu, Zimbabwe tamin’ny 12 mey 1962. Nanambady an’i Naume Keresia izy tamin’ny 9 desambra 1989. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ciro Schmeil, Mpanolotsaina Faharoa

Ny Loholona Ciro Schmeil dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 4 aprily 2020, tamin’ny faha-48 taonany. Tamin’ny fotoana niantsoana azy dia filohan’ny sampana izy. Fitopololahin’ny Vondromparitra ary mpikambana tao amin’ny Kôlejy fahafiton’ny Fitopololahy tao Brésil izy nanomboka tamin’ny 2013 ka hatramin’ny 2016, ary mpikambana tao amin’ny Kôlejy fahaenin’ny Fitopololahy tao Amerika Avaratra nanomboka tamin’ny 2016 ka hatramin’ny 2017.

Ny Loholona Schmeil dia nahazo ny mari-pahaizana licence amin’ny fandalinana maritrano tao amin’ny Oniversiten’i Utah tamin’ny 1995. Tamin’ny 2010 izy dia nahazo ny mari-pahaizana maîtrise en administration des affaires tao amin’ny Oniversiten’i Ohio. Niasa tao amin’ny birao foiben’ny Walmart izy ary nitana toerana maro, tafiditra tamin’izany ny naha-tale mpitantana ny fividianana sy fanofana trano azy ary filoha lefitra. Efa talen’ny fampandehanan-draharaha tao amin’ny Scopel ihany koa izy ary tale jeneraly tao amin’ny Cia City. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Manampahefana Ambony dia tale mpitantana ny fividianana sy fanofana trano tao amin’ny JBS S.A. izy.

Nanompo tamin’ny antso maro tato amin’ny Fiangonana ny Loholona Schmeil, tafiditra amin’izany ny naha-mpitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno azy tao amin’ny misiônan’i Ogden, filohan’ny kôlejin’ny loholona, eveka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, ary filohan’ny sampana.

I Ciro Schmeil dia teraka tao Ponta Grossa Brésil tamin’ny 16 aprily 1971. Nanambady an’i Alessandra Machado Louza izy tamin’ny 1994. Manan-janaka roa izy ireo.